Hijery ny anatiny

24 NOVAMBRA 2016
ALEMAINA

Fahatsiarovana An’ireo Gadra Nafahana Tany Brandebourg: Ny Vavolombelon’i Jehovah no Tena Voaresaka

Fahatsiarovana An’ireo Gadra Nafahana Tany Brandebourg: Ny Vavolombelon’i Jehovah no Tena Voaresaka

SELTERS, Alemaina—Tamin’ny 24 Aprily 2016 ny fankalazana ny faha-71 taonan’ny nanafahana an’ireo gadra tao amin’ny Fonja Brandenburg-Görden. Ny Vavolombelon’i Jehovah no tena voaresaka tamin’izay.

Daniela Trochowski, Sekreteram-panjakana ao Amin’ny Ministeran’ny Fitantanam-bola ao Brandebourg, mikabary mandritra ilay fankalazana.

Natao teo amin’ny tokotanin’ny Fonja Brandenburg an der Havel (eo amin’ny sary ambony), 90 kilaometatra eo hoe eo any andrefan’i Berlin, ilay fankalazana. Ny fikambanana iray ao Brandebourg atao hoe Stiftung Brandenburgische Gedenkstätten no nandamina an’ilay izy, ary olona 200 mahery no nasaina. Anisan’ny nasaina i Daniela Trochowski, Sekreteram-panjakana ao Amin’ny Ministeran’ny Fitantanam-bola ao Brandebourg. Nikabary izy, ary nilaza hoe: “Novonoina ho faty tato ny Vavolombelon’i Jehovah ... satria tsy nety nanao an’ilay fiarahabana hoe ‘Heil Hitler.’ Tsy mifanaraka amin’ny zavatra inoany mantsy izany. Novonoina koa ry zareo satria tsy nety nidikiditra tamin’ny raharaham-panjakana na antoko politika, ary tsy nety nanao miaramila.”

Sigurd Speidel, anisan’ny Vavolombelona novonoin’ny Nazia tao amin’ny Fonja Brandenburg-Görden.

I Adolf Hitler no mpitondra nandritra ny fitondrana nazia, ary nilaza izy hoe tokony haripaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy 2000 teo ho eo ny olona novonoina ho faty tao amin’ny Fonja Brandenburg-Görden (anaran’ilay fonja nandritra ny fitondrana nazia), teo anelanelan’ny taona 1940 sy 1945. Ny 127 tamin’ireo no Vavolombelona, ary ry zareo no betsaka indrindra tamin’ireo antokon’olona novonoina.

Nanatrika an’ilay fankalazana koa i Jochen Feßenbecker, solontenan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina. Nanadinadina an’i Werner Speidel Atoa Feßenbecker tamin’izay. Nitantara Atoa Speidel hoe anisan’ny Vavolombelona novonoina tao amin’ilay fonja i Sigurd zokiny lahy. Vao 19 taona i Sigurd tamin’izay. Nomelohin’ny fitsarana miaramila ho faty izy, ary notapahin-doha tamin’ny 27 Janoary 1943, tsy ampy telo volana akory taorian’ilay fitsarana. Novakin’Atoa Feßenbecker ny taratasy fanaovam-beloma nosoratan’i Sigurd ora vitsivitsy talohan’ny namonoana azy. Noresahin’Atoa Speidel avy eo hoe nanao ahoana ny fianakaviany rehefa namaky an’ilay taratasy. Hoy izy: “Tsy hoe lasa natahotra be izahay rehefa avy namaky an’ilay izy, fa vao mainka aza nirehareha satria tsy nivadika mihitsy i Sigurd na dia efa ho faty aza.”

Taratasy fanaovam-beloma nosoratan’i Sigurd Speidel ho an’ny fianakaviany. Izao no vakin’io ampahany mazavazava io: “Tsy nivadika mihitsy aho na inona na inona natao tamiko, fa nijoro tsara hoatran’ny manda.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, 1-718-560-5000

Alemaina: Wolfram Slupina, 49-6483-41-3110