FANAZAVANA ANDININ-TENY
Galatianina 6:9: “Aza mba Ketraka Amin’ny Fanaovan-tsoa Isika”
“Aza mba reraka manao ny tsara mihitsy àry isika, satria hijinja ny vokatr’izany isika amin’ny fotoana mety, raha tsy kivy.”—Galatianina 6:9, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
“Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.”—Galatianina 6:9, Fandikan-teny Protestanta.
Inona no tian’ny Galatianina 6:9 holazaina?
Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly mba hanao an’izay tsara eo imason’Andriamanitra foana. Raha manao an’izany izy ireo dia afaka matoky hoe hamaly soa azy ireo Andriamanitra.
“Aza mba reraka ... mihitsy ... isika.” Azo adika koa izy io hoe “aza mba ketraka mihitsy isika.” Mety hidika koa hoe tsy mba kivy na tsy mazoto intsony ilay teny tany am-boalohany nandikana azy. Nampidirin’ny apostoly Paoly ao anatin’ireo teniny ireo koa ny tenany. Asehon’izany fa niaiky izy hoe kivy koa izy indraindray.—Romanina 7:21-24.
“Manao ny tsara.” Tafiditra amin’ilay hoe “tsara” izay rehetra tokony hataon’ny Kristianina mba hanompoana an’Andriamanitra. Anisan’izany ny zavatra ataon’ny olona iray mba hanampiana ny mpiray finoana aminy na ny olon-kafa.—Galatianina 6:10.
“Hijinja ny vokatr’izany isika amin’ny fotoana mety, raha tsy kivy.” Mampahatsiahy ny olona mamaky ny taratasiny i Paoly hoe mety tsy ho hitan’izy ireo eo no ho eo ny soa entin’ny fanaovana ny tsara. Mety hila fotoana hoatran’ny fitomboan’ny zavamaniry ambolen’ny mpamboly izany. Miresaka momba ny fijinjana koa i Paoly eo mba hampifandraisana an’ilay andininy amin’izay voalaza ao amin’ny andininy 7. Izao ilay fahamarinana fototra ao amin’ny andininy 7: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” Asehon’izany fa rehefa manao an’izay tsara eo imason’Andriamanitra ny Kristianina, dia hahazo valisoa lehibe izy, anisan’izany ny fiainana mandrakizay.—Romanina 2:6, 7; Galatianina 6:8.
Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Galatianina 6:9?
Ny Kristianina nipetraka tany Galatia no nanoratan’i Paoly an’io taratasy io, tamin’ny taona 50-52 tany ho any. Nisy olona nilaza ho Kristianina tany nefa navadiky ry zareo ny fahamarinana momba an’i Jesosy, dia te hiaro ny Kristianina tamin’ireny i Paoly. (Galatianina 1:6, 7) Niady hevitra be ireny mpampianatra sandoka ireny hoe tokony hankatò ny lalàna nomen’Andriamanitra ny firenen’Israely tamin’ny alalan’i Mosesy, hono, ny Kristianina. (Galatianina 2:15, 16) Nanazava i Paoly hoe efa tratra ny tanjon’ny lalàna, dia tsy voatery mankatò an’ilay izy intsony ny mpanompon’Andriamanitra.—Romanina 10:4; Galatianina 3:23-25.
Tsy ny fankatoavana ny Lalàn’i Mosesy no tian’i Paoly horesahina rehefa nampirisika ny Kristianina hanohy ‘hanao ny tsara’ foana izy. Te hampirisika azy ireo ‘hanatanteraka ny lalàn’i Kristy’ kosa izy, tafiditra amin’izany izay rehetra nampianarin’i Jesosy momba ny hoe manao soa amin’ny hafa.—Galatianina 6:2; Matio 7:12; Jaona 13:34.
Jereo ity video fohy mombamomba ny bokin’ny Galatianina ity.