20 JOLAY 2022
UKRAINE
Nanampy ny Hafa Izy Ireo na dia Sahirana Aza
Efa ho 47 000 ny Vavolombelon’i Jehovah nafindra toerana satria misy an’ilay ady any Ukraine. Betsaka no nitsoaka tany amin’ny toerana azo antoka kokoa tao amin’ilay firenena ihany. Dia ny mpiara-manompo nandray an-dry zareo no nanome azy akanjo, sakafo, trano, ary ny zavatra hafa nilainy. Sahirana ara-bola koa ny mpiara-manompo nandray azy ireo, kanefa vonona ny hanao an’izay azony natao mba hanampiana ny rahalahiny. Tena tia mandray vahiny ry zareo.
Nampiantrano mpitory 300 i Olha sy ny vadiny tsy Vavolombelona any Uman, any Ukraine, nandritra ny roa volana voalohany nisian’ilay ady. Nisy tamin’ireo rahalahy nifindra ireo no nijanona natory tao amin-dry zareo indray alina fotsiny, dia avy eo lasa nanohy ny diany ny ampitson’iny. Matetika no efa amin’ny alina be i Olha vao misy miteny hoe misy olona tamy any, ho avy ao an-tranony. Ilay olona ho avy anefa amin’io tsy hoe mbola lavitra fa efa higadona eo am-baravarany. Nisy fotoana, ohatra, efa 22 ny mpiara-manompo niara-nivahiny tao amin’i Olha. Ireny fotoana ireny no nanampy an’i Stanislav, zanakalahin’i Olha 18 taona, ho lasa malala-tanana koa. Indraindray matory amin’ny tany izy, amin’izay afaka matory ao amin’ny efitra fatoriany ny mpiara-manompo nafindra toerana.
Nilaza i Olha hoe: “Faly aho satria afaka nanampy ny mpanompon’i Jehovah nandritra an’ireny fotoan-tsarotra ireny. Tena faly be mihitsy aho.”
I Andriy sy Liudmyla mivady indray nampiantrano Vavolombelona 200 tao anatin’ny dimy herinandro. Nisy fotoana ry zareo nampiantrano olona 18 tamin’ny fotoana iray. Nilaza i Andriy hoe: “Nanaraka ny toromariky ny biraon’ny sampana izahay, dia nanao vatsy betsabetsaka. Nataonay sakafon’ny rahalahy nafindra toerana ilay izy nandritra ny herinandro sy tapany. Mametraka karta kely sy vola izay rahalahy nampiantranoinay, dia ireny vola ireny indray avy eo no hividiananay sakafo izay hitanay mba homena ho an’ny vahiny manaraka. Nanome sakafo koa ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky, dia nanana an’izay nilainay foana izahay.”
Nifindra tany amin’ny rahavaviny i Vita any Ivano-Frankivsk tamin’ny Martsa teo, amin’izay mba afaka mampiasa ny tranony izay Vavolombelona nafindra toerana. Nilaza i Vita hoe: “Tsy manao sorona no fahitako an’ilay izy fa maneho fitiavana fotsiny. Tena faly be aho hoe afaka manao an’izany ho an’ny mpiara-manompo nafindra toerana. Fianakaviana iray ihany tsinona isika rehetra.”
Mipetraka any Ternopil i Natalia sy ny vadiny ary Habriela, zanak’izy ireo vavy. Samy very asa ry zareo nandritra an’ilay ady, dia tsy maintsy ny vola nangonin-dry zareo no nampiasainy mba hahazoana an’izay nilainy. Na izany aza dia mbola nampiantrano anabavy iray sy ny zanany kilemaina ihany ry zareo.
Nilaza i Natalia hoe: “Tadidiko ny zavatra nataon’ilay rahavavy tany Afrika. Zara raha nanam-bola izy nefa mbola nampiantrano mpiara-manompo 14 ihany nandritra ny fivoriambe. Samy nahazo izay nilainy daholo ry zareo.” Nilaza i Natalia hoe lasa izay hahasoa ny hafa foana izao no tadiaviny izay vao ny azy.
Na dia miatrika zava-tsarotra aza ny rahalahy sy anabavintsika any Ukraine, dia mbola matoky an’i Jehovah ry zareo sady ‘miezaka ho tia mandray vahiny.’—Romanina 12:13.