Mpandika Teny Roa Namerina ny Anaran’Andriamanitra tao Amin’ny Testamenta Vaovao
Anisan’ny vavaka voalohany hain’ny ankamaroan’ny olona tsianjery ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Ao amin’ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Vaovao no misy an’io vavaka io. Izao no fiantombohany: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Zara raha misy an’ilay anaran’Andriamanitra nadika amin’ny teny anglisy hoe “Jehovah”, na indraindray hoe “Yahweh”, anefa ao amin’ny Testamenta Vaovao voadika amin’ny teny anglisy. Mahagaga fa tsy nesorina tao amin’ireny fandikan-teny ireny ny anaran’ny andriamani-diso, hoatran’ny hoe Zeosy sy Hermesy ary Artemisy. Tsy tokony ho nataony tao koa ve izany ny anaran’ilay tena Andriamanitra sady nampanoratra ny Baiboly?—Asan’ny Apostoly 14:12; 19:35; 2 Timoty 3:16.
Nino i Lancelot Shadwell sy Frederick Parker, samy mpandika Baiboly amin’ny teny anglisy, fa tokony haverina ao amin’ny toerana tokony ho nisy azy, ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny anaran’Andriamanitra. Fa maninona isika no miteny hoe “haverina”? Fantatr’izy ireo mantsy fa efa tao ny anaran’Andriamanitra tamin’ny voalohany, fa nesorina ilay izy tatỳ aoriana. Nahoana ry zareo no nieritreritra an’izany?
Mbola misy ny sora-tanana misy an’ilay antsoina hoe Testamenta Taloha, ary teny hebreo no tena nanoratana azy. Fantatr’i Shadwell sy Parker fa misy ny anaran’Andriamanitra ao amin’ireny sora-tanana ireny, ary miverina an’arivony ao ilay anarana. Dia gaga ry zareo hoe fa maninona no nesorina tao amin’ny sora-tanana misy ny Testamenta Vaovao ny anaran’Andriamanitra feno. a Hitan’i Shadwell koa fa rehefa nampiasa fomba fiteny nalaina avy any amin’ny Testamenta Taloha ny sora-tanana misy ny Testamenta Vaovao, dia novan’ny mpanao dika soratra ny anaran’Andriamanitra. Novan-dry zareo, ohatra, ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny hoe “anjelin’i Jehovah”, dia nataony hoe Kyriôs, midika hoe “Tompo.”—2 Mpanjaka 1:3, 15; Asan’ny Apostoly 12:23.
Efa nisy mpandika Baiboly tamin’ny teny anglisy namerina ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Vaovao talohan’ny namoahan’i Shadwell sy Parker ny fandikan-teniny. Ny sasantsasany ihany anefa no naveriny, b fa ny ankamaroany tsy nataony tao. Tamin’ny 1863 i Parker no namoaka an’ilay hoe A Literal Translation of the New Testament (Fandikan-teny Ara-bakitenin’ny Testamenta Vaovao). Efa nisy mpandika Baiboly tamin’ny teny anglisy anefa talohan’izay, saingy tsy nisy namerina ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny toerana be dia be tokony hisy azy tao amin’ny Testamenta Vaovao ry zareo. Ary inona no fantatsika momba an’i Lancelot Shadwell sy Frederick Parker?
Lancelot Shadwell
Mpisolovava i Lancelot Shadwell (1808-1861), ary zanak’i Atoa Lancelot Shadwell, Chancelier lefitra tany Angletera, izy. Mpikambana tao amin’ny Eglizin’i Angletera i Lancelot Shadwell zanany. Nino ny Trinite izy, kanefa nanaja ny anaran’Andriamanitra. Nilaza izy hoe “ilay anarana be voninahitra hoe JEHOVAH.” Nandika an’ilay hoe The Gospels of Matthew, and of Mark (Ny Filazantsaran’i Matio, sy ny An’i Marka), ohatra, izy dia nampiasa hoe “Jehovah” im-28 teny amin’ny toko sy andininy, fa im-465 teny amin’ny fanamarihana miaraka amin’ilay toko sy andininy.
Mety ho tao amin’ny Testamenta Taloha tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany no nahafantaran’i Shadwell ny anaran’Andriamanitra. Nilaza izy fa “mpandika vilana” izay nanolo ny anaran’Andriamanitra tamin’ny hoe Kyriôs tao amin’ny Testamenta Taloha amin’ny soratra grika.
