Salamo 85:1-13

  • Mivavaka mba haverina hoatran’ny taloha

    • Hiresaka fihavanana amin’ireo tsy mivadika aminy i Jehovah (8)

    • Hihaona ny fitiavana sy ny tsy fivadihana (10)

Ho an’ny mpitarika. Hiran’ny taranak’i Kora.+ 85  Niantra ny taninao+ ianao, Jehovah ô!Nampodinao ireo taranak’i Jakoba azo babo.+  2  Efa namela ny fahadisoan’ny vahoakanao ianao;Navelanao* daholo ny fahotany.+ (Sela)  3  Tsy navoakanao daholo ny hatezeranao,Ary tsy nisafoaka intsony ianao.+  4  Ataovy lasa hoatran’ny taloha* indray izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay ô,Ary aza sosotra aminay intsony.+  5  Hisafoaka aminay mandrakizay+ ve ianao? Mbola ho tezitra foana ve ianao hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby?  6  Tsy hovelombelominao indray ve izahayMba ho afaka hifaly aminao+ ny vahoakanao?  7  Asehoy hoe tia anay sy tsy mivadika aminay ianao, Jehovah ô,+Ary vonjeo izahay!  8  Hohenoiko izay lazain’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra,Satria izy hiresaka fihavanana amin’ny vahoakany,+ dia amin’ireo tsy mivadika aminy.Aoka anefa izy ireo tsy hatoky tena loatra indray.+  9  Akaiky an’izay matahotra an’Andriamanitra tokoa ny famonjeny,+Mba ho afaka hijanona eto amin’ny taninay ny voninahiny. 10  Hihaona ny fitiavana sy ny tsy fivadihana;Hifanoroka ny fahamarinana sy ny fiadanana.+ 11  Hitsimoka avy amin’ny tany ny tsy fivadihana,Ary hitazana avy any an-danitra ny fahamarinana.+ 12  Tena hanome zava-tsoa* i Jehovah,+Ary hahavokatra ny taninay.+ 13  Handeha eo alohan’Andriamanitra ny rariny,+Ka hanomana ny lalana handehanany.

Fanamarihana

Abt: “Nosaronanao.”
Na: “Angony.”
Na: “fiadanana.”