Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ampio ny Zanakao mba Hanana Fikirizana

Ampio ny Zanakao mba Hanana Fikirizana

 Efa nisy fotoana ve ny zanakao niteny hoe: “Tsy vitako ity ka! Tsy ho haiko mihitsy ity fa sarotra loatra!”? Sarotra be taminy angamba ilay zavatra nataony tamin’izay, dia tonga izy dia tsy te hiezaka intsony. Marina aloha hoe mampalahelo anao ilay mijery azy sahirana manao zavatra sarotra aminy e! Tianao koa anefa raha mianatra miatrika zava-tsarotra izy. Dia ahoana àry no hataonao rehefa sendra an’izany? Tonga ve dia hampianao izy? Sa izy havelanao tsy hiezaka intsony? Ary maninona raha ampiana izy mba hanana fikirizana?

Inona no tsara ho fantatrao?

 Tena ilaina ilay hoe be fikirizana. Rehefa ampianarin’ny ray aman-dreny hiezaka mafy ny zanany mba hanana fahaizana, dia ho mora kokoa amin’ilay ankizy ny hahazo naoty tsara any am-pianarana. Ankoatra an’izay, dia mety ho falifaly kokoa izy sady ho salama kokoa. Hahay hifandray aman’olona kokoa ilay ankizy, dia ho mora kokoa aminy ny hahazo namana tsara. Raha ohatra indray anefa ka tsy avelan’ny ray aman-dreny hiatrika zava-tsarotra mihitsy ny zanany, na tsy avelany hiaina an’izany hoe resy na tsy mahomby izany, dia mety ho lasa kivy be ilay ankizy any aoriana. Mety hieritreritra koa izy hoe tsy mahay na inona na inona, ary mety tsy ho afa-po amin’ny fiainany mihitsy izy rehefa lasa olon-dehibe.

 Azo ampiana ny ankizy mba ho vao mainka be fikirizana. Na ny ankizikely aza afaka miezaka mba ho tapa-kevitra kokoa hamita zavatra sarotra na hamaha olana. Hitan’ny mpikaroka, ohatra, fa vao mainka hiezaka mafy hahavita zavatra anankiray sarotra aminy ny zazakely herintaona sy telo volana, raha ohatra izy ka efa nahita olon-dehibe niady mafy mba hahavita asa anankiray fa tsy hoe nahavita an’ilay asa nefa tsy niezaka akory.

 “Tadidiko tamin’izaho nampianatra ny zanako vavy hamatotra tadin-kiraro. Tsy vita iray andro ilay izy. Isaky ny hamatotra kiraro ry zareo dia nipetraka teo efa ho folo minitra na fahefak’adiny, dia niezaka nitadidy irery teo hoe ahoana moa ilay atao. Dia avy eo aho tsy maintsy nanampy an-dry zareo. Efa amam-bolana no hoatr’izay foana. Nisy fotoana aza nitomany mihitsy ry zareo, fa hain-dry zareo ihany anefa ilay izy tamin’ny farany. Nisy azoko natao ihany aloha mba hanamorana ny fiainako e! Azoko natao ny nividy kiraro tsisy tadiny ho an-dry zareo. Fa na isika ray aman-dreny aza mila manana fikirizana koa indraindray mba hampianarana ny zanatsika hanana fikirizana.”​—Colleen.

 Mety tsy ho be fikirizana intsony ny ankizy. Indraindray mety tsy ho fanahy inian’ny ray aman-dreny fa misy zavatra ataony mahatonga ny zanany tsy hikiry intsony. Tsy tian’ny ray aman-dreny sasany, ohatra, raha mieritreritra ny zanany hoe tsy misy ilana azy. Dia rehefa misy zavatra sarotra, dia tonga ry zareo dia manao zavatra hanampiana azy mba tsy hahatonga an’ilay zanany ho diso fanantenana be na hahatsapa hoe tsy nahomby. Mety hisy vokany ratsy anefa rehefa manao an’izany ny ray aman-dreny. Izao no nosoratan’ilay mpanoratra atao hoe Jessica Lahey: ‘Isaky ny manakana ny zanatsika tsy hanao zavatra sarotra isika, dia hoatran’ny miteny amin-dry zareo hoe tsy mahay na inona na inona izy sady tsy azo itokisana.’ a Dia inona no ho vokany? Mety ho tonga dia tsy hiezaka intsony ilay ankizy rehefa sendra zavatra sarotra any aoriana, satria mieritreritra izy hoe mila olon-dehibe hanampy azy.

Aza sakanana tsy hanao zavatra sarotra ny zanakao, fa ampianaro hanana fikirizana.

Inona no azonao atao?

 Ampirisiho hiasa mafy ny zanakao. Raha te hampianatra ny zanany hanana fikirizana ny ray aman-dreny, dia azony atao ny mampanao raharaha an-dry zareo mifanaraka amin’ny taonany. Ny zaza telo hatramin’ny dimy taona izao, ohatra, afaka manampy manavaka ny lamba avy nosasana na mampirina ny kilalaony. Ny ankizikely indray afaka manampy mampirina ny entana nentina avy any an-tsena, mandahatra ny vilia sy sotro eo ambony latabatra alohan’ny sakafo dia avy eo mangorom-bilia, manary fako, na manadiodio kely. Ny tanora indray azo ampanaovina raharaha sarotra kokoa, ohatra hoe manadio na mikojakoja na manamboatra zavatra simba. Mety tsy hazoto hanao raharaha foana aloha ny ankizy e! Mandray soa anefa ry zareo raha mbola kely dia efa ampandraisin’ny ray aman-dreniny anjara amin’ny raharaha ao an-trano. Ianaran-dry zareo mantsy amin’izay hoe ahoana izany miasa mafy izany, dia rehefa lehibe izy dia tsy ho mora kivy fa hanohy hanao an’izay zavatra tsy maintsy ataony na dia sarotra aza ilay izy.

