MANONTANY NY TANORA
Inona no Azoko Atao mba Tsy Hieritreretako Zavatra Mahakivy?
Hoatran’ny ahoana no fahitanao ny tenanao?
Tsy mijery afa-tsy ny lafy tsaran-javatra
“Miezaka aho mba ho faly foana sady tsy ho mora tezitra. Aleoko mitsikitsiky foana isan’andro.”—Valerie.
Mahita hokianina foana
“Tsy mety manaiky mihitsy ny saiko rehefa misy zavatra tsara mitranga. Mieritreritra foana aho hoe tsy maintsy misy zavatra tsy mety amin’ilay izy.”—Rebecca.
Mijery ny tena zava-misy
“Raha tsy mijery afa-tsy ny lafy tsaran-javatra aho, dia ho diso fanantenana rehefa misy zavatra tsy mety. Raha, ohatra, indray aho mahita hokianina foana, dia tsy hahafinaritra mihitsy ny fiainako. Aleoko mijery ny tena zava-misy.”—Anna.
Nahoana no zava-dehibe ny hoe tsy mieritreritra zavatra mahakivy?
Milaza ny Baiboly hoe: “Ny olona manana fo falifaly ... toa manao fety foana.” (Ohabolana 15:15) Falifaly kokoa àry ny olona iray, rehefa tsy mieritreritra zavatra mahakivy fa mijery lafy tsaran-javatra. Mora mahazo namana koa izy. Iza marina moa no te hiaraka amin’ny olona tsy mba falifaly mihitsy?
Na miezaka ny ho falifaly foana aza anefa ianao, dia tsy maintsy hisy zavatra mahakivy ihany eo amin’ny fiainanao. Ireto misy ohatra vitsivitsy:
Mety haheno vaovao ratsy be dia be ianao, ohatra hoe momba ny ady, fampihorohoroana, na heloka bevava.
Mety hisy olana ao amin’ny fianakavianao.
Azo antoka hoe miady amin’ny fahalemenao ianao.
Mety ho nanao zavatra nampalahelo anao ny namanao.
Aza odiana tsy hita ny olana hoatran’ireo. Tsy mety koa anefa ny mifantoka be amin’izany. Miezaha kosa handanjalanja. Raha mijery ny tena zava-misy ianao, dia tsy ho kivy be na dia manana olana aza.
Inona no azonao atao?
Tadidio hoe mety hanao fahadisoana ianao.
Hoy ny Baiboly: “Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.” (Mpitoriteny 7:20) Manao fahadisoana daholo isika satria olombelona ihany. Raha nisy tsy nety àry ny zavatra nataonao, dia aza mieritreritra hoe tsy misy dikany ianao.
Izao atao: Mandraisa lesona avy amin’ny fahadisoanao, nefa aza mieritreritra hoe hety be foana ny zavatra hataonao. Hoy ny tovolahy iray atao hoe Caleb: “Miezaka tsy hifantoka amin’ny fahadisoana nataoko aho. Aleoko miana-javatra avy amin’ilay izy, amin’izay aho afaka manitsy an’izay tsy mety.”
Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa.
Hoy ny Baiboly: “Aoka isika tsy hirehareha ka hampisy fifaninanana sy fifampialonana.” (Galatianina 5:26) Mety hoe imbetsaka ny namanao no nanao fety, dia tsy mba nasainy ianao. Halahelo ianao raha variana mijery ny sarin-dry zareo ao amin’ny tambazotran-tserasera. Na ny namanao akaiky aza mety ho lasa tsy tianao maizina.
Izao atao: Tadidio hoe tsy voatery ho voasa amin’ny fety rehetra ianao. Tsy ny zava-drehetra mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona koa no asehony ao amin’ny tambazotran-tserasera. Hoy ny tovolahy iray atao hoe Alexis: “Izay zavatra miavaka eo amin’ny fiainany no asehon’ny olona ao amin’ny tambazotran-tserasera. Tsy avoakany ao kosa izay zavatra tsy dia mahaliana.”
Miezaha hifandray tsara amin’ny hafa, indrindra amin’ny fianakavianao.
Hoy ny Baiboly: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.” (Romanina 12:18) Tsy afaka manery ny hafa hiova ianao. Afaka mifidy an’izay hataonao kosa anefa ianao. Miezaha àry hifandray tsara amin’ny hafa.
Izao atao: Miezaha hihavana tsara amin’ny fianakavianao, fa aza manampy trotraka rehefa mitranga ny olana. Mety ho mora aminao ny mihavana amin’ny namanao. Tsy tokony hanao hoatr’izany koa ve ianao amin’ny fianakavianao? Hoy i Melinda: “Tsy lavorary daholo isika, dia mety hanao zavatra mampalahelo ny hafa indraindray. Raha isika no iharan’ilay izy, dia mila misafidy isika hoe hanao izay hampisy fihavanana sa tsia.”
Miezaha hahay hankasitraka.
Hoy ny Baiboly: “Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.” (Kolosianina 3:15) Nahoana izany no ilaina? Hahavita hifantoka amin’izay zavatra tsara eo amin’ny fiainanao ianao, fa tsy amin’izay zavatra heverinao hoe ratsy.
Izao atao: Aza odiana tsy hita ny olana mahazo anao. Aza hadinoina koa anefa hoe misy zavatra tsara ihany eo amin’ny fiainanao. Hoy i Rebecca: “Isan’andro aho manoratra ao amin’ny diariko, dia soratako ao ny zavatra iray nahafaly ahy. Tiako hotadidina mantsy hoe manana zavatra tsara be dia be azoko saintsainina aho.”
Fidio tsara ny namanao.
Hoy ny Baiboly: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Ahoana, ohatra, raha mifanerasera be amin’ny olona zatra manakiana na mora kivy ianao? Mety hisy vokany aminao izany.
Izao atao: Mety hisy fotoana ho kivy ny namanao, satria miatrika zava-tsarotra. Ampio izy rehefa hoatr’izany. Mitandrema anefa sao ny olana mahazo azy indray no hahatonga anao ho kivy. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Michelle: “Tandremo sao olona be fanakianana daholo no ataonao namana.”
Mamakia lahatsoratra afaka manampy anao
Milaza ny Baiboly hoe miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. (2 Timoty 3:1) Be dia be ny olana tsy maintsy atrehintsika amin’izao. Sarotra aminao àry ve ny mijery lafy tsaran-javatra? Afaka manampy anao ilay lahatsoratra hoe: “Nahoana Isika no Mijaly?”