Hijery ny anatiny

Niana-javatra avy Amin’ny Mpiara-migadra Taminy

Niana-javatra avy Amin’ny Mpiara-migadra Taminy

 Nisy mpitsoa-ponenana iray avy any Érythrée nankany Norvezy tamin’ny 2011. Rehefa niresaka tamin’io lehilahy io ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nilaza izy hoe efa nahita Vavolombelona tany Érythrée. Nitantara izy hoe tamin’izy tao amin’ny tafika dia nahita Vavolombelon’i Jehovah nogadraina noho ny finoany. Noterena hanao miaramila izy ireo tao am-ponja, nefa tsy nanaiky mihitsy na dia rehefa nampijalina aza.

 Nisy zava-nitranga tampoka anefa dia nigadra koa io lehilahy io. Tafaraka tamin’i Paulos Eyasu sy Negede Teklemariam ary Isaac Mogos izy tany am-pigadrana. Vavolombelon’i Jehovah izy telo lahy ireo ary efa tamin’ny 1994 izy ireo no nigadra noho ny finoany.

 Hitany hoe tena mampihatra ny zavatra ampianariny ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsapany hoe manao ny marina izy ireo ary mizara ny sakafony amin’ny gadra hafa mihitsy aza. Hitany koa hoe miara-mianatra Baiboly isan’andro ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo ary manasa olon-kafa hiaraka hianatra aminy koa. Tsy nanaiky izy ireo rehefa nilazana hoe hafahana raha manao sonia taratasy milaza fa tsy hanompo an’i Jehovah intsony.

 Tsy hadinon’io lehilahy io mihitsy ny zavatra hitany ka rehefa tonga tany Norvezy izy, dia te hahafantatra hoe nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no manana finoana matanjaka hoatr’izany. Rehefa nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah àry izy, tonga dia nianatra Baiboly sy nanatrika fivoriana niaraka tamin’izy ireo.

 Natao batisa izy tamin’ny Septambra 2018 ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Miezaka mafy izy izao miresaka amin’ny olona avy any Érythrée sy Soudan ary mampirisika azy ireo hianatra Baiboly mba hananany finoana matanjaka koa.