Hijery ny anatiny

Be dia be ny zavatra simba noho ilay horohoron-tany tany Indonezia

23 NOVAMBRA 2022
INDONEZIA

Horohoron-tany Nandravarava An’i Indonezia

Horohoron-tany Nandravarava An’i Indonezia

Nisy horohoron-tany mahery vaika nirefy 5,6 amin’ny maridrefy Richter tany Cianjur, any Java Andrefana, any Indonezia, tamin’ny 21 Novambra 2022. Olona 260 mahery no maty, ary an-jatony no naratra. Be dia be koa no tsy hita popòka, ary an’arivony no tsy maintsy nifindra trano. Sarotra ny nifampita resaka satria tapaka ny elektrisite.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy maty ny rahalahy sy anabavintsika, ary eo daholo ny mpitory 132 rehetra, any amin’ny faritra tra-boina

  • 5 ny trano nisy simba kely

  • Tsy nisy simba ny Efitrano Fanjakana na ny Efitrano Fivoriambe

Fanampiana tra-boina

  • Nisy fandaharana natao. Lasa nisy mpitory notendrena hanampy ny be taona raha sanatria ka mbola misy horohoron-tany hafa

  • Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky notendrena hanampy ny fiangonana

  • Nitsidika ny fiangonana tratran’ilay loza koa ny mpiandraikitra ny faritra mba hampionona sy hampahery an-dry zareo amin’ny alalan’ny Baiboly

  • Natao nanaraka tsara ny fepetra hiarovana amin’ny COVID-19 ny fanampiana rehetra

Matoky isika fa hampionona an’ireo rahalahintsika ireo ao anatin’ny sarotra i Jehovah.​—Salamo 50:15.