Ao amin’ny Matio 1:20 i Shadwell no nampiasa voalohany ny hoe “Jehovah.” Izao no voalaza ao amin’ny fanamarihana nataony momba an’io andinin-teny io: “JEHOVAH, ilay tena anaran’Andriamanitra, no dikan’ilay teny hoe [Kyriôs] eto amin’ity sy any amin’ny andininy maro hafa ato amin’ny Testamenta Vaovao: Tena zava-dehibe ny hamerenana an’io teny io amin’ny fandikan-teny anglisy.” Hoy koa izy: “Mila manao an’izany isika mba hanomezana voninahitra an’Andriamanitra. Izy mihitsy mantsy no niteny hoe JEHOVAH no anarany: Dia tsy maintsy mampiasa an’io anarana io koa isika rehefa miresaka momba azy.” Dia hoy izy avy eo momba ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy): “Zara raha misy an’ilay anarana hoe JEHOVAH ao . . . Tsy ilay tena anaran’Andriamanitra no natao tao fa hoe Ny Tompo.” Dia hoy i Shadwell: “Anaram-boninahitra tena tsy mendrika” hanoloana ny anaran’Andriamanitra “ilay hoe Ny Tompo. . .” Na izy aza mantsy, hono, antsoin’ny olona hoe “Tompo” any an-tranony, na any an-tanindrazany.
“[Andriamanitra] no niteny hoe JEHOVAH no anarany: Dia tsy maintsy mampiasa an’io anarana io koa isika rehefa miresaka momba azy.”—Lancelot Shadwell
Tamin’ny 1859 i Shadwell no namoaka ny bokin’i Matio nadikany, dia tamin’ny 1861 izy no namoaka ny bokin’i Matio sy Marka mitambatra. Nifarana teo anefa ny asany. Maty mantsy izy tamin’ny 11 Janoary 1861, tamin’izy 52 taona. Tsy very maina anefa ny ezaka nataony.
Frederick Parker
Lasa fantatr’ilay mpandraharaha mpanankarena tany Londres atao hoe Frederick Parker (1804-1888) ny fandikan-tenin’i Matio nadikan’i Shadwell. Nanomboka nandika ny Testamenta Vaovao i Parker tamin’izy 20 taona teo ho eo. Tsy nino ny Trinite anefa i Parker. Izay no tsy nampitovy azy tamin’i Shadwell. Hoy i Parker: “[Enga anie] ny fiangonan’ny Zanaka malalan’[Andriamanitra] . . . mba ho tena tia ny fahamarinana . . . ka hanompo an’i Jehovah, ilay hany Mahery indrindra.” Hitan’i Parker koa hoe lasa tsy hita intsony ny maha samihafa an’Andriamanitra Tompo sy Jesosy Tompo, ao amin’ireny sora-tanana misy ny Testamenta Vaovao mampiasa hoe Kyriôs ireny. Dia gaga be izy rehefa nahita fa nataon’i Shadwell hoe “Jehovah” ny azy ilay hoe Kyriôs, any amin’ny andinin-teny sasany.
Fa ahoana no nahaizan’i Parker an’izany? Nianatra teny grika izy, dia nanoratra boky sy trakta be dia be amin’ny fitsipi-pitenenana grika. Lasa anisan’ny mpikaroka tao amin’ny Sekoly Fianarana Baiboly Anglisy koa izy. Manao fikarohana any amin’ny Baiboly sora-tanana izay anisan’io sekoly io, mba hamoahana Baiboly amin’ny teny anglisy tsara kokoa. Tamin’ny 1842 àry i Parker no nanomboka namoaka ny fandikan-teniny, ka ampahany kely na boky maromaro mitambatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao no navoakany tsikelikely. c
Niezaka namerina ny Anaran’Andriamanitra i Parker
Nanoratra momba an’izao fanontaniana izao foana i Parker nandritra ny taona vitsivitsy: “Fa rahoviana ilay teny hoe Kyriôs no manondro an’i Jesosy Tompo, dia rahoviana izy io no manondro an’Andriamanitra Tompo?” “Fa maninona ilay teny hoe Kyriôs no ampiasaina matetika toy ny hoe anarana, fa tsy anaram-boninahitra?”
