Salamo 26:1-12
Nataon’i Davida.
26 Tsarao aho, Jehovah ô, fa tsy mivadika;+I Jehovah no itokisako, ary tsy miovaova ny fatokisako azy.+
2 Diniho aho, Jehovah ô, ka sedrao;Diovy* ny eritreritro lalina indrindra* sy ny foko.+
3 Fa toy ny hoe eo alohako eo foana ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao,Ary mandeha amin’ny fahamarinanao aho.+
4 Tsy mifanerasera* amin’ny olona mamitaka aho,+Ary tsy miaraka amin’ireo manafina ny tena maha izy azy.*
5 Halako ny andian’olona mpanao ratsy,+Ary tsy manaiky hifanerasera* amin’ny ratsy fanahy aho.+
6 Hanasa tanana aho fa tsy manan-tsiny,Ary handeha manodidina ny alitaranao aho, Jehovah ô,
7 Mba handrenesana ny fisaorako anao+Sy hanambarako ny zavatra mahatalanjona rehetra nataonao.
8 Jehovah ô, tiako ny trano ipetrahanao,+Dia ilay toerana misy ny voninahitrao.+
9 Aza aringana miaraka amin’ny mpanota aho,+Ary aza aripaka miaraka amin’ny olona mahery setra,*
10 Izay mampiasa ny tanany mba hanaovana zavatra mahamenatra,Sady feno kolikoly ny tanany ankavanana.
11 Fa izaho kosa tsy mba hivadika mihitsy.
Afaho* aho, ka iantrao.
12 Mijoro eo amin’ny toerana tsy mikitoantoana ny tongotro;+Eo anivon’ny fiangonana lehibe no hiderako an’i Jehovah.+
Fanamarihana
^ Avy amin’ny teny hebreo midika ara-bakiteny hoe mandrendrika metaly mba hanadiovana azy.
^ Na: “fihetseham-poko lalina indrindra.” Abt: “voako.”
^ Abt: “miara-mipetraka.”
^ Na: “tsy miarakaraka amin’ny mpihatsaravelatsihy.”
^ Abt: “hiara-mipetraka.”
^ Na: “mpandatsa-dra.”
^ Abt: “Avoty.”