Tena i Jesosy Tokoa ve no Mesia Raha Jerena ny Faminaniana Momba ny Mesia?
Valiny ara-baiboly
Eny. Be dia be ny faminaniana momba ny “Mesia Mpitarika”, ilay “Mpamonjy an’izao tontolo izao.” (Daniela 9:25; 1 Jaona 4:14) Tanteraka tamin’i Jesosy izy ireny, tamin’izy teto an-tany. Mbola nisy faminaniana maro momba ny Mesia tanteraka tamin’i Jesosy, na dia taorian’ny nahafatesany aza.—Salamo 110:1; Asan’ny Apostoly 2:34-36.
Inona no dikan’ny hoe “Mesia”?
Samy midika hoe “Voahosotra” ilay teny hebreo hoe Mashiah (Mesia) sy ilay teny grika mifanitsy aminy hoe Kristôs (Kristy). Midika hoe “Jesosy ilay Voahosotra” na “Jesosy ilay Mesia” àry ilay hoe “Jesosy Kristy.”
Matetika no nandrarahana menaka ny lohan’ny olona iray taloha rehefa notendrena ho amin’ny toerana ambony izy. (Levitikosy 8:12; 1 Samoela 16:13) Notendren’Andriamanitra ho Mesia i Jesosy. Tena toerana ambony izany. (Asan’ny Apostoly 2:36) Ny fanahy masina no nampiasain’Andriamanitra rehefa nanosotra an’i Jesosy, fa tsy menaka.—Matio 3:16.
Tanteraka tamin’olon-kafa koa ve ny faminaniana momba ny Mesia?
Tsia. Toy ny peta-tondro iray mampiavaka ny olona iray ny faminaniana momba ny Mesia. Tanteraka tamin’ny Mesia na Kristy iray ihany izy io. Mampitandrina anefa ny Baiboly hoe “hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka hanao famantarana lehibe sy fahagagana mba hamitahana hatramin’ny olom-boafidy aza, raha azony atao.”—Matio 24:24.
Mbola amin’ny hoavy ve vao hiseho ny Mesia?
Tsia. Efa nilaza mialoha ny Baiboly fa ho taranak’i Davida, mpanjakan’ny Israely, ny Mesia. (Salamo 89:3, 4) Tsy hita intsony anefa ny taratasy firaketan’ny Jiosy ny tetiarana nanomboka teo amin’i Davida rehefa noravan’ny Romanina i Jerosalema, tamin’ny taona 70. a Toa potika tamin’izay izy ireny. Tsy nisy afaka nanaporofo àry nanomboka tamin’izay hoe taranak’i Davida Mpanjaka izy sa tsia. Mbola teo anefa ireny firaketana ireny tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Tsy nisy nahavita nanohitra azy àry, na dia ny fahavalony aza, rehefa niteny izy hoe taranak’i Davida.—Matio 22:41-46.
Firy ny isan’ny faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Baiboly?
Tsy misy afaka milaza hoe firy marina ny isan’ny faminaniana momba ny Mesia. Tsy mitovy, ohatra, ny fomba fanisan’ny olona ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, na dia amin’ny andinin-teny miresaka mazava momba ny Mesia aza. Miresaka faminaniana maromaro momba ny Mesia ny Isaia 53:2-7. Mety hisy hieritreritra hoe faminaniana iray ihany ireo, fa ny hafa mety hieritreritra hoe faminaniana samy hafa ilay izy.
