Hijery ny anatiny

Dennis Christensen tsenain’ny dadany sy ny anabaviny any amin’ny seranam-piaramanidin’i Copenhague-Kastrup, tamin’ny 25 Mey 2022

25 MEY 2022
ROSIA

Nafahana i Dennis Christensen ary Nasaina Niala An’i Rosia

Nafahana i Dennis Christensen ary Nasaina Niala An’i Rosia

Irina Christensen miandry an’i Dennis hivoaka ny Fonja faha-3 any Lgov, any Rosia, tamin’ny 24 Mey 2022

Tonga soa aman-tsara tany Danemark i Dennis Christensen, tamin’ny 25 Mey 2022. Nafahana avy tao amin’ny fonja iray any Rosia izy ny omalin’io, dia nasaina niala an’i Rosia avy hatrany. Raha atambatra dia dimy taona izy no notanana tany amin’ny toeram-pigadrana isan-karazany.

Izao no nolazain’i Dennis: “Faly be aho hoe nafahana avy tao am-ponja, dia tafaraka indray amin’i Irina malalako.” Hoy koa izy: “Tena fanomezana avy amin’i Jehovah ny fanohanana sy ny fampaherezana avy amin’ireo rahalahy sy anabavy eran-tany. Mbola mivavaka foana ho an’ireo rahalahy sy anabaviko be herim-po izay enjehina sy migadra noho ny finoany aho.”

Dennis sy Irina, eo amin’ny seranam-piaramanidin’i Moscou-Domodedovo

Manampy an’i Dennis sy Irina mba hanana finoana matanjaka ny namany sy ny fianakaviany, sady manome izay ilain-dry zareo koa. Izao no nolazain’izy mivady: “Tsy andrinay ny hanompo an’i Jehovah amin-kalalahana miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavinay any Danemark.”

Nosamborin’ny polisy rosianina nitam-basy sady nisaron-tava i Dennis dia notanana am-ponja vonjimaika, tamin’ny 25 Mey 2017. Nanao bemidina tao amin’ny fivorian’ny fiangonana natrehiny tany Oriol ny polisy tamin’izay. Nomelohin’ny fitsarana izy tatỳ aoriana hoe nitarika ny asan’ny fikambanana ara-pivavahana iray lazaina fa mampidi-doza. Vao iray volana talohan’io koa anefa io fikambanana io no voararan’ny Fitsarana Tampon’i Rosia.

Imbetsaka ny manam-pahefana rosianina no nilaza fa ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no voakasik’ilay fandrarana navoaka tamin’ny 2017. Milaza izy ireo fa tsy mandrara ny Vavolombelon’i Jehovah isam-batan’olona hanaraka ny fivavahany izany fandrarana izany. Tsy nitsahatra nisambotra sy nanagadra Vavolombelon’i Jehovah maro manerana an’i Rosia sy Crimée anefa ny manam-pahefana, taorian’ny nisamborana an’i Dennis.

Dennis sy Irina, eo amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Istanbul, miandry ny fotoana hiaingany ho any Danemark. Misy rahalahy roa avy ao Torkia miara-miandry amin’izy mivady

Rahalahy sy anabavy 91 amin’izao no mbola any am-ponja. Mivavaka isika mba hanohana an’ireo mpiara-manompo tsy mivadika ireo foana i Jehovah, ary mba hitondra azy ireo amin’ny ‘fomba miavaka’ izy.​—Salamo 4:3.