Ohabolana 13:1-25
13 Manaiky ny anatry ny rainy ny zanaka hendry,+Fa tsy mety mihaino kosa ny mpanesoeso na dia tenenina mafy* aza.+
2 Handray soa avy amin’izay lazainy* ny olona,+Fa tsy mieritreritra afa-tsy ny hampiasa herisetra kosa ny mpivadika.
3 Miaro ny ainy ny olona mahafehy ny vavany,*+Fa izay tsy mitandrina an’izay lazainy* kosa hahita loza.+
4 Betsaka ny zavatra irin’ny kamo, nefa mbola tsy manana na inona na inona ihany izy,+Fa ho tanteraka daholo kosa izay irin’ny* mazoto.+
5 Tena tsy tia lainga ny olo-marina,+Fa mahamenatra sy manala baraka kosa ny ataon’ny ratsy fanahy.
6 Ny fahamarinana no miaro an’izay mandeha tsy misy tsiny,+Fa ny ratsy ataon’ny mpanota ihany no mahavoa azy.
7 Misy olona miseho ho manankarena nefa tsy manana na inona na inona akory,+Fa misy indray mody mahantra nefa manankarem-be.
8 Ny harenan’ny manankarena no omeny hanavotana ny ainy,+Fa ny mahantra kosa tsy mba misy mandrahona.*+
9 Mamirapiratra be* ny hazavan’ny olo-marina,+Fa ho faty kosa ny jiron’ny ratsy fanahy.+
10 Mampisy ady fotsiny ny olona sahisahy ratsy,+Fa izay mangataka torohevitra* kosa no hendry.+
11 Hihena ny harena azo vetivety,*+Fa hitombo kosa ny harenan’ny olona manangona tsikelikely.*
12 Marary ny fo raha ela be vao tanteraka ny zavatra antenaina,+Fa hazon’aina kosa ny faniriana rehefa tanteraka.+
13 Izay tsy miraharaha toromarika* dia hizaka ny vokany,+Fa izay mankatò ny didy no homena valisoa.+
14 Loharanon’aina ny fampianaran’ny* hendry,+Ka miaro azy tsy ho azon’ny fandriky ny fahafatesana.
15 Izay tena lalin-tsaina no ankasitrahan’ny olona,Fa sarotra kosa ny lalan’ny mpivadika.
16 Miezaka hahalala ny zava-drehetra ny olona malina vao manao zavatra,+Fa ny adala kosa mampiseho ny hadalany rehetra.+
17 Idiran-doza ny mpitondra hafatra rehefa ratsy fanahy,+Fa manasitrana kosa ny iraka rehefa mendri-pitokisana.+
18 Hahantra sy ho afa-baraka izay tsy miraharaha anatra,Fa homena voninahitra kosa izay manaiky hahitsy.*+
19 Mahafinaritra erỳ rehefa tanteraka ny faniriana,+Fa halan’ny olona tsisy saina ny miala amin’ny ratsy.+
20 Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry,+Fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.+
21 Arahin’ny loza avy ao aoriana ny mpanota,+Fa ny fiadanana kosa no mamaly soa ny olo-marina.+
22 Mamela lova ho an’ny zafikeliny ny olona tsara toetra,Fa ny harenan’ny mpanota kosa hotehirizina ho an’ny olo-marina.+
23 Voasa tsara ny tanimbolin’ny mahantra ka mamokatra sakafo be dia be,Saingy mety hisy haka tsy ara-drariny izany.*
24 Izay mitsitsy ny tsorakazony* dia tsy tia ny zanany,+Fa izay tia azy kosa mazoto* mananatra* azy.+
25 Misakafo ny olo-marina ka voky tsara,+Fa ny kibon’ny ratsy fanahy kosa noana.+
Fanamarihana
^ Na: “na dia ahitsy.”
^ Na: “avy amin’ny vavany.”
^ Na: “an’izay lazainy.”
^ Abt: “izay manokatra be ny molony.”
^ Abt: “hohatavezina ny.”
^ Abt: “tsy maheno teny henjana.”
^ Abt: “Mifaly.”
^ Na: “izay mifampanontany.”
^ Na: “azoazo foana.”
^ Abt: “manangona amin’ny tanana.”
^ Na: “ny teny.”
^ Na: “lalàn’ny.”
^ Na: “manaiky hanarina.”
^ Na: “izy.”
^ Na: “mitsitsy anatra; mitsitsy famaizana.”
^ Na mety hoe “tonga dia.”
^ Na: “mifehy; manafay.”