Hijery ny anatiny

20 SEPTAMBRA 2021
MEKSIKA

Namely an’i Meksika ny Tondra-drano sy ny Horohoron-tany

Namely an’i Meksika ny Tondra-drano sy ny Horohoron-tany

Nisy oram-be tany Meksika afovoany tamin’ny 6 Septambra 2021, ka faritra maro no tratran’ny tondran-drano. Ny ampitson’io, dia namely an’i Guerrero, any amin’ny faritra atsimon’i Meksika, sy ny faritra maro hafa any afovoan’i Meksika ny horohoron-tany mirefy 7,1 amin’ny maridrefy Richter.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tondra-drano

    • Mpiara-manompo 61 no nafindra toerana

    • Efitrano Fanjakana 2 no nisy simba kely

    • Trano 68 no nisy simba kely

  • Horohoron-tany

    • Mpiara-manompo 71 no nafindra toerana

    • Mpiara-manompo 12 no naratra

    • Efitrano Fanjakana 42 no nisy simba kely

    • Trano 220 no nisy simba kely

    • Trano 76 no simba be

    • Trano 7 no rava

Fanampiana tra-boina

  • Tondra-drano

    • Mipetraka any amin’ny havany ireo rahalahy sy anabavy nafindra toerana

    • Nanome fonosana 104 misy sakafo ho an’ireo tra-boina ny fiangonana eo an-toerana

  • Horohoron-tany

    • Mipetraka any amin’ny havany na any amin’ny mpiara-manompo ireo nafindra toerana

    • Notsaboina haingana ireo naratra ary efa tsy atahorana ny fahasalamany

Rehefa nitranga ireo loza ireo, dia betsaka tamin’ny mpiara-manompo no efa nanana kitapo misy ny zavatra tena ilaina. Tonga àry izy ireo dia nanaraka ny toromariky ny manam-pahefana teo an-toerana. Nanara-maso tsara ny zava-nitranga ny mpiandraikitra ny faritra sy ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky, ary nampahery an’ireo fianakaviana tra-boina. Nanaraka ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 izy ireo rehefa nanao an’izany.

Miantehitra tanteraka amin’i Jehovah sy ny fandaminany ireo rahalahy sy anabavintsika amin’izao fotoan-tsarotra izao. Matoky isika hoe hiaro sy hikarakara azy ireo foana i Jehovah.​—Isaia 26:3.