Hijery ny anatiny

14 JANOARY 2020
INDONEZIA

Tondra-drano Be Tany Jakarta

Tondra-drano Be Tany Jakarta

Nisy rotsakorana efa ho 38 santimetatra tany Jakarta, any Indonezia, tamin’ny 31 Desambra 2019. Trano 100 eo ho eo an’ny mpiara-manompo no feno rano ary nahatratra 1,5 metatra izany tany amin’ny trano sasany.

Tsy nisy mpiara-manompo maty na naratra saingy maromaro amin’izy ireo no tsy maintsy niala vetivety tamin’ny tranony. Tsy afaka niala tamin’ny tranony kosa ny mpitory sasany. Nisy simba kely koa ny trano sasany natao fivoriana. Mikarakara ny fanampiana ny anti-panahy ka manome izay ilain’ny tra-boina, ohatra hoe sakafo sy rano. Mitsidika ny rahalahy sy anabavy tratran’iny loza iny koa ny mpiandraikitra ny faritra ary mampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly. Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky roa natsangana ary mijery hoe inona koa ny fanampiana ilaina.

Mbola manompo an’i Jehovah foana ny rahalahy sy anabavy, na dia tsy maintsy mandalo faritra tondraky ny rano aza ny fianakaviana sasany mba hanatrehana ny fivoriana andavanandro. Hoy ny Rahalahy Daniel Purnomo, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Indonezia: “Ity no tondra-drano nanimba zavatra indrindra teto Jakarta tato anatin’ny taona vitsivitsy. Tsy mahakivy ny mpiara-manompo amintsika anefa izany fa vao mainka aza mifankatia sy mifanampy ry zareo.”

Efa tsy andrintsika ny hahatongavan’ny fotoana tsy hisian’ny loza araka ny natiora intsony.—Marka 4:39.