FANONTANIANA 11
Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?
“Miala ny fofonainy, ary miverina amin’ny tany izy; amin’iny andro iny ihany, dia foana ny eritreriny.”
“Fantatry ny velona hoe ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona ... Izay rehetra azonao atao, dia ataovy amin’ny herinao manontolo. Fa tsy misy afaka miasa, na mikasa hanao zavatra, na mahazo fahalalana, na maneho fahendrena, any amin’ny Fasana halehanao.”
‘Hoy [i Jesosy]: “Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.” Te hilaza anefa i Jesosy hoe maty i Lazarosy, nefa noheverin’izy ireo fa maka aina izy dia matory. Notsorin’i Jesosy avy eo hoe: “Maty i Lazarosy.”’