 Torolalan’ny Baiboly: “Ahazoana tombony foana ny asa mafy rehetra.”​—Ohabolana 14:23.

 “Indraindray asain’ny ray aman-dreny sasany manao zavatra tsy dia misy dikany ny zanany, dia amin’izay, hono, izy mba variana eo. Aza mandany fotoana amin’izany anefa. Tsy misy olona tia an’izany mantsy, ary na ny ankizy kely aza tsy tia an’izany. Aleo zavatra ilaina no ampanaovina azy. Raha mbola kely, ohatra, ny zanakao, dia asaivo mamafa ny vovoka amin’izay fanaka takany izy. Rehefa manasa fiara ianao, dia asaivo sasàny izay faritra ambanimbany sarotra aminao ny manakatra azy. Dia avy eo aza misalasala mihitsy midera azy hoe niasa mafy izy nanao an’ilay izy.”​—Chris.

 Atoroy ny zanakao rehefa manao zavatra sarotra. Mora kivy ny ankizy indraindray rehefa manao zavatra satria tsy hainy ny manao an’ilay izy. Azonao atao àry izao, rehefa mampianatra ny zanakao hanao zavatra mbola tsy nataony mihitsy ianao: Voalohany, ataovy aloha ilay izy dia asaivo mijery eo ny zanakao. Iaraho manao aminy ilay izy avy eo. Asaivo ataony irery indray ilay izy, fa eo ihany ianao, dia manome soso-kevitra azy eny antenatenany eny. Farany, asaivo ataony irery hatramin’ny farany amin’izay ilay izy.

 Torolalan’ny Baiboly: “Modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo hoatran’ny nataoko taminareo koa.”​—Jaona 13:15.

 “Raha ny zavatra efa hitako aloha, dia tena mila manome modely isika ray aman-dreny raha te hanampy ny zanatsika hanana fikirizana. Rehefa misy toetra iray tiantsika hananan’ny zanatsika, dia isika mihitsy aloha no mila manana an’ilay toetra sy mampiseho an’ilay izy.”​—Doug.

 Ampio ny zanakao mba hanaiky hoe tsy misy olona mahay na mahavita ny zava-drehetra izany. Tantarao azy hoe inona ny zavatra efa nanahirana anao, dia inona ny soa noraisinao rehefa niezaka namita an’ilay izy ianao fa tsy mora kivy. Hazavao amin’ny zanakao fa ara-dalàna raha mahatsapa izy hoe sarotra ny zavatra anankiray raha izay izy vao hanao an’ilay izy. Ampio koa izy hahatakatra hoe na diso aza ny zavatra ataony dia hanampy azy hahay kokoa izany. Omeo toky izy hoe tianao foana, na vitany ilay izy na tsia. Tadidio fa arakaraka ny amelanao ny zanakao hanao zavatra sarotra no hahatonga azy ho be fikirizana kokoa, tsy misy hafa amin’ny hoe mihamitombo ny hozatra arakaraka ny ampiasana azy. Raha sendra zavatra sarotra àry ny zanakao, dia aza maika hanampy azy, fa avelao aloha izy hiezaka na dia sahirana be aza izy manao an’ilay izy. Hoy ilay boky hoe How Children Succeed: “Ny fomba tsara indrindra hahatonga ny tanora iray ho matotra sady ho mafy toto, dia ny miezaka manao zavatra anankiray na dia efa hita aza hoe mety tsy ho vitany ilay izy.”

 Torolalan’ny Baiboly: “Tsara ho an’ny olona ny mizaka ny mafy mandritra ny fahatanorany.”​—Fitomaniana 3:27.

 “Handray soa ny ankizy rehefa avelanao hiezaka foana aloha na dia sarotra aza ilay zavatra ataony, sady ataonao fantany ihany hoe eo i Dada sy Neny hanampy azy rehefa tena tsy tafavoakany ilay izy. Tsy ho sahirana intsony izy rehefa mandeha ny fotoana fa ho hainy tsara ilay izy. Tsy vitan’izay fa hatoky izy hoe tsy matiantoka mihitsy rehefa mikiry manao zavatra.”​—Jordan.

 Ny ezaka nataony deraina fa tsy ny fahaizany. Rehefa afa-panadinana, ohatra, ny zanakao, dia aza miteny hoe “Arahabaina fa afaka soa aman-tsara! Mahay be ianao!” Aleo miteny hoe: “Arahabaina fa afaka soa aman-tsara! Hitako hoe tena niezaka be ianao nianatra.” Nahoana no tena ilaina ilay hoe ny ezaka nataony no deraina fa tsy ny fahaizany? Nilaza ny Dr. Carol Dweck fa rehefa ny fahaizan’ny ankizy no deraina, dia “lasa tsy matoky tena izy raha vao misy zavatra sarotra na tsy mandeha tsara.” Izao koa no nohazavainy: “Ny zavatra mahasoa indrindra azon’ny ray aman-dreny atao ho an’ny zanany, dia ny mampianatra an-dry zareo ho tia manao zavatra sarotra, ho tia mianatra avy amin’ny fahadisoana nataony, ho tia miezaka mafy, hikarokaroka hevitra vaovao mba hamitana zavatra iray, ary hiana-javatra foana. Amin’izay ilay ankizy tsy lasa hoe te hoderaina dia izay no mahatonga azy hanao zavatra.” b

 Torolalan’ny Baiboly: “Natao hitsapana ny olona ny teny fiderana azy.”​—Ohabolana 27:21.

a Avy ao amin’ilay boky hoe The Gift of Failure.

b Avy ao amin’ilay boky hoe Mindset.