Eksodosy 40:1-38
40 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:
2 “Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany no hanangananao ny tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana.+
3 Apetraho ao ny Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ ary takòny amin’ny ridao+ ilay Vata.
4 Ento ao amin’ny tranolay ny latabatra,+ ka alaharo izay tokony hatao eo amboniny. Ento ao koa ny fitoeran-jiro,+ ary ampireheto ny jirony.+
5 Dia ataovy eo anoloan’ilay Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona ny alitara volamena ho an’ny emboka manitra,+ ary apetaho eo amin’ny toerany ny lamba fanakonana an’ilay fidirana* amin’ny tranolay.+
6 “Apetraho eo anoloan’ny fidirana amin’ny tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana, ny alitara fanaovana fanatitra dorana.+
7 Ary apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe, ka asio rano ao anatiny.+
8 Dia ataovy manodidina an’ilay tranolay ny tokotaniny,+ ary apetaho ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana* mankao amin’ilay tokotany.
9 Alaivo avy eo ny menaka masina fanosorana,+ ka hosory ny tranolay sy ny zava-drehetra ao anatiny.+ Dia hamasino ny tranolay sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, mba ho masina ilay tranolay.
10 Hosory koa ny alitara fanaovana fanatitra dorana sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ka hamasino ny alitara mba ho tena masina.+
11 Ary hosory ny kovetabe sy ny tongony, ka hamasino.
12 “Dia ento eo akaikin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana avy eo i Arona sy ny zanany lahy, ka sasao amin’ny rano.+
13 Ary ampanaovy an’i Arona ny akanjo masina,+ ka hosory izy+ ary hamasino. Dia hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako izy.
14 Ampanatony ny zanany lahy avy eo, ka ampanaovy akanjo lava.+
15 Hosory toy ny nanosoranao ny rainy izy ireo,+ mba hanaovany ny asan’ny mpisorona eo anatrehako. Noho izany fanosorana izany, dia ho afaka hanao ny asa fisoronana foana izy ireo, hatramin’ny taranany fara aman-dimby.”+
16 Nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy i Mosesy.+ Izany mihitsy no nataony.
17 Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, tamin’ny taona faharoa, dia voatsangana ny tranolay masina.+
18 Rehefa nanangana ny tranolay i Mosesy, dia napetrany ireo faladiany,+ natsangany ireo rafitra,+ natsofony ireo barany,+ ary natsangany ireo andry.
19 Novelariny teo ambonin’ny tranolay ny rakotra,+ ary napetrany teo ambonin’iny ny rakotra ivelany,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
20 Nalainy avy eo ny Tenin’ny Vavolombelona,+ ka nataony tao anatin’ilay Vata.+ Dia natsofony ny bao filanjana+ an’ilay Vata,+ ary nataony teo ambonin’ilay izy ny sarony.+
21 Nentiny nankao amin’ny tranolay ilay Vata, ary napetany teo amin’ny toerany ny ridao+ fanakonana. Dia takona ilay Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
22 Avy eo dia napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana ny latabatra,+ izany hoe teo amin’ny lafiny avaratra amin’ny tranolay masina, teo anoloan’ny ridao.
23 Dia nataony nilahatra tsara teo ambonin’izy io, teo anatrehan’i Jehovah, ireo mofo,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
24 Ny fitoeran-jiro+ dia napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny latabatra, teo amin’ny lafiny atsimo amin’ilay tranolay masina.
25 Dia nampirehetiny teo anatrehan’i Jehovah ireo jiro,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
26 Avy eo dia napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana teo anoloan’ilay ridao ny alitara volamena,+
27 mba hidona-tsetroka ny emboka manitra+ rehefa dorana eo amboniny,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
28 Dia napetany teo amin’ny toerany ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana* amin’ny tranolay.
29 Napetrany teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana, ny alitara fanaovana fanatitra dorana.+ Amin’izay dia afaka manolotra ny fanatitra dorana+ sy ny fanatitra varimbazaha eo ambonin’ilay alitara izy, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
30 Dia napetrany teo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe, ary nasiany rano tao anatiny mba hisasana.+
31 Dia nanasa ny tanany sy ny tongony tamin’ilay rano i Mosesy, ary Arona sy ny zanany lahy.
32 Nisasa izy ireo isaky ny nankao amin’ny tranolay fihaonana na nanatona ny alitara,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
33 Farany, dia nataony manodidina ny tranolay masina sy ny alitara ny tokotany,+ ary napetany ny lamba fanakonana an’ilay fidirana* mankao amin’ilay tokotany.+
Koa vitan’i Mosesy ny asa.
34 Dia nanarona ny tranolay fihaonana ny rahona, ka feno ny voninahitr’i Jehovah ilay tranolay.+
35 Koa tsy afaka niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy, satria nijanona teo ambonin’izy io ilay rahona, ary feno ny voninahitr’i Jehovah ilay tranolay.+
36 Rehefa niakatra ilay rahona ka niala teo amin’ny tranolay masina, dia nifindra lasy ny Israelita. Dia hoatr’izay foana no nataon’izy ireo nandritra ny diany rehetra.+
37 Raha tsy niakatra kosa ilay rahona, dia tsy nifindra lasy izy ireo fa niandry ny andro niakaran’izy io indray.+
38 Teo ambonin’ny tranolay mantsy ny rahon’i Jehovah nandritra ny andro, ary nisy afo foana teo ambonin’ilay tranolay nandritra ny alina. Ary nahita an’izany daholo ny taranak’Israely rehefa nifindrafindra toerana, nandritra ny diany rehetra.+
Fanamarihana
^ Na: “ny ridaon’ilay fidirana.”
^ Na: “ny ridaon’ilay fidirana.”
^ Na: “ny ridaon’ilay fidirana.”
^ Na: “ny ridaon’ilay fidirana.”