Joba 32:1-22

  • Nandray fitenenana i Eliho tanora (1-22)

    • Tezitra tamin’i Joba sy ny namany (2, 3)

    • Niandry vao niteny mba ho fanajana (6, 7)

    • Tsy izay ela niainana ihany no manam-pahendrena (9)

    • Be dia be ny zavatra tian’i Eliho holazaina (18-20)

32  Koa tsy niezaka namaly an’i Joba intsony izy telo lahy. Resy lahatra mantsy i Joba hoe manana ny marina izy.*+  Tezitra be kosa i Eliho zanak’i Barakela Bozita,+ avy amin’ny fianakavian’i Rama. Tezitra mafy tamin’i Joba izy, satria niezaka nanaporofo i Joba hoe izy no marina fa tsy Andriamanitra.+  Tezitra be tamin’ny naman’i Joba telo lahy koa izy, satria tsy nahita havaly izy ireo fa Andriamanitra indray no nolazainy hoe ratsy fanahy.+  Niandry i Eliho vao namaly ny tenin’i Joba, satria izy ireo be taona kokoa noho izy.+  Vao mainka sosotra be i Eliho rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly intsony izy telo lahy.  Nanomboka niteny àry i Eliho zanak’i Barakela Bozita hoe: “Mbola tanora* aho,Fa ianareo kosa efa be taona.+ Koa ho fanajana anareo, dia tsy niteny aho aloha+Sady tsy sahy nilaza taminareo an’izay fantatro.   Nieritreritra aho hoe: ‘Aleo izay efa ela niainana* no hiteny,Ary izay be taona no aoka hilaza fahendrena.’   Kanefa ny fanahin’Andriamanitra izay ao amin’ny olona,Dia ny fofonain’ilay Mahery Indrindra, no manome azy fahiratan-tsaina.+   Tsy izay ela niainana ihany no manam-pahendrena,*Ary tsy ny zokiolona ihany no mahalala an’izay tokony hatao.+ 10  Koa izao no lazaiko: ‘Henoy aho,Dia holazaiko aminareo koa izay fantatro.’ 11  Niandry ny teninareo ho tapitra aho;Nihaino anareo aho tamin’ianareo nandahatra ny hevitrareo,+Sy nieritreritra an’izay holazainareo.+ 12  Nihaino tsara anareo aho,Kanefa tsy nisy taminareo nahavita nanaporofo hoe diso i Joba,*Na nahatohitra ny heviny. 13  Koa aza miteny hoe: ‘Efa hitanay ny fahendrena;Andriamanitra no manitsy azy fa tsy olona.’ 14  Tsy izaho no nasiany tamin’ny teniny,Koa tsy ny hevitrareo no hamaliako azy. 15  Ankona izy ireo ka tsy nanan-kavaly intsony;Tsy nahita hotenenina intsony izy ireo. 16  Niandry aho, nefa tsy nanohy ny teniny izy ireo;Nijoro teo fotsiny izy ireo, fa tsy namaly intsony. 17  Hamaly koa àry aho;Holazaiko koa izay fantatro, 18  Fa manan-javatra be dia be holazaina aho.Manery ahy ny fanahin’Andriamanitra ato anatiko. 19  Toy ny divay mandroadroatra tsy misy lalan-kivoahana ny ato anatiko,Hoatran’ny siny hoditra* vaovao mitady ho vaky.+ 20  Koa aleo aho hiteny mba ho maivamaivana! Hosokafako ny vavako ka hamaly aho. 21  Tsy mba hijery tavan’olona*+ aho,Na handokadoka* olona, 22  Fa tsy mba haiko ny mandokadoka olona;Raha nanao an’izany aho, dia ho nandringana ahy avy hatrany ilay Mpanao ahy.

Fanamarihana

Na: “Nihevi-tena ho marina mantsy i Joba.”
Abt: “vitsy andro.”
Abt: “ireo andro.”
Na: “Tsy ny andro maro fotsiny no mahatonga ny olona iray ho hendry.”
Na: “nahavita nananatra an’i Joba.”
Siny hoditra fasiana divay.
Na: “hanavakavaka.”
Na: “hanome anaram-boninahitra.”