Joba 39:1-30

  • Hita amin’ny namoronana ny biby hoe betsaka ny zavatra tsy hain’ny olona (1-30)

    • Osidia mpianika tendrombohitra sy serfa (1-4)

    • Ampondradia (5-8)

    • Ombidia (9-12)

    • Aotirisy (13-18)

    • Soavaly (19-25)

    • Hitsikitsika lehibe sy voromahery (26-30)

39  “Fantatrao ve ny fotoana fiterahan’ny osidia mpianika tendrombohitra?+ Efa nahita serfa niteraka ny zanany+ ve ianao?   Voaisanao ve hoe firy volana izy ireny no mitondra vohoka? Fantatrao ve ny fotoana fiterahany?   Mipetraka ambany izy ireny rehefa miteraka an’ireo zanany,Ary mifarana hatreo ny fanaintainany.   Mihamatanjaka sy mihalehibe eny an-tsaha ny zanak’izy ireny;Lasa izy ireo, ka tsy miverina eo aminy intsony.   Iza no nandefa ny ampondradia hikarenjy,+Ary iza no namaha ny tadin’ny ampondradia?   Efa nomeko ho tranony ny lemaka karakaina,Ary ho toeram-ponenany ny tanin-tsira.   Ihomehezany fotsiny ny tabataba ao an-tanàna,Ary tsy henony ny antsoantson’ny mpandroaka biby.   Mitety an’ireo havoana izy mitady vilona,Mitady an’ity karazan-java-maitso rehetra ity.   Hanaiky hanompo anao ve ny ombidia?+ Hatory ao am-pahitra* ao aminao ve izy? 10  Hahatazona ombidia amin’ny tady mba hanao vava asa ve ianao,Na hanaraka anao mba hiasa tany* eny an-dohasaha ve izy? 11  Hatoky ny herin’ny tanjany ve ianao,Ka havelanao hamita ny asa mafy ataonao izy? 12  Izy ve no hianteheranao hampiditra ny vokatrao,*Sy hanangona an’izany ho eo amin’ny famoloanao? 13  Faly mikopakopaka elatra ny aotirisy,Nefa afaka mifampitaha amin’ny an’ny vanobe ve ny volon’elany sy ny volony?+ 14  Fa ilaozany eo amin’ny tany ny atodiny,Ary hafanainy ao anaty vovoka izany. 15  Hadinony hoe mety hisy tongotra hanosihosy an’ireny,Na bibidia hanitsakitsaka an’ireny. 16  Masiaka amin-janany izy, toy ny hoe tsy zanany ireny;+Tsy mampaninona azy na dia mety ho very maina aza izay nisasarany. 17  Fa nesorin’Andriamanitra taminy* ny fahendrena,Ary tsy nataony mahira-tsaina izy. 18  Rehefa mitsangana sy manakopakopaka elatra anefa izy,Dia ihomehezany fotsiny ny soavaly sy ny mpitaingina azy. 19  Ianao ve no manome hery ny soavaly,+ Sy manarona ny hatony amin’ny volo mihofahofa? 20  Mahay mampitsambikina azy toy ny valala ve ianao? Mampihoron-koditra ny maheno azy miefonefona be.+ 21  Mampikatrokatroka ny kitrony amin’ny tany, eny amin’ny lohasaha, izy ary mientanentana erỳ noho ny heriny;+Mandroso hiatrika ady* izy.+ 22  Ihomehezany fotsiny ny tahotra, ary tsy misy na inona na inona atahorany.+ Tsy mitsoaka izy manoloana ny sabatra. 23  Midona aminy ny tranon-jana-tsipìka ka mikorintsana,Ary manjelanjelatra ny lefona sy ny lefom-pohy. 24  Mientanentana be izy, ka miriotra mafy mandroso,*Tsy mahatombina* izy rehefa mahare feon’anjombona. 25  Vonona avy hatrany izy ka mikiakiaka, rehefa maneno ny anjombona. Raha mbola lavitra izy dia mandre ny fofon’adySy ny horakoraky ny mpitari-tafika ary ny hiakan’ady.+ 26  Ny fahiratan-tsainao ve no mahatonga ny hitsikitsika lehibe hisidina avo,Ka mamelatra ny elany mianatsimo? 27  Sa ny baiko omenao no mahatonga ny voromahery hanidina ambony,+Sy hanorina ny akaniny eny amin’ny avo?+ 28  Matory eny amin’ny harambato izy,Ary manorim-ponenana eny amin’ny toerana azo antoka, eny amin’ny vatolampy.* 29  Avy eny izy no mitady sakafo;+Mahatazan-davitra ny masony. 30  Mitsentsitra ra ny zanany;Ary na aiza na aiza misy faty, dia any izy.”+

Fanamarihana

Na: “ao amin’ny fihinanam-bilona.”
Na: “hamaky bainga.”
Abt: “voa.”
Abt: “nataon’Andriamanitra hadinony.”
Abt: “Mivoaka hisetra fitaovam-piadiana.”
Abt: “mitelina ny tany.”
Na mety hoe “Tsy mino.”
Abt: “eny amin’ny nifin’ny vatolampy.”