Hitan’i Parker ilay fandikan-tenin’ny bokin’i Matio nataon’i Shadwell tamin’ny 1859 sy ny fanamarihana nataony tao momba an’ilay teny hoe Kyriôs. Lasa resy lahatra àry izy fa “tokony hadika hoe Jehovah” ilay teny hoe Kyriôs, any amin’ny andinin-teny sasany. Naveriny nojerena indray àry ilay Testamenta Vaovao nadikany, dia nataony tao ilay anarana hoe “Jehovah” rehefa hitany hoe nitaky an’izany ny teny manodidina sy ny fitsipi-pitenenana amin’ny teny grika. Misy ny anaran’Andriamanitra im-187 àry ilay Testamenta Vaovao nadikan’i Parker hoe A Literal Translation of the New Testament, navoakany tamin’ny 1863, ary eny amin’ny toko sy andininy no misy an’ireo. Navoakany ho boky iray io Testamenta Vaovao io. Hoatran’ny hoe io no Baiboly anglisy voalohany mampiasa ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina manontolo. d
Namoaka an’ilay hoe A Collation of an English Version of the New Testament . . . With the Authorized English Version koa i Parker tamin’ny 1864. Natambany ho boky iray ireo Testamenta Vaovao anankiroa ireo, amin’izay fantatry ny olona hoe inona no tsy mampitovy ny fandikan-teniny amin’ilay anankiray hafa. e
Nanasongadina andinin-teny maromaro avy ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy) i Parker mba hampisehoana hoe tena zava-dehibe ny hamerenana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Anisan’ny nampiasainy, ohatra, ny Romanina 10:13, hoe: “Fa na iza na iza miantso ny anaran’ny Tompo dia hovonjena.” Nanontany i Parker hoe: “[Iza] no hieritreritra rehefa mamaky an’ireo andinin-teny avy ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ireo fa i Jehovah, fa tsy i Jesosy Kristy Tompontsika Zanany . . . no tiana holazaina amin’ireo”?
Vola an’arivony livre sterling (vola anglisy tamin’izany) no lanin’i Parker namoahana hatraiza hatraiza ny trakta sy taratasy ary ny zavatra hafa nosoratany. Vola be mihitsy izany tamin’izany! Tao anatin’ny herintaona fotsiny, ohatra, izy dia nandany 800 livre sterling, izany hoe 600 000 000 ariary eo ho eo amin’izao. Nandefa kopian’ny boky be dia be nadikany koa izy, mba hojeren’ny olom-patany sy ny mpitondra fivavahana manan-kaja.
Nihomehezan’ny manam-pahaizana sasany ny asa soratr’i Parker sy ny Testamenta Vaovao nadikany. Vitsy tamin’ireo ihany koa moa no natao pirinty. Izany no nampiseho fa tsy mba sarobidy tamin-dry zareo ny ezaka mafy nataon’i Parker sy Shadwell ary ny olon-kafa izay namerina ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Vaovao Anglisy.
Mety ho tianao koa ny hijery an’ity video 10 minitra ity: Fitsidihana ny Tranombakoka any Warwick: “Ny Baiboly sy ny Anaran’Andriamanitra.”
a Fanafohezana ny hoe “Jehovah” ny hoe “Jah” ao amin’ny Apokalypsy 19:1, 3, 4, 6, ao amin’ilay teny hoe “Haleloia!”, izay midika hoe “Derao i Jah!”
b Tsy nandika ny Testamenta Vaovao manontolo i Shadwell. Nisy ampahany nadikan’i Philip Doddridge, Edward Harwood, William Newcome, Edgar Taylor, ary Gilbert Wakefield kosa ao amin’ny Testamenta Vaovao navoakany.
c Tsy tian’i Parker hifangaro ny asany manokana sy ny fikarohana momba ny Baiboly ataony, dia nifidy an’ilay anarana hoe Herman Heinfetter izy hamantarana azy amin’ny asa soratra momba ny fivavahana sy amin’ny resaka fandikana Baiboly. Miseho imbetsaka ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao io anarana io.
d Tamin’ny 1864 i Parker no namoaka an’ilay hoe An English Version of the New Testament, izay misy ny anaran’Andriamanitra im-186.
e Talohan’ny fandikan-tenin’i Parker, dia efa nisy fandikan-tenin’ny Testamenta Vaovao maromaro amin’ny teny hebreo, nahitana ny anaran’Andriamanitra any amin’ny andinin-teny maromaro. Namoaka fandikan-teny amin’ny teny alemà koa i Johann Jakob Stolz tamin’ny 1795, ary misy ny anaran’Andriamanitra im-90 mahery ao, manomboka eo amin’ny Matio ka hatrany amin’ny Joda.