Joba 28:1-28

  • Fampitahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny fahendrena (1-28)

    • Miezaka mitrandraka harena ny olona (1-11)

    • Sarobidy noho ny perla ny fahendrena (18)

    • Ny fahatahorana an’i Jehovah no tena fahendrena (28)

28  “Misy toerana itrandrahana volafotsy,Ary toerana misy volamena mbola hodiovina.+   Alaina avy amin’ny tany ny vy,Ary atsonika* avy amin’ny vatolampy ny varahina.+   Resin’ny olona ny haizina;Mikaroka hatrany amin’ny fetra farany ao anaty haizina sy haizim-pito izy,Mba hitrandrahana vato.   Mihady lavaka fitrandrahana lavitra ny fonenan’ny olona izy,Any amin’ny toerana efa hadinon’ny olona sady tsy misy mpandeha;Misy olona midina any ary misavilivily amin’ny tady.   Maniry eny ambonin’ny tany ny sakafo;Nefa ny any ambaniny ravarava hoatran’ny hoe nolalovan’ny afo.*   Misy safira ny vato any,Ary misy volamena ny vovoka.   Tsy mahafantatra ny lalana mankany ny vorona mpihaza;Tsy mahita an’izany ny mason’ny papango mainty.   Tsy manitsakitsaka an’izany ny biby lehibe;Tsy mihaodihaody any ny liona tanora.   Mikapoka vatoafo amin’ny tanany ny olona;Aongany hatramin’ny fotony ny tendrombohitra. 10  Mandavaka lakandrano+ any anaty vatolampy izy;Hitan’ny masony ny zava-tsarobidy rehetra. 11  Tampenany ny loharano ipoiran’ny renirano,Ary avoakany ho eo amin’ny mazava ny harena miafina. 12  Fa aiza kosa no ahitana ny fahendrena,+Ary aiza no ahazoana fahiratan-tsaina?+ 13  Tsy misy olombelona mahay manombana ny hasarobidin’izany,+Ary tsy hita eo amin’ny tanin’ny velona izany. 14  Hoy ny rano lalina: ‘Tsy atỳ amiko izany!’ Ary hoy ny ranomasina: ‘Tsy ato amiko izany!’+ 15  Tsy voavidina volamena tsy misy fangarony izany;Ary tsy mety atao takalony ny volafotsy lanjaina.+ 16  Tsy voavidina volamena avy any Ofira+ izany,Na voavidina vato oniksa tsy fahita firy na safira. 17  Tsy afaka mifampitaha aminy ny volamena sy ny fitaratra;Ary tsy mety atao takalony ny zavatra vita amin’ny volamena tena tsara.*+ 18  Tsy mendrika ny hotononina akory ny haran-dranomasina* sy ny kristaly,+Satria sarobidy noho ny perla iray kitapo ny fahendrena iray kitapo. 19  Tsy afaka mifampitaha aminy ny topaza+ avy any Kosy;Na ny volamena tsy misy fangarony aza tsy mahavidy azy. 20  Fa avy aiza àry ny fahendrena,Ary aiza no ahazoana fahiratan-tsaina?+ 21  Nafenina tamin’ny mason’ny zavamananaina rehetra izany,+Sady nafenina tamin’ny voro-manidina. 22  Hoy Rafandringanana sy Rafahafatesana:‘Henon’ny sofinay fotsiny ny momba an’izany.’ 23  Andriamanitra no mahafantatra ny lalana ahitana an’izany;Izy irery no mahalala ny toerana ipetrahany,+ 24  Fa mitazana ny hatrany amin’ny faran’ny tany izy,Sady hitany daholo ny eny ambanin’ny lanitra.+ 25  Tamin’izy nanome hery* ny rivotra+Sy nitsinjara ny rano,+ 26  Tamin’izy nanao lalàna ho an’ny orana,+Sy lalana ho an’ny rahon’oram-baratra,+ 27  Dia hitany ny fahendrena ka nohazavainy;Nataony mafy orina izany sady nosedrainy. 28  Dia hoy izy tamin’ny olombelona: ‘Ny fahatahorana an’i Jehovah no fahendrena,+Ary ny fialana amin’ny ratsy no fahiratan-tsaina.’”+

Fanamarihana

Abt: “araraka.”
Angamba ilazana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.
Na: “voadio.”
Jereo F.T.
Abt: “nandanja.”