Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Albania

Albania

Albania

FIRENENA kely i Albania, nefa maro ny zavatra nianjady taminy. Betsaka ny foko efa nandalo teto. Nifandrotehan’ireo firenena matanjaka koa i Albania, ary tsy nifandray tamin’ny firenen-kafa nandritra ny am-polony taona. Niatrika olana maro ny Vavolombelon’i Jehovah teto. Asehon’ilay tantara mampihetsi-po ho hitantsika ato anefa, fa manohana an’ireo mpanompony manetry tena ao amin’io tany io ny “tanan’i Jehovah.”—Asa. 11:21.

Niady ny hifehy an’i Albania ireo firenena matanjaka, nandritra ny taonjato maro. Lasa nisy fivavahana maro àry teto, taoriana kelin’ny taona 1500. Tao ny Silamo, Ortodoksa, ary Katolika.

Nafana ny fitiavan-tanindrazana, taloha kelin’ny 1900, ary nihamaro ny fikambanana nanindrahindra firenena. Tantsaha ny ankamaroan’ny Albaney tamin’izany. Maro no nilaza fa ny fidiran’ny vahiny teto no nampahantra azy. Naniry mafy ny hahaleo tena i Albania tamin’ny 1900, ka niady tamin’i Gresy sy Serbia ary Torkia. Nanambara ny fahaleovan-tenany izy, tamin’ny 1912.

Tsy navelan’ny mpitondra kominista hivavaka intsony ny olona, tatỳ aoriana. Taorian’ny Ady Lehibe II, dia nofongorana ny fivavahana rehetra. I Albania no firenena voalohany nitonona ho tsy mino an’Andriamanitra.

“FALY MANDRAY NY FAHAMARINANA”

Nilaza ny apostoly Paoly, talohan’ny taona 56, fa tonga “hatrany Ilyrikiona” izy sy ny namany, ary vitany tsara ny asa fitoriana. Faritany romanina i Ilyrikiona, ary anisan’izy io ny ampahany amin’i Albania ankehitriny. (Rom. 15:19) Azo inoana fa lasa Kristianina ny olona sasany nonina teto. Resahin’ny tantara mantsy fa namaka teto ny fivavahana kristianina, tamin’ny taonjato voalohany.

Tamin’ny 1921 indray vao fantatra hoe nisy olona nanaraka ny fivavahana marina teto. Nanoratra tany amin’ny Betelan’i Brooklyn i John Bosdogiannis, tamin’io taona io, tamin’izy tany Kreta. Nitsidika “kilasy” fianarana Baiboly, hono, izy tao Ioannina, izay ao amin’ny faritra avaratr’i Gresy ankehitriny. Maro ny Albaney nipetraka tany Nouvelle-Angleterre, Etazonia, ary anisan’izy ireo i Thanas (Nasho) Idrizi sy Costa Mitchell. Natao batisa avy hatrany izy ireo, rehefa nianatra ny fahamarinana. Nody tao Gjirokastër ny Rahalahy Idrizi, tamin’ny 1922. Izy no voalohany nody an-tanindrazana tamin’ireo Albaney nahita ny fahamarinana. Nitahy ny ezaka nataony i Jehovah, ka nanomboka nandray ny fahamarinana ny olona. Nody koa ireo Vavolombelona albaney hafa nipetraka tany Amerika, tatỳ aoriana. Nitory tamin’ireo Albaney tany Boston, Etazonia, kosa i Costa Mitchell.

Teraka teto Albania i Sokrat sy Thanas Duli (Athan Doulis), saingy nentina tany Torkia. Niverina teto i Sokrat tamin’ny 1922. Tonga koa i Thanas, izay vao 14 taona, herintaona taorian’izay. Hoy izy: “Tsy hitako tao amin’ilay trano ntaolo be nisy anay ny rahalahiko, rehefa tonga aho. Niasa tany amin’ny 200 kilaometatra avy teo mantsy izy. Hitako kosa ny gazety Tilikambo, Baiboly, ireo boky Fianarana ny Soratra Masina anankifito, ary ireo bokikely nisy loha hevitra ara-baiboly. Na dia tany amin’io faritra nitokana sy be tendrombohitra io aza, dia nisy Mpianatra ny Baiboly avy tany Amerika, izay nahay Baiboly sady tia azy io.” Efa vita batisa i Sokrat tamin’izay, ary nampianariny ny fahamarinana ny rahalahiny raha vao tafahaona izy ireo.

Ny sampan’i Romania no niandraikitra ny asa teto, tamin’ny 1924. Mbola kely ny asa vita, kanefa hoy ny Tilikambo 1 Desambra 1925: “Voadika amin’ny fiteny eo an-toerana koa ny boky Ny Harpan’Andriamanitra sy ny bokikely Fitondram-panjakana Irin’ny Olona ary Ny Fahoriana Maneran-tany. ... Maro tamin’ireo no efa voapetraka, ary faly mandray ny fahamarinana ny Albaney.”

Nanjaka ny adilahy politika tamin’izany. Ary nanao ahoana ireo mpanompon’i Jehovah? Hoy i Thanas: “Nisy fiangonana telo teto Albania, tamin’ny 1925. Tany amin’ny toerana mitokana kosa ny Mpianatra ny Baiboly sasany.” Hitany koa fa niavaka ny fifankatiavan’izy ireo, fa tsy toy ireo olona tia mifanditra sy tia tena ary tia mifaninana manodidina azy. Maro no nandao an’i Albania. Ny hafa kosa nody teto rehefa nahita ny fahamarinana, satria te hiresaka amin’ny havany momba an’ilay Fanjakana vaovao tarihin’i Kristy.

Nanao ahoana ny tany Boston? Nisy lahateny tamin’ny teny albaney tany, rehefa alahady maraina, ary 60 teo ho eo ny mpanatrika. Nazoto nianatra izy ireo, ary tia nandinika ny boky Fianarana ny Soratra Masina. Nianarany tsara koa ny boky Ny Harpan’Andriamanitra, na dia nisy fandikan-teny diso aza tao. (Nadika hoe Ny Gitaran’Andriamanitra, ohatra, ny lohatenin’izy io tamin’ny voalohany.) Nanatanjaka ny finoan’ny Albaney maro anefa izy io, sady nanampy azy ireo hahalala ny fahamarinana.

“AZA HELINGELENINA IZY!”

Nisy 13 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana teto Albania, tamin’ny 1926, araka ny tatitra tao amin’ny Tilikambo. Hoy ny Diary 1927: ‘Tsy misy afa-tsy rahalahy vita fanokanan-tena 15 eo ho eo any Albania. Miezaka mafy anefa izy ireo mizara ny hafatra momba ilay fanjakana.’ Hoy koa izy io: “Misy rahalahy albaney 30 eo ho eo eto Amerika. Iriny mafy ny hanampy ny mpiray tanindrazana aminy hahalala ny Fahamarinana.” Faly ireo rahalahy 15 teto, rehefa nahita fa nisy 27 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, tamin’ny 1927. Avo roa heny mahery noho ny tamin’ny 1926 izany.

Mbola nisy korontana ara-politika teto Albania, taloha kelin’ny 1930