Hijery ny anatiny

Fizarana Diplaoman’ny Kilasy Faha-137 Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Fizarana Diplaoman’ny Kilasy Faha-137 Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Natao tany amin’ny foibem-pampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Patterson ny fizarana diplaoman’ny kilasy faha-137 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, tamin’ny 13 Septambra 2014. Mampiofana mpitory Vavolombelon’i Jehovah efa za-draharaha io sekoly io. Amin’izay izy ireo hampandroso kokoa ny fiangonana sy ny biraon’ny sampana mety hanendrena azy ireo. Olona 12333 no nanaraka an’ilay fandaharana, ka nisy ny nanatrika mivantana tany Patterson ary nisy ny nanaraka tamin’ny alalan’ny video tany Etazonia, Jamaika, Kanada, ary Porto Rico.

I Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nanolotra ny fandaharana. Nasongadiny hoe ambony lavitra noho ny fihevitsika ny fihevitr’i Jehovah. (Isaia 55:8, 9) Nilaza izy fa “vao ampahany kely” fotsiny amin’ny hevitr’Andriamanitra no tafiditra ao an-tsain’ireo mpianatra, nandritra ny dimy volana nianaran’izy ireo. (Joba 26:14) Nilaza koa ny Rahalahy Herd fa mandray soa foana isika isaky ny miresaka momba ny hevitr’Andriamanitra, ary hoatran’izany mihitsy amin’ity fizarana diplaoma ity.

“Ny Vokatry ny Fanahy dia ... Fahari-po.” (Galatianina 5:22) I John Larson, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia, no nanao an’io lahateny io. Nanasongadina fomba roa hanehoana an’io vokatry ny fanahin’Andriamanitra io izy. Voalohany, tokony hahari-po na hanam-paharetana amin’i Jehovah isika, rehefa mampiofana sy manampy antsika hiorina tsara amin’ny finoana izy. (1 Petera 5:10) Ohatra tsara i Abrahama, satria nanam-paharetana izy rehefa nampiofana azy sy nanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah.—Hebreo 6:15.

Faharoa, tokony hahari-po na hanam-paharetana amin’ny tenantsika isika. Mety hanantena zavatra be loatra amin’ny tenany ny mpianatra rehefa avy nahazo fampiofanana tamin’ilay sekoly. Raha mahita olana izy ireo rehefa tonga any amin’ny toerana hanendrena azy, dia mety hieritreritra hoe: “Fa inona àry ny mahazo ahy?” Nitantara ny zavatra niainany ny Rahalahy Larson, ary nanome toky fa ho vitan’ireo mpianatra ny hiatrika olana raha manam-paharetana amin’ny tenany sy mazoto foana izy ireo. (Hebreo 6:11, 12) Hahavita ny fampiofanana azy ireo i Jehovah amin’izay.

“Aoka Ianao Hanetry Tena Foana dia Hiaina Mandrakizay.” I Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao an’io lahateny io ary niorina tamin’ny Salamo 22:26 ilay izy. Azo adika ara-bakiteny hoe “ho velona mandrakizay anie ny fonareo” ny tapany farany amin’io andininy io. Tsy maintsy manetry tena isika, raha te hahazo an’io fitahiana io. Nasongadin’ny Rahalahy Morris fa tsy ho afaka hampiasa antsika intsony i Jehovah raha tsy manetry tena isika. Samy mety hanadino isika hoe tena zava-dehibe ny manahaka an’i Jesosy Kristy, na dia efa ela aza isika no Kristianina.—2 Petera 1:9.

Misy ohatra momba ny olona nanetry tena sy tsy nanetry tena ao amin’ny Baiboly. Tsy nanda i Heroda Agripa rehefa nandoka azy ny olona, ka nanome azy ny voninahitra tokony ho an’Andriamanitra irery ihany. Namely azy àry ny anjelin’i Jehovah, ary “lanin’ny kankana izy.” (Asan’ny Apostoly 12:21-23) Tsy toy izany kosa i Petera. Niteny mafy azy i Jesosy satria ‘tsy ny hevitr’Andriamanitra no noeritreretiny, fa ny an’ny olombelona.’ (Matio 16:21-23) Tsy nidongy anefa izy na tezitra. Nanaiky nanarina izy, ka lasa modely amin’ny fanetren-tena.—1 Petera 5:5.

