Salamo 2:1-12
2 Nahoana no mikorontana ireo firenena,Ary mingonongonona miteny* zavatra tsy misy dikany ny vahoaka?+
2 Mitsangana ireo mpanjakan’ny tanyAry mivondrona* ny manam-pahefana ambony,+Mba hanohitra an’i Jehovah sy ilay voahosotra notendreny.*+
3 Hoy izy ireo: “Andao hotapahintsika ny fatotra nataony,Ary hariantsika ny tady namatorany antsika!”
4 Hihomehy fotsiny anefa Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra;Haneso azy ireo i Jehovah.
5 Ho tezitra be izy amin’izay rehefa hiteny amin’izy ireo,Ary hampihorohoro azy ireo amin-katezerana mafy,
6 Ka hilaza hoe: “Izaho mihitsy no efa nametraka ny mpanjakako+Ao Ziona,+ tendrombohitro masina.”
7 Hanambara ny didin’i Jehovah aho.Hoy izy tamiko: “Zanako ianao;+Androany aho no lasa rainao.+
8 Angataho amiko ireo firenena, dia homeko ho lovanao,Ary ny tany manontolo, fa homeko ho fanananao.+
9 Hopotehinao amin’ny tehina vy+ ireny,Ary hotorotoroinao toy ny vilany tanimanga.”+
10 Koa asehoy hoe misaina tsara ianareo, ry mpanjaka;Maneke fanitsiana,* ry mpitsara eto an-tany!
11 Manompoa an’i Jehovah sady matahora azy,Ary mifalia, nefa koa mangovita.
12 Omeo voninahitra* ilay zanaka+ sao ho tezitra Andriamanitra*Ka ho ringana* ianareo,+Fa vetivety dia mirehitra ny fahatezerany.
Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
Fanamarihana
^ Na: “misaintsaina.”
^ Na: “mikaon-doha.”
^ Na: “ny Kristiny.”
^ Na: “Mitandrema.”
^ Abt: “Orohy.”
^ Abt: “izy.”
^ Na: “ho ringana tsy ho eo amin’ny lalan’ny fahamarinana.”