Salamo 70:1-5
-
Fangatahana fanampiana haingana
-
“Vonjeo haingana aho” (5)
-
Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida, ho fampahatsiahivana.*
70 Vonjeo aho, Andriamanitra ô!Jehovah ô, mba ampio haingana aho!+
2 Enga anie izay mitady hamono ahy*Mba ho menatra sy ho afa-baraka!
Enga anie ireo faly amin’ny fahavoazakoHandositra sady ho menatra!
3 Enga anie izay miteny hoe: “Tsara ho azy izay!”
Hiverin-dalana sady ho menatra.
4 Fa aoka kosa izay mitady anaoHifaly sy hiravoravo aminao.+
Enga anie ireo tia ny asa famonjenao hilaza foana hoe:
“Hankalazaina anie Andriamanitra!”
5 Fa tsy misy mpiaro aho sady mahantra;+Vonjeo haingana aho, Andriamanitra ô!+
Ianao no mpanampy sy mpanafaka ahy;+Jehovah ô, aza ela loatra.+