Hijery ny anatiny

1 APRILY 2020
ROSIA

Melohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy Igor Ivashin, Sazy Mihantona Enin-taona

Melohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy Igor Ivashin, Sazy Mihantona Enin-taona

Melohin’ny Fitsaram-paritr’i Lensky, any amin’ny Repoblikan’i Sakha, ny Rahalahy Igor Ivashin ny 1 Aprily 2020, noho ny finoany. Nomeny sazy mihantona enin-taona izy. Marina fa afaka nody izy taorian’ny nivoahan’ilay didim-pitsarana. Raha ampangaina ho mandika an’ilay lalàna momba ny heloka bevava, mifandray amin’ny finoany sy ny fivavahany, anefa izy mandritra an’io fotoana anaraha-maso azy io, dia mety hogadraina avy hatrany. Hampakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony izy.