Hijery ny anatiny

Tatitra Momba ny Fivoriana Fanao Isan-taona

‘Sakafo Amin’ny Fotoana Mety’

Tatitra Momba ny Fivoriana Fanao Isan-taona

Mpanatrika an’arivony no nihaino ny tatitra mampahery sy ny famakafakana ny Matio 24:45-47, tamin’ny fivoriana faha-128 nataon’ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

Efa ho 5 000 no nanatrika an’ilay fandaharana tao amin’ny Efitrano Fivoriambe an’ny Vavolombelon’i Jehovah any New Jersey, Etazonia, tamin’ny 6 Oktobra 2012. Nanaraka an’ilay izy mivantana tamin’ny alalan’ny video koa ny mpijery 10 000 mahery tany Brooklyn, Patterson, ary Wallkill, any New York sy tany amin’ny biraon’ny sampan’i Kanada.

I Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpanolotra ny fandaharana tamin’ilay fivoriana. Niresaka momba an’ireo fivoriana fanao isan-taona izay tena nampahery sy nanan-tantara izy. Efa fantatry ny mpanatrika hoe hampahery ilay fandaharana amin’ity taona ity, fa tsy fantatr’izy ireo raha hanan-tantara koa ilay izy na tsia.

Nijery video roa mampiseho ny asantsika maneran-tany, avy eo, ny mpanatrika.

Fanorenana Efitrano Fanjakana:

Nasehon’ilay video fa mandeha tsara ny fanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra. Efitrano Fanjakana 25 402 no vitan’ny Ekipa Mpanorina Efitrano Fanjakana, any amin’ireny tany ireny tato anatin’ny 13 taona, izany hoe 5 mahery isan’andro. Fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny Vavolombelona maneran-tany no anaovana an’ireny Efitrano Fanjakana ireny. Rehefa misy koa ny loza voajanahary, dia mailaka hanampy an’ireo tra-boina mba hanamboatra na hanorina trano sy Efitrano Fanjakana ireo ekipa mahay ireo.

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana:

Nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana maromaro ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2012, ary nisy solontena avy any amin’ny tany samihafa nanatrika azy ireny. Inona no tsy mampitovy an’ireny fivoriambe ireny amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena teo aloha?

Nohazavaina tamin’ilay video hoe ny biraon’ny sampana fa tsy ny mpandraharahan’ny fanaovana dia lavitra no nikarakara ny fampiantranoana, ny fitaterana teo an-toerana, ary ny sakafo antoandro ho an’ireo solontena, nandritra ny herinandron’ilay fivoriambe. Vahiny 1 500 teo ho eo avy any an-tany hafa no nanatrika ny fivoriambe tsirairay.

Nanam-potoana hifankahalalana tsara ireo solontena avy any an-tany hafa sy ireo Vavolombelona eo an-toerana rehefa nanatrika an’ilay fivoriambe, nitsangantsangana, niaraka nisakafo, ary nitory tamin’ny tompon-tany. Hoy ilay video: “Voaporofo tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana natao hatramin’izao fa ny fitiavan-drahalahy foana no fatorana mampiray tonga lafatra.”

Faly erỳ ny mpanatrika nahafantatra fa manomboka izao dia hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona ny fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana, ary hatao any amin’ny tanàn-dehibe samihafa.

Ireto koa no nisongadina tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona:

Fanadinadinana:

Nitantara ny fomba nampiofanan’i Jehovah azy ireo mba hahavitany ny asa isan-karazany nanendrena azy ny rahalahy telo anisan’ny Komitin’ny Sampana, miaraka amin’ny vadiny avy. Nanompo manontolo andro nandritra ny 342 taona izy ireo raha atambatra.

Anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Alemaina i Richard Kelsey. Nilaza izy hoe nampianatra azy “hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah foana” ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Vadiny. Ray be fitiavana mitady izay hahasoa antsika i Jehovah. Hoy ny Rahalahy Kelsey: “Tiany hiaina mandrakizay isika ary karakarainy amin’ny fomba rehetra.” Nampianatra an’ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana mba hanahaka an’i Jehovah ilay sekoly.

Nasaina hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada i Linda Johansson tamin’ny 1958. Vao roa taona sy tapany no nahavitan’ny batisany tamin’izay, sady vao herintaona nanambadiana izy. Hoy ny Anabavy Johansson: “Olona matotra be sy za-draharaha be no niray kilasy tamiko. Hozy aho hoe. . . ‘tsy mendrika ny ho ato mihitsy aho.’”

