13 MEY 2024
BREZILA
Oram-be Niteraka Tondra-drano Mbola Tsy Nisy Hoatr’izany Tany Amin’ny Faritra Atsimon’i Brezila
Nisy oram-be nivatravatra tany amin’ny faritr’i Rio Grande do Sul, any amin’ny faritra atsimon’i Brezila tamin’ny 28 Aprily 2024. Naharitra ela ilay rotsakorana dia nahatonga tondra-drano be. Be dia be ny lalana sy tetezana simba ary ny faritra lasa tsy nanana herinaratra, dia lasa be dia be ny olona tsy afaka nifindra toerana. Iray hetsy sy roa tapitrisa mahery no tra-boina. Olona 147, fara fahakeliny, no fantatra hoe maty vokatr’ilay izy, dia olona 125 mahery mbola karohina.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mampalahelo fa nisy rahalahy iray sy anabavy iray maty. Mpivady zokiolona ry zareo
Rahalahy sy anabavy 1 544 no nafindra toerana
Nisy trano 2 simba
Trano 155 no simba be
Trano 483 no simba kely
Efitrano Fanjakana 3 no simba be
Efitrano Fanjakana 10 no simba kely
Fanampiana tra-boina
Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) natsangana mba hiandraikitra ny fanampiana tra-boina. Nankany amin’ireo toerana niharan’ilay loza ny KVRV mba hampahery sy hanome izay ilain’ny mpiara-manompo
Mitsidika sy mampahery an’ireo fianakaviana tra-boina ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra ny faritra, sady manome an’izay fanampiana ilain’izy ireo
Mampiantrano an’ireo rahalahy sy anabavy tra-boina ny mpiara-manompo sasany any amin’ny toerana tsy niharan’ilay loza
Na dia mbola misy tondra-drano sy zavatra simba aza any Brezila, dia mivavaka ho an’ireo mpiara-manompo any isika mba ho ‘fiarovana mafy ho azy ireo amin’izao fotoam-pahoriana izao’ i Jehovah.—Salamo 37:39.