Hijery ny anatiny

2 OKTOBRA 2018
INDONEZIA

Indonezia: Horohoron-tany sy Tsunami Nandravarava Tany Sulawesi

Indonezia: Horohoron-tany sy Tsunami Nandravarava Tany Sulawesi

Nisy horohoron-tany nahatratra 7,5 amin’ny maridrefy Richter namely ny nosin’i Sulewasi, any Indonezia, tamin’ny zoma 28 Septambra, ary nisy tsunami koa taorian’izay. Olona 1300 mahery no maty ary tany amin’ny tanànan’i Palu, any Sulawesi Afovoany, ny ankamaroany.

Milaza ny biraon’ny sampan’i Indonezia, any Jakarta, fa efa nokarakaraina daholo ireo mpitory 80 mipetraka any amin’ilay faritra nisy loza. Nisy mpitory vitsivitsy naratra mafy ka tsy maintsy nampidirina hopitaly. Rava ny tranon’ny rahalahy iray ary trano maromaro hafa an’ny Vavolombelona no simba be. Simba koa ilay tranobe misy efitra ivorian’ny Fiangonana Palu.

Miara-miasa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny fiangonana manodidina ary ny Biraon’ny Vonjy Rano Vaky ao amin’ny biraon’ny sampana mba handamina ny fanampiana. Nanendry fiangonana telo ny sampana mba hanampy an’ireo rahalahy any Palu satria tsy ampy intsony ny sakafo sy ny rano ary ny zavatra hafa tena ilain’izy ireo. Mikarakara an’izay ilain’ny mpitory eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pihetseham-po ary ara-batana ireo anti-panahy eo an-toerana. Hitsidika an’ireo mpitory tra-boina koa ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana, ny mpiandraikitra ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana, ary ny mpiandraikitra ny faritra mba hampahery azy ireo.

Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Indonezia isika satria fantatsika fa ho ‘fialofana sy hery’ ho azy ireo i Jehovah mandritra an’izao fotoan-tsarotra izao.—Salamo 46:1.