Salamo 67:1-7
Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Salamo. Hira.
67 Hiantra sy hitahy antsika Andriamanitra;Ho miramirana* amintsika izy,+ (Sela)
2 Mba ho fantatra eran-tany ny lalanao,+Ary ho fantatra eo amin’ny firenena rehetra ny asa famonjenao.+
3 Hidera anao anie ny vahoaka, Andriamanitra ô!Hidera anao anie ny vahoaka rehetra!
4 Aoka ireo firenena hifaly sy hihoby,+Fa hotsarainao ara-drariny ny vahoaka.+
Hitari-dalana an’ireo firenena eto an-tany ianao. (Sela)
5 Hidera anao anie ny vahoaka, Andriamanitra ô!Hidera anao anie ny vahoaka rehetra!
6 Hahavokatra ny tany;+Hitahy antsika Andriamanitra, eny, ilay Andriamanitsika.+
7 Hitahy antsika tokoa Andriamanitra,Ary hatahotra* azy ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany.+