Salamo 1:1-6

  • Lalan’ny olo-marina sy ny an’ny ratsy fanahy

    • Sambatra izay mamaky ny lalàn’i Jehovah (2)

    • Toy ny hazo mamoa tsara ny olo-marina (3)

    • Toy ny akofa entin’ny rivotra ny ratsy fanahy (4)

1  Sambatra ny olona tsy manaraka* ny torohevitry ny ratsy fanahy,Sy tsy mijoro eny amin’ny lalan’ny mpanota,+Ary tsy mipetraka eny amin’izay ipetrahan’ny mpanesoeso.+  2  Fa ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy,+Ary ny lalàny no vakiny sy saintsaininy* andro aman’alina.+  3  Ho toy ny hazo nambolena eo amoron’ny rano mikoriana izy,Dia hazo mamoa amin’ny fotoanany,Sady tsy mba malazo ny raviny. Ary hety tsara daholo izay ataony.+  4  Tsy mba toy izany kosa ny ratsy fanahy;Toy ny akofa entin’ny rivotra izy ireo.  5  Izany no mahatonga ny ratsy fanahy tsy hahajoro eo anatrehan’ny fitsarana,+Sy mahatonga ny mpanota tsy hahajoro eo anivon’ny olo-marina.+  6  Fantatr’i Jehovah mantsy ny lalan’ny olo-marina,+Fa ny lalan’ny ratsy fanahy kosa ho foana.+

Fanamarihana

Abt: “tsy mandeha araka.”
Na: “vakiny amin’ny feo iva.”