Salamo 14:1-7

  • Hoatran’ny ahoana ny adala

    • “Tsy misy izany Jehovah izany” (1)

    • “Tsy misy manao ny tsara” (3)

Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida. 14  Ny adala* miteny anakampo hoe: “Tsy misy izany Jehovah izany.”+ Tena ratsy sy maharikoriko ny zavatra ataony;Tsy misy manao ny tsara izy ireo.+  2  I Jehovah anefa mitazana ny zanak’olombelona avy any an-danitra,Mba hahitana raha misy olona lalin-tsaina ka mitady an’i Jehovah.+  3  Nivily nankany amin’ny lalan-diso izy rehetra;+Ratsy toetra daholo izy ireo. Tsy misy manao ny tsara,Na iray aza.  4  Tsy mba misy tonga saina ve ny mpanao ratsy? Arapany ny vahoakako, ka hohaniny hoatran’ireny mihinan-kanina ireny. Tsy mba miantso an’i Jehovah izy ireo.  5  Hatahotra be anefa izy ireo,+Satria i Jehovah no eo amin’ny taranaka manao ny marina.  6  Ataon’ny mpanao ratsy izay tsy hahatanteraka ny fikasan’ny tsy manana.I Jehovah anefa no ialofany.+  7  Enga anie ka ho avy ao Ziona ny famonjena ny Israely!+ Rehefa ampodin’i Jehovah ny vahoakany lasa babo,Dia hifaly i Jakoba, ary hiravoravo i Israely.

Fanamarihana

Na: “tsisy saina.”