Salamo 60:1-12
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ny “Lisy Fampahatsiahivana.” Miktama* nataon’i Davida. Natao hampianarana. Tamin’izy niady tamin’i Arama-naharaima sy Arama-zoba, sy tamin’i Joaba niverina namono Edomita 12 000 teo amin’ny Lohasahan-tsira.+
60 Andriamanitra ô, efa narianao izahay ary efa naparitakao ny tafikay.+
Tezitra taminay ianao, fa mba ataovy mahazo sitraka aminao indray izahay izao.
2 Nataonao nihovotrovotra ny tany, ka nataonao nitresaka.
Amboary izay triatra aminy, fa mirodana izy.
3 Nataonao nijaly noho ny fahoriana ny vahoakanao.
Nampisotroinao divay izahay, ka mivembena.+
4 Omeo* famantarana ireo matahotra anao,Mba handositra sy ho afa-miala tsy ho voan’ny tsipìka. (Sela)
5 Vonjeo amin’ny tananao ankavanana izahay ka valio,+Mba ho avotra ireo tianao.
6 Efa niteny ilay Andriamanitra masina* hoe:
“Ho faly aho hanome an’i Sekema ho lovan’ny vahoakako,+Ary horefesiko ny Lohasahan’i* Sokota.+
7 Ahy i Gileada, ary ahy koa i Manase;+I Efraima no fiarovan-dohako;*Ary i Joda no ataoko tehim-pahefana.+
8 I Moaba no koveta isasako.+
Any Edoma no hanipazako ny kapako.+
Hihorakoraka sady ho faly aho rehefa resiko i Filistia.”+
9 Iza no hitondra ahy any amin’ilay tanàna natao fahirano?*
Iza no hitarika ahy hatrany Edoma?+
10 Tsy ianao ve, Andriamanitra ô, ilay nanary anay,Ilay Andriamanitray nefa tsy miaraka amin’ny tafikay intsony?+
11 Ampio izahay rehefa misy fahoriana mahazo anay,Fa tsy misy dikany ny famonjena avy amin’ny olombelona.+
12 Hahazo hery avy amin’Andriamanitra izahay,+Ary hanosihosy an’ireo fahavalonay izy.+
Fanamarihana
^ Na mety hoe “Nomenao.”
^ Na mety hoe “Efa niteny tao amin’ny toerany masina Andriamanitra.”
^ Na: “Lemaka Ivan’i.”
^ Abt: “toerana voaro mafy ho an’ny lohako.”
^ Na mety hoe “tanàna voaro mafy.”