Hanompo any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny sasany amin’ireo mpianatra. Nampitandrina azy ireo ny Rahalahy Morris fa tsy hahita fifaliana amin’ny asany izy ireo, raha tsy manetry tena. Mety tsy hahatsapa anefa ny olona iray hoe tsy manetry tena izy. Nilaza, ohatra, ny Rahalahy Morris fa nisy anti-panahy iray nomena torohevitra satria tsy nanetry tena. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana izy avy eo hoe: “Izaho mbola tsy nahita olona manetry tena hoatr’ahy.” Nampirisika an’ireo mpianatra ny Rahalahy Morris mba tsy hanana toe-tsaina toy izany. Hanetry tena foana izy ireo raha tsy mihevitra ny tenany hoe manana fahefana be, fa hitadidy hoe i Jehovah sy Jesosy Kristy ihany no tena manana fahefana.

“Tsy mba Kahihitra Izy Rehefa Manome ny Fanahiny.” (Jaona 3:34) I Michael Burnett, anisan’ny mpampianatra amin’ilay sekoly, no namelabelatra azy io. Nampahatsiahy an’ireo mpianatra izy fa hanampy azy ireo ny fanahy masina, rehefa manana olana izy ireo na tsy matoky tena amin’ny asa hanendrena azy. Nampian’ny fanahy masina, ohatra, i Bezalila ka afaka nanamboatra ny tranolay masina, na dia asa sarotra aza izany. (Eksodosy 35:30-35) Tsy hoe nitombo fotsiny ny fahaizany nanao asa tanana, fa lasa nahay nampianatra ny hafa koa izy. Hanampy an’ireo mpianatra koa ny fanahy masina, indrindra raha mampihatra ny zavatra nianarany nandritra an’ilay sekoly izy ireo.

Nandray anjara tamin’ny fanorenana ny tranolay ny vehivavy israelita, tamin’ny andron’i Bezalila. (Eksodosy 35:25, 26) Hita koa hoe ‘vehivavy manan-talenta’ ireo anabavy, anisan’ilay kilasy, rehefa manohana ny vadiny. Nampirisika an’ireo mpianatra toy izao ny Rahalahy Burnett, teo am-pamaranana: “Na mahay be aza ianao, dia miezaha foana hanetry tena sy ho zatra mankatò. Hofenoin’i Jehovah ny fanahiny ianao raha manao an’izany.”

“Hiara-handihy Amiko ve Ianareo?” I Mark Noumair, mpanampy ny Komitin’ny Fampianarana, no nanao azy io. Noresahiny ny zavatra nataon’i Davida Mpanjaka rehefa nentina tao Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena. (2 Samoela 6:12-14) Nanetry tena izy, ka nandihy niaraka tamin’ireo “mpanompovavin’ny mpanompony.” (2 Samoela 6:20-22) Tsy hohadinoin’ireo mpanompovavy ireo mihitsy io andro niarahan’i Davida Mpanjaka nandihy tamin’izy ireo io. Nampirisika an’ireo mpianatra ‘hiara-handihy amin’ireo mpanompovavy’ avy eo ny Rahalahy Noumair. Nanontaniany izy ireo hoe: “Halaza ho tia manampy an’ireo tsy dia manana andraikitra na tsy manana andraikitra mihitsy ve ianao? ... Hihevitra ny hafa ho sarobidy ve ianao noho ny toetra kristianina ananany?”

Hanahaka an’i Jehovah ireo mpianatra raha mampiseho fitiavana tsy mivadika toy izany foana. (Salamo 113:6, 7) Marina fa tsy manetry tena ny olona sasany. Tsy tokony havelan’ireo mpianatra hisy vokany eo aminy anefa izany tsy fahalavorarian’ny hafa izany. Nampirisika azy ireo ny Rahalahy Noumair mba tsy hampisongadina ny tenany. Nilaza izy avy eo hoe: “Ataovy hoatran’ny fomba hitondran’i Jehovah ny ondriny ny fomba hitondranareo azy ireny.”

