Joba 17:1-16

  • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-16)

    • “Voahodidina mpaneso aho” (2)

    • ‘Navelany hesoesoin’ny olona aho’ (6)

    • “Ny Fasana no ho tranoko” (13)

17  “Lany ny heriko, ary tapitra ny androko.Ny fasana no miandry ahy.+   Voahodidina mpaneso aho,+Ary voatery mifantoka amin’ny fikomian’izy ireo ny masoko.   Mba ekeo re ny antoka omeko anao e, ka tehirizo any aminao izany! Fa iza indray moa no hifandray tanana amiko ka hanaiky hiantoka ahy?+   Fa nafeninao tsy ho ao am-pon’izy ireo ny fahiratan-tsaina;+Izany no antony tsy anandratanao azy.   Misy olona mizara an’izay ananany amin’ny namany,Nefa ny zanany aza lali-maso noho ny hanoanana.   Navelan’Andriamanitra hesoesoin’ny olona* aho,+Ka roran’izy ireo ny tarehiko.+   Mihamanjavozavo ny masoko noho ny fahoriana,+Ary toy ny aloka sisa ny rantsambatako rehetra.   Midanàka ny olo-marina mahita an’izany,Ary mikorontan-tsaina ny tsy manan-tsiny noho ny ataon’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra.*   Mifikitra amin’ny lalany ny olo-marina,+Ary mihamatanjaka ny madio tanana.+ 10  Andao àry tohizo indray ny adihevitrareo,Fa tsy hitako izay hendry aminareo.+ 11  Tapitra ny androko;+Rava hatreo ny fikasako, ny fanirian’ny foko.+ 12  Ny alina no lazain’izy ireo fa andro,Ka hoy izy ireo: ‘Akaiky ny mazava satria efa maizina izao.’ 13  Raha mbola miandry aho, dia ny Fasana* no ho tranoko,+Ary hamelatra ny fandrianako ao amin’ny haizina aho.+ 14  Ny lavaka*+ no hantsoantsoiko hoe: ‘Ianao no raiko!’ Ary ny olitra hoe: ‘Ianao no reniko sy anabaviko!’ 15  Koa aiza àry ny fanantenako?+ Iza no mahita hoe mbola misy azoko antenaina? 16  Hidina any amin’ny vavahadin’ny Fasana,* izay misy bara hidiny, izany*Rehefa hiara-midina any amin’ny vovoka izahay rehetra.”+

Fanamarihana

Na: “hataon’ny olona oha-pitenenana.”
Na: “mpivadi-pinoana.”
Jereo F.T.
Na: “fasana.”
Jereo F.T.
Izany hoe ny fanantenako.