Faminaniana sasany tanteraka tamin’i Jesosy
Faminaniana |
Ao amin’ny |
Fahatanterahany |
---|---|---|
Taranak’i Abrahama |
||
Taranak’i Isaka zanak’i Abrahama |
||
Avy amin’ny fokon’i Joda |
||
Taranak’i Davida Mpanjaka |
||
Zanaky ny virjiny |
||
Teraka tao Betlehema |
||
Nantsoina hoe Imanoela b |
||
Olon-tsotra |
||
Nisy ankizikely novonoina taorian’ny nahaterahany |
||
Nantsoina niala tany Ejipta |
||
Nantsoina hoe Nazareanina c |
||
Nisy iraka nialoha lalana azy |
||
Voahosotra ho Mesia tamin’ny taona 29 d |
||
Neken’Andriamanitra hoe Zanany |
||
Nafana fo ho an’ny tranon’Andriamanitra |
||
Mpitory ny vaovao tsara |
||
Toy ny hazavana lehibe ny fanompoany tany Galilia |
||
Nanao fahagagana hoatran’i Mosesy |
||
Nilaza ny hevitr’Andriamanitra hoatran’i Mosesy |
||
Nanasitrana olona be dia be |
||
Tsy tia nisehoseho |
||
Nangoraka an’ireo nijaly |
||
Nampiharihary hoe manao ny rariny Andriamanitra |
||
Mpanolo-tsaina Mahagaga |
||
Nanambara ny anaran’i Jehovah |
||
Nampiasa fanoharana |
||
Mpitarika |
||
Be dia be no tsy nino azy |
||
Vato mahatafintohina |
||
Nolavin’ny olona |
||
Nankahalaina tsy amin’antony |
||
Niditra tamim-boninahitra tao Jerosalema |
||
Noderain’ny ankizy |
||
Tonga tamin’ny anaran’i Jehovah |
||
Namadika azy ny namany akaiky |
||
Farantsa volafotsy telopolo no namadihana azy e |
||
Nandao azy ny namany |
||
Nampangain’ny vavolombelona mandainga |
||
Tsy niteny rehefa nisy niampanga |
||
Nororan’ny olona |
||
Nokapohina ny lohany |
||
Nokaravasina |
||
Tsy namaly an’izay namely azy |
||
Nanao tetika hamonoana azy ny manam-pahefana |
||
Nofantsihana tamin’ny hazo ny tanany sy ny tongony |
||
Nataon’ny olona antsapaka ny akanjony |
||
Natao ho anisan’ny mpanota |
||
Notevatevaina sy nalam-baraka |
||
Nijaly ho an’ny mpanota |
||
Toy ny hoe nafoin’Andriamanitra |
||
Nomena vinaingitra sy zava-mangidy |
||
Nangetaheta taloha kelin’ny nahafatesany |
||
Napetrany tamin’Andriamanitra ny ainy |
||
Nanome ny ainy |
||
Nanome ny vidim-panavotana mba hanesorana ny ota |
||
Tsy notapahina ny taolany |
||
Nolefonina |
||
Nalevina tao amin’ny fasan’ny mpanankarena |
||
Natsangana tamin’ny maty |
||
Nosoloana ilay namadika azy |
||
Nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra |
a Hoy ny Rakipahalalana (anglisy) nataon’i McClintock sy Strong: “Azo inoana fa tamin’ny fotoana nandravana an’i Jerosalema no potika ireo taratasy nisy ny tantaram-pirazanan’ny Jiosy, fa tsy talohan’izay.”
b Mahalaza tsara an’ilay anjara asan’i Jesosy hoe Mesia ilay anarana amin’ny teny hebreo hoe Imanoela. Ny hoe Imanoela mantsy dia midika hoe “Momba Antsika Andriamanitra.” Voaporofo tamin’i Jesosy tetỳ an-tany sy tamin’ny asa nataony fa momba ny mpanompony na manampy azy ireo Andriamanitra.—Lioka 2:27-32; 7:12-16.
c Toa avy amin’ilay teny hebreo hoe netser, midika hoe “tsimoka”, ny hoe “Nazareanina.”
d Jereo ilay lahatsoratra hoe “Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela”, raha tianao ho fantatra amin’ny an-tsipiriany hoe nahoana ny Baiboly no milaza fa tamin’ny taona 29 ny Mesia no tonga.
e Ao amin’ny bokin’i Zakaria io faminaniana io. Nilaza anefa i Matio, mpanoratra Baiboly, hoe “nampilazaina an’i Jeremia mpaminany” ilay izy. (Matio 27:9) Misy fitambaram-boky atao hoe “ny Mpaminany” ao amin’ny Baiboly. (Lioka 24:44) Toa ny bokin’i Jeremia no voalohany ao amin’io fizarana io indraindray. Mety ho io fizarana io àry no nolazain’i Matio hoe “Jeremia”, ary tao anatiny ny bokin’i Zakaria.