“Hararaoty Isaky ny Afaka Mitory Ianao.” Mpiandraikitra ny sampan-draharahan’ireo sekoly ara-baiboly any Patterson i William Samuelson. Noresahiny fa nanararaotra nitory ny vaovao tsara ny apostoly Paoly isaky ny afaka nanao izany. (Asan’ny Apostoly 17:17) Nasainy naverin’ireo mpianatra nolalaovina an-tsehatra ny zavatra nahafinaritra hitan’izy ireo teny amin’ny fanompoana. Nisy mpivady, ohatra, niantsena hividy sakafo, ary nitory tamin’ilay vehivavy mpivarotra. Nasehon’izy ireo azy ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?, rehefa tsy dia nisy mpividy. Nampirisihin’izy ireo koa ilay vehivavy mba hijery ny jw.org, satria hahita fanazavana amin’ny fiteniny izy ao, izany hoe amin’ny fiteny laosianina. Afaka niverina tany amin’ilay vehivavy izy mivady, ary nanohy an’ilay resaka.

“Aoka Ianareo ho Vonona Foana Hanao Izay Fanompoana Hanendrena Anareo.” Nanadinadina mpianatra efatra i William Nonkes, izay miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana any amin’ny sampan’i Etazonia. Efa nanana an’ilay toe-tsaina ao amin’ny Isaia 6:8 izy ireo, ka nanaiky hanao an’izay fanompoana nanendrena azy. Nanampy azy ireo hanao an’izany bebe kokoa anefa ilay sekoly. Nanazava ny Ranabavy Snolia Maseko hoe hitany tamin’ilay sekoly fa nisy zavatra mbola azony hatsaraina. Mbola afaka mampiasa tsara ny fotoanany, ohatra, izy na dia efa avy nanao zavatra ara-panahy tontolo andro aza. Hoy izy: “Nahavita zavatra betsaka lavitra noho ny noeritreretiko aho nandritra an’ilay fiofanana.” Nianaran’ny Rahalahy Dennis Nielsen hoe nahoana ny Zefania 3:17 no afaka manampy azy tsy ho kivy rehefa manompo. Hoy izy: “Na tsy dia mahita vokatra aza aho eny amin’ny fanompoana, dia tokony hotadidiko hoe faly i Jehovah mahita hoe tia azy aho. Dia izaho koa tokony ho hoatran’izany.”

“Jereo Tsara ny Voro-manidina.” (Matio 6:26) Nanao an’io lahateny fototra io i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nilaza izy fa misy lesona be dia be azontsika ianarana avy amin’ny vorona, rehefa jerena ilay tenin’i Jesosy hoe tokony handinika tsara ny vorona isika.—Joba 12:7.

Omen’i Jehovah sakafo, ohatra, ny vorona. Azo antoka koa fa hikarakara antsika izy. Anisan’ny “ankohonan’Andriamanitra” isika, ary manome toky antsika izy fa ‘hanome izay ilain’ny olona tokony ho adidiny.’ (1 Timoty 3:15; 5:8) Mila manao ny anjarantsika anefa isika. Tsy maintsy mitady sakafo ny vorona. Tsy maintsy mikatsaka an’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany foana koa isika, raha te hotahin’i Jehovah.—Matio 6:33.

Nanazava ny Rahalahy Lett fa betsaka ny vorona mamoaka feo fampitandremana rehefa misy loza mananontanona. Mampitandrina ny hafa koa isika rehefa ilaina izany, ohatra hoe rehefa misy rahalahy “manao fahadisoana nefa tsy fantany akory.” (Galatianina 6:1) Rehefa mitory isika, dia mampitandrina ny olona hoe efa tena akaiky ny “andron’i Jehovah.” (Zefania 1:14) Nanazava koa ny Rahalahy Lett fa afaka manidina eny ambonin’ny tendrombohitra avo be ny vorona mpifindra monina. Afaka mandresy vato misakana lehibe koa isika, rehefa ampian’i Jehovah.—Matio 17:20.

Famaranana. Rehefa avy nozaraina ny diplaoman’ny mpianatra, dia nisy solontenan’izy ireo namaky taratasy fisaorana. Teo am-pamaranana, dia nilaza ny Rahalahy Herd fa toy ny mametaka fantsika amin’ny hazo mitsivalana amin’ny lalamby ny mandentika ny hevitr’i Jehovah ao am-pontsika. Mila kapohina imbetsaka amin’ny marotoa ilay fantsika raha tiana hilentika tsara. Tokony hisaintsaina foana an’ireo zavatra nianarany tamin’ilay sekoly koa ireo mpianatra. Hoy ny Rahalahy Herd: “Makà fotoana handentehana tsara azy ireny any am-ponareo lalina any.” Hoy koa izy: “Araho ny hevitr’Andriamanitra, dia handray soa avy aminareo ny hafa.”