Jeremia 26:1-24

  • Saika novonoina ho faty i Jeremia (1-15)

  • Tsy novonoina indray i Jeremia (16-19)

    • Faminanian’i Mika (18)

  • Oria mpaminany (20-24)

26  Izao no nolazain’i Jehovah, rehefa nanomboka nanjaka i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: 2  “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Mitsangàna eo an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah, ary resaho ny momba ny* mponina rehetra ao amin’ny tanànan’i Joda, izay ho avy hivavaka* ao an-tranon’i Jehovah. Teneno azy daholo izay asaiko lazainao. Aza misy anesorana na teny iray aza. 3  Sao dia mba hihaino ihany izy ireo, ka samy hiala amin’ny ratsy fanaony. Dia hiova hevitra* aho ka tsy hampihariko aminy indray ilay loza nokasaiko hamelezana azy ireo ho valin’ny ratsy nataony.+ 4  Lazao amin’izy ireo hoe: “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Raha tsy mihaino ahy ianareo ka tsy manaraka ny lalàna* nomeko anareo, 5  sy tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko izay nirahiko imbetsaka* ho any aminareo nefa tsy nohenoinareo,+ 6  dia hataoko hoatran’i Silo+ ity trano ity, ary hampiasa ny anaran’ity tanàna ity ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany rehefa manozona.’”’”+ 7  Nandre an’i Jeremia niteny an’ireo teny ireo tao an-tranon’i Jehovah ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra.+ 8  Koa rehefa tapitra voalazan’i Jeremia daholo ny teny nasain’i Jehovah nolazainy tamin’ny vahoaka manontolo, dia nosamborin’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra izy, ka hoy ireo: “Tena ho faty ianao! 9  Nahoana ianao no maminany amin’ny anaran’i Jehovah hoe: ‘Ho lasa hoatran’i Silo ity trano ity, ary ity tanàna ity ho rava ka tsy hisy mponina intsony’?” Dia nitangoronan’ny olona rehetra i Jeremia, tao an-tranon’i Jehovah. 10  Rehefa nahare an’izany teny izany ny andrianan’ny Joda, dia niakatra avy any amin’ny tranon’ny* mpanjaka mba hankany amin’ny tranon’i Jehovah. Ary nipetraka teo amin’ny fidirana amin’ilay vavahady vaovao amin’ny tranon’i Jehovah+ izy ireo. 11  Dia hoy ny mpisorona sy ny mpaminany tamin’ireo andriana sy ny vahoaka rehetra: “Mendrika ny homelohina ho faty ity lehilahy ity,+ satria naminany fa hisy loza hanjo an’ity tanàna ity. Ary ny sofinareo mihitsy no efa naheno an’izany.”+ 12  Dia hoy i Jeremia tamin’ny andriana rehetra sy ny vahoaka rehetra: “I Jehovah no naniraka ahy hilaza ny faminaniana rehetra henonareo teo, hoe hisy loza hanjo an’ity trano ity sy ity tanàna ity.+ 13  Koa ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo, ary ankatoavy ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo, dia hiova hevitra* i Jehovah ka tsy hampihariny indray ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo.+ 14  Fa izaho kosa efa eto am-pelatananareo, ka ataovy amiko izay hitanareo fa tsara sy mety. 15  Fantaro tsara anefa fa raha mamono ahy ho faty ianareo, dia mamono olona tsy manan-tsiny, ka ho meloka ho nandatsa-dra ianareo sy ity tanàna ity ary ny mponina ato. I Jehovah mihitsy mantsy no naniraka ahy hilaza ny teny rehetra renareo teo!” 16  Dia hoy ny andriana sy ny vahoaka rehetra tamin’ireo mpisorona sy mpaminany: “Tsy mendrika ny homelohina ho faty io lehilahy io, satria tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.” 17  Nitsangana koa ny anti-panahy sasany tao amin’ilay tany, ka niteny tamin’ny vahoaka rehetra tafavory teo hoe: 18  “Naminany i Mika+ avy any Moreseta tamin’ny andron’i Hezekia+ mpanjakan’ny Joda, ka nilaza tamin’ny vahoakan’ny Joda rehetra hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Hasaina hoatran’ny saha i Ziona,Ho lasa korontam-bato mivangongo i Jerosalema,+Ary ny tendrombohitra misy an’ilay Trano* dia ho toy ny toerana avo any an’ala.”’*+ 19  “Namono an’i Mika ve i Hezekia mpanjakan’ny Joda sy ny Joda rehetra tamin’izay? Tsy natahotra an’i Jehovah ve i Hezekia ary nitalaho famindram-po tamin’i* Jehovah, ka niova hevitra* i Jehovah dia tsy nampihariny indray ilay loza efa nolazainy hamelezana azy ireo?+ Koa tena mitady loza* mihitsy isika. 20  “Nisy lehilahy hafa koa naminany tamin’ny anaran’i Jehovah, dia i Oria zanak’i Semaia avy any Kiriata-jearima.+ Naminany hoatran’i Jeremia izy hoe hisy loza hanjo an’ity tanàna ity sy ity tany ity. 21  Nahare ny tenin’i Oria i Joiakima+ Mpanjaka sy ny miaramilany matanjaka rehetra ary ny andrianany rehetra. Koa nitady hamono azy ho faty+ ny mpanjaka. Natahotra i Oria raha vao naheno an’izany, ka nandositra nankany Ejipta. 22  Dia nirahin’i Joiakima Mpanjaka nankany Ejipta i Elnatana+ zanak’i Akbora sy ny lehilahy vitsivitsy. 23  Koa nalain’izy ireo avy tany Ejipta i Oria, ary nentiny tany amin’i Joiakima Mpanjaka. Dia novonoin’ny mpanjaka tamin’ny sabatra izy+ ary natsipiny tany amin’ny fasam-bahoaka ny fatiny.” 24  Narovan’i Ahikama+ zanak’i Safana+ kosa i Jeremia, ka tsy natolotra hovonoin’ny vahoaka.+

Fanamarihana

Na: “miresaha amin’ny.”
Na: “hiankohoka.”
Na: “hanenina.”
Na: “toromarika.”
Abt: “nifohazako maraina sy nirahiko.”
Na: “lapan’ny.”
Na: “hanenina.”
Na: “tempoly.”
Na: “tampon-tendrombohitra misy ala.”
Na: “nanenina.”
Na: “loza ho an’ny tenantsika.”
Abt: “niezaka nampitony ny tarehin’i.”