Hijery ny anatiny

1 JOLAY 2021
BOLIVIA

Nivoaka Tamin’ny Teny Aymara ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Teny Aymara ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka tamin’ny teny aymara Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny endrika elektronika, tamin’ny 27 Jona 2021. Nalaina video mialoha ilay fandaharana mba hojeren’ny fiangonana sy antoko-mpitory rehetra tany Bolivia. Ny Rahalahy Nelvo Cavalieri, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Bolivia, no namoaka an’ilay Baiboly.

Mombamomba An’ilay Tetikasa

  • Efa 1 600 000 mahery ny olona miteny aymara. Any amin’ny Farihy Titicaca, any amin’ny Tendrombohitra Andes, ny ankamaroan’izy ireo no mipetraka

  • Misy fiteny ofisialy 36 any Bolivia, dia ny teny aymara no fiteny faharoa be mpampiasa indrindra any

  • Mpitory 2 000 eo ho eo no manompo any amin’ny fiangonana 60 mahery miteny aymara any Arzantina, Bolivia, Brezila, Peroa, ary Silia

  • Ekipa mpandika teny 6 no namita an’ilay tetikasa nandritra ny 4 taona

Nilaza ny iray tamin’ilay mpandika teny hoe: “Fanomezana ngezabe nomen’i Jehovah ho an’ny olona miteny aymara ity Baiboly ity. Dia izao ry zareo afaka mamaky Baiboly amin’ny fiteny fampiasany sy hainy tsara. Lasa hoatran’ny hoe miresaka mivantana aminy mihitsy i Jehovah.”

Nilaza ny Rahalahy Mauricio Handal, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Bolivia hoe: “Taorianan’ny namoahana an’ilay Soratra Grika Kristianina tamin’ny teny aymara, tamin’ny 2017, dia naharay fisaorana be dia be izahay satria tena nanohina be ny fon’ny olona ilay fandikan-teny. Dia izao indray izahay nahazo Baiboly manontolo amin’ny fandikan-teny tsotra sady mazava. Mino izahay hoe tena hanampy ny mpamaky hahazo tsara ny Baiboly izy ity, dia indrindra koa hanampy azy ireo ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay nampanoratra azy ity.”

Matoky isika fa mitovy amin’ny fihetseham-pon’ny mpanao salamo koa ny mpiara-manompo amintsika miteny aymara, izay nilaza hoe: “Tsy andriko izay hamonjenao ahy, satria ny teninao no antenaiko.”​—Salamo 119:81.