Salamo 145:1-21
Hira Fiderana nataon’i Davida.
א [Alefa]
145 Hanandratra anao aho, ry Andriamanitro sady Mpanjakako+ ô,Ary hidera ny anaranao mandrakizay mandrakizay.+
ב [Beta]
2 Hidera anao tontolo andro+ aho;Hidera ny anaranao mandrakizay mandrakizay+ aho.
ג [Gimela]
3 Tena miavaka i Jehovah, ka izy no mendrika hoderaina indrindra;+Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany.+
ד [Daleta]
4 Hidera ny asanao ny taranaka fara aman-dimby;Hanambara ny asa nataonao tamin’ny herinao+ izy ireo.
ה [He]
5 Ny haja amam-boninahitrao no horesahin’izy ireo,+Ary izaho kosa hisaintsaina an’ireo asa mahatalanjona nataonao.
ו [Vao]
6 Hiresaka momba ny zavatra miavaka sy mampahatahotra nataonao* izy ireo,Ary izaho hanambara ny fahalehibeazanao.
ז [Zaina]
7 Hiboiboika teny fiderana ny vavan’izy ireo rehefa mahatsiaro hoe lehibe tokoa ny hatsaran-toetranao,+Ary hihoby izy ireo noho ianao manao ny rariny.+
ח [Heta]
8 Mangoraka* sy mamindra fo i Jehovah,+Sady tsy mora tezitra ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.+
ט [Teta]
9 Manao soa amin’ny rehetra i Jehovah,+Ary hita amin’izay rehetra ataony fa mamindra fo izy.
י [Yôda]
10 Hanome voninahitra anao ny asanao rehetra, Jehovah ô!+Ary hidera anao ireo tsy mivadika aminao.+
כ [Kafa]
11 Hanambara ny voninahitry ny fanjakanao+ izy ireo,Ary hiresaka momba ny herinao,+
ל [Lameda]
12 Mba hampahafantarana amin’ny olona ny asa nataonao tamin’ny herinao+Sy ny haja amam-boninahitry ny fanjakanao.+
מ [Mema]
13 Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao,Ary maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny fitondranao.+
ס [Sameka]
14 Manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah,+Ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.+
ע [Aina]
15 Miandrandra anao ny maso rehetra;Manome azy ireo ny sakafony amin’ny fotoanany ianao.+
פ [Pe]
16 Manokatra ny tananao ianao,Ka manome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.+
צ [Tsade]
17 Manao ny rariny i Jehovah amin’ny lalany rehetra.+Tsy mivadika koa izy, amin’izay rehetra ataony.+
ק [Kôfa]
18 Akaiky an’izay rehetra miantso azy i Jehovah,+Dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana.*+
ר [Resa]
19 Manome fahafaham-po ny fanirian’izay matahotra azy izy;+Henoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka vonjeny.+
ש [Shina]
20 Miaro an’izay rehetra tia azy i Jehovah,+Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.+
ת [Tao]
21 Hidera an’i Jehovah ny vavako;+Aoka hidera ny anarany masina mandrakizay mandrakizay ny zavamananaina* rehetra.+