MIAMBENA FOANA!
2023: Taona Feno Adin-tsaina: Inona no Lazain’ny Baiboly?
Betsaka ny zava-nitranga eran-tany tamin’ny 2023, ary porofo tsy azo lavina izy ireny fa miaina amin’ilay lazain’ny Baiboly hoe “andro farany” isika. (2 Timoty 3:1) Mariho hoe mifanaraka amin’izay efa nolazain’ny Baiboly mialoha ny zavatra iainantsika amin’izao.
Ny Baiboly sy ny zava-misy eran-tany
‘Ady sy filazana hoe misy ady any an-toeran-kafa.’—Matio 24:6.
“Mihabetsaka ny ady any amin’ny faritra maro eran-tany.” a
Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza no mba Hanavotra ny Sivily?” sy ilay hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fandaniana Vola Be Amin’ny Tafika Eran-tany?”
“Horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa.”—Marka 13:8.
“Hatramin’ny fiandohan’ny 2023, dia nisy horohoron-tany 13 mirefy maherin’ny 7 amin’ny maridrefy Richter naneran-tany, ary io no anisan’ny antontan’isa betsaka indrindra hatramin’izay.” b
Jereo ilay lahatsoratra hoe “Horohoron-tany Nandravarava Be Tany Torkia sy Syria.”
“Zavatra mampahatahotra ho hitan’ny olona.”—Lioka 21:11.
“Efa tsy mihamafana intsony izao ny tany fa efa mihamangotraka mihitsy.”—António Guterres, sekretera jeneralin’ny ONU. c
Jereo ilay lahatsoratra hoe “Miakatra Be Mbola Tsy Nisy Hoatr’izany ny Mari-pana Eran-tany Mandritra ny Tapatapaky ny Taona 2023.”
“Mosary.”—Matio 24:7.
“2023: Taona iray hafa tena mampitebiteby ho an’ireo miady mafy amin’ny famelomana ny fianakaviany.” d
Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mampitombo ny Mosary Eran-tany ny Ady sy ny Fiovan’ny Toetrandro.”
“Fotoan-tsarotra tsy mora atrehina.”—2 Timoty 3:1.
“Olona iray ao anatin’ny valo maneran-tany no tratran’ny aretin-tsaina.” e
Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mihabetsaka ny Tanora Voan’ny Aretin-tsaina.”
Inona no ampoizintsika hitranga amin’ny 2024?
Tsy misy olona mahalala an’izay tena hitranga amin’ny 2024. Hita avy amin’ny zava-misy maneran-tany anefa hoe tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe ilay fitondram-panjakana any an-danitra, dia hisolo ny fitondram-panjakan’olombelona ary hanala ny zavatra rehetra mahatonga ny olona hijaly sy hiady saina.—Daniela 2:44; Apokalypsy 21:4.
Mandra-pahatongan’izay anefa, dia afaka mitady fanampiana avy amin’Andriamanitra isika rehefa miady saina. Hoy ny Baiboly:
“Rehefa matahotra aho, dia miantehitra aminao.”—Salamo 56:3.
Ahoana no ampisehoantsika hoe miantehitra amin’Andriamanitra isika? Manasa anao izahay mba hianatra bebe kokoa momba an’ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe tsy hisy intsony ny fijaliana amin’ny hoavy. Andramo ilay fianarana Baiboly maimaim-poana ataonay, dia ho hitanao hoe ahoana no hahafahanao sy ny fianakavianao mandray soa avy amin’ny fampanantenan’ny Baiboly.
a Foreign Affairs, “Tontolo Iray Feno Ady: Nahoana no Lasa Be dia Be ny Ady Eran-tany?” nosoratan’i Emma Beals sy Peter Salisbury, 30 Oktobra 2023.
b Earthquake News, “Taona 2023: Betsaka Noho ny Hatramin’izay ny Horohoron-tany Mahery Vaika”, Mey 2023.
c Firenena Mikambana, “Teny Fampidirana Nataon’ny Sekretera Jeneraly Tamin’ny Valandresaka ho An’ny Mpanao Gazety Momba ny Toetrandro”, 27 Jolay 2023.
d Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo Eran-tany, “Krizy Ara-tsakafo Maneran-tany.”
e Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, “Andro Iraisam-pirenena Momba ny Aretin-tsaina 2023”, 10 Oktobra 2023.