Salamo 93:1-5
93 Lasa Mpanjaka i Jehovah!+
Mitafy fahalehibeazana izy;Mitafy hery i Jehovah;Afatony eny aminy toy ny fehikibo izany.
Mafy orina ny tany,*Ka tsy voahozongozona.*
2 Efa mafy orina hatry ny ela ny seza fiandriananao;+Efa nisy foana ianao hatramin’izay.+
3 Misondrotra be ny renirano, Jehovah ô,Misondrotra be sy misamboaravoara ny renirano.Misondrotra be foana sady midoboka mafy ny renirano.
4 Mahery noho ny feon’ny rano be,Sady mahery noho ny fidoboky ny onjan-dranomasina,+Ianao, Jehovah ô, ilay heni-kaja any amin’ny avo.+
5 Tena azo atokisana ny fampahatsiahivanao.+
Mandravaka* foana ny tranonao ny fahamasinana,+ Jehovah ô!