Nikiry anefa ny Anabavy Johansson, ary voatendry ho misionera tany Malawi izy mivady taorian’ny fizarana diplaoma. Nisy minisitra iray nampianariny Baiboly, taorian’ilay fanenjehana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah tany. Nanohitra ny asan’ny Vavolombelona io minisitra io taloha. Efa Vavolombelona vita batisa izao ny vadiny sy ny zanany lahy iray ary ny zanany vavy iray.

Fitoriana Amin’ny Besinimaro:

Niezaka nitory teny amin’ny toerana be olona any an-tanàn-dehibe ny mpivady roa nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina sy ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, ary nitantara ny zavatra hitany.

Mankeny amin’ny toerana be olona ny Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro ary mampiseho boky sy gazety ara-baiboly maro eo amin’ny latabatra sy tabilao azo akisaka. Afaka maka boky sy gazety eny ny mpandalo, na mametraka fanontaniana ara-baiboly, na mangataka hianatra Baiboly.

Manandrana an’io fomba fitory io koa ny Vavolombelona any amin’ny toerana hafa ao New York, sy any Chicago ary Los Angeles. Tao anatin’ny herintaona monja, dia olona 2 700 no nangataka hianatra Baiboly maimaim-poana, rehefa nanatona an’ireny toerana ireny.

Ankizy Mihira:

Nitomany ny ankamaroan’ny mpanatrika rehefa nihaino an’ireo ankizy 17 nanao an’ilay hira hoe “Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa”, ao amin’ny fihirana Mihirà ho An’i Jehovah. (Hira faha-120)

Nisy lahateny enina nifampitohy, avy eo, nataon’ny Rahalahy Jackson, Lösch, Pierce, Herd, Lett, ary Splane, izay samy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Namakafaka ny hevitry ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:45-47 izy ireo. Hoy i Jesosy ao:

“Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety? Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany! Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hiandraikitra ny fananany rehetra izy.”

Namaly an’ireto fanontaniana ireto ilay lahateny mifampitohy:

Oviana i Jesosy no Nanendry An’ilay “Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina” Hikarakara An’ireo Mpanompo ao An-tranony?

Diniho ny zavatra hafa nolazain’i Jesosy ao amin’io Matio toko faha-24 io. Mandritra ny fanatrehan’i Kristy daholo, izany hoe mandritra “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, no miseho ny zavatra voalazan’ireo andininy eto ambany.—Andininy 3.

  • Ilay “fahoriana amin’izany andro izany.”​—Andininy 29.

  • “Ity taranaka ity.”​—Andininy 34.

  • Izany “andro sy ora izany.”​—Andininy 36.

  • “Ny andro hiavian’ny Tomponareo.”​—Andininy 42.

  • “Amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.”​—Andininy 44.

Tsy maintsy ho taorian’ny nanombohan’ny fanatrehan’i Kristy tamin’ny 1914 àry no niseho ilay “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.”

Nasehon’i Jesosy koa hoe hiseho io “mpanompo” io rehefa hipetraka ilay fanontaniana hoe: “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina?” Nahazo fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy masina ny apostolin’i Jesosy, ka tsy nisy antony nametrahana an’io fanontaniana io tamin’ny taonjato voalohany. (1 Korintianina 14:12, 24, 25) Tsy ny apostoly sy ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany ilay “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” nolazain’i Jesosy, na dia voahosotry ny fanahy masina aza izy ireo.

Ara-dalàna àry raha manatsoaka hevitra isika hoe nanendry ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” hikarakara ny “mpanompo ao an-tranony” i Jesosy nandritra ny fanatrehany, izany hoe nandritra ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”

“Iza Tokoa moa Ilay Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina?”

Tsy olona iray akory no tian’i Jesosy holazaina amin’ilay hoe “mpanompo” fa antokon’olona miara-miasa. Nilaza i Jesosy fa ilay mpanompo dia 1) tendrena hanara-maso ‘an’ireo mpanompo ao an-tranon’ny tompony’ sy 2) manome “sakafo [ara-panahy] azy ireo amin’ny fotoana mety.”

Nisy Kristianina voahosotra vitsivitsy foana tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1919. Manara-maso ny asa fitoriana maneran-tany izy ireo ary mandray anjara mivantana amin’ny fikarakarana sy fizarana sakafo ara-panahy. Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah no ahafantarana azy ireo tato anatin’ny taona faramparany.

Asehon’ny porofo àry fa tamin’ny 1919 ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” no voatendry hikarakara ny mpanompon’i Jesosy. Io “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” io ilay antokona rahalahy voahosotra vitsivitsy manompo ao amin’ny foibe mandritra ny fanatrehan’i Kristy, ary mandray anjara mivantana amin’ny fikarakarana sy fizarana sakafo ara-panahy. Rehefa miara-miasa amin’ny maha Filan-kevi-pitantanana izy ireo dia manao ny asan’ilay “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.”

Iza Ireo ‘Mpanompo ao An-trano’?

Nilaza i Jesosy fa hahazo ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ ny “mpanompo ao an-tranony.” Mahazo sakafo avy amin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izay rehetra tena manara-dia an’i Jesosy. Ny mpianatr’i Kristy rehetra àry no “mpanompo ao an-tranony”, izany hoe ny Kristianina voahosotra tsirairay sy ireo anisan’ny “ondry hafa.”—Jaona 10:16.

Nirefodrefotra elaela ny tehaka rehefa avy nanazava an’io lafiny iray amin’ny faminanian’i Jesosy io ilay mpandahateny. Maro no nilaza ny fankasitrahany satria mihevitra azy ireo ho anisan’ny “mpanompo ao an-tranony” i Jesosy.

Oviana i Jesosy no Nanendry An’ilay Mpanompo mba “Hiandraikitra ny Fananany Rehetra”?

Nilaza i Jesosy hoe rehefa ‘tonga ny tompo’, dia hotendreny “hiandraikitra ny fananany rehetra” ilay mpanompo. Mila fantarina àry ny fotoana hahatongavan’ilay Tompo, izany hoe i Jesosy.

Avy amin’ilay teny grika hoe erkômai ilay teny nadika hoe “tonga.” Adika hoe ‘hiaviana’ io teny grika io ao amin’ny Matio 24:42, 44. Resahin’i Jesosy ao amin’ireo andininy ireo fa ho avy amin’ny maha Mpitsara izy amin’ny fahoriana lehibe.—Matio 24:30; 25:31, 32.

Mbola amin’ny hoavy koa àry i Jesosy vao hanendry an’ilay “mpanompo” mba hiandraikitra ny “fananany.” Hataony mandritra ny fahoriana lehibe izany.

Inona avy ny ‘Fananan’i’ Jesosy?

Hoy i Jesosy: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Matio 28:18) Tsy ny etỳ an-tany ihany àry no ‘fananan’i’ Jesosy fa ny Fanjakan’ny Mesia koa.—Filipianina 2:9-11.

Hamaly soa an’ilay “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” àry i Jesosy ka hanangana an’ireo anisan’izy io mba hiaina any an-danitra. Homeny fahefana hanjaka eo amin’ny fananan’i Kristy rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany izy ireo. Mitovy amin’ny valisoa ampanantenaina amin’ny Kristianina voahosotra tsy mivadika rehetra izany.—Lioka 22:28-30; Apokalypsy 20:6.

Nisy fampandrenesana manokana tamin’ilay lahateny fahenina amin’ilay lahateny mifampitohy. Hoy ny Rahalahy Splane, rehefa avy namaky ny toky nomen’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:20: “Manana antony hafa hananana fatokisana isika. Hita ao amin’ny andinin-teny ho an’ny taona 2013 izany. Tsy inona io andinin-teny io fa ny Josoa 1:9: ‘Mahereza sy matanjaha. ... Momba anao i Jehovah Andriamanitrao.’”

Nanazava ny momba ny amin’ny herintaona ny Rahalahy Morris teo am-pamaranana. Hoy izy: “Hatao amin’ny 5 Oktobra 2013 ny fivoriana fanao isan-taona amin’ny herintaona. Halefa mivantana any amin’ny Efitrano Fivoriambe sasany eto Etazonia sy any amin’ny tany hafa mampiasa ny teny anglisy ny fandaharana.”

Amin’ny teny anglisy ihany no hanaovana an’io fandaharana io fa tsy hadika ho amin’ny teny hafa.

Niredona an’ilay hira hoe “Mihamazava ny Lalantsika” (Hira faha-116), ao amin’ny Mihirà ho An’i Jehovah, ny mpanatrika taorian’iny fandaharana mampahery sy manan-tantara iny. Misy an’izao ny tonon’io hira io:

“Dia nisy mpanompo nasaina hanome

Sakafo tena ara-potoana.

Nitombo sy nazava ny marina,

Rehefa nandeha ny fotoana.”