Salamo 47:1-9
Ho an’ny mpitarika. Hiran’ny taranak’i Kora.+
47 Mitehafa ianareo, ry firenena rehetra.
Manaova horakora-pandresena ho an’Andriamanitra sady mihobia.
2 Fa mendrika hatahorana i Jehovah, ilay Avo Indrindra;+Izy ilay Mpanjaka lehibe manerana ny tany manontolo.+
3 Ataony manaiky antsika ny vahoaka;Ataony ao ambany tongotsika ireo firenena.+
4 Mifidy lova ho antsika izy,+Dia ilay lova reharehan’i Jakoba, izay olona tiany.+ (Sela)
5 Miakatra any amin’ny toerany Andriamanitra raha mbola mihorakoraka sy faly ny olona;Miakatra any amin’ny toerany i Jehovah ary arahina feon’anjombona* izany.
6 Manaova hira fiderana* ho an’Andriamanitra. Manaova hira fiderana.
Manaova hira fiderana ho an’ny Mpanjakantsika. Manaova hira fiderana.
7 Fa Mpanjakan’ny tany manontolo Andriamanitra;+Manaova hira fiderana, ary aoka ho hita hoe olona misaina ianareo.
8 Lasa Mpanjaka eo amin’ireo firenena Andriamanitra.+
Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany masina Andriamanitra.
9 Mivondrona ny mpitarika vahoaka,Miaraka amin’ny vahoakan’ilay Andriamanitr’i Abrahama.
Fa an’Andriamanitra ireo mpitondra ny tany.*
Misandratra avo dia avo Izy.+
Fanamarihana
^ Na: “feona tandrok’ondry; feona trompetra.”
^ Na: “Mitendre mozika.”
^ Abt: “ampingan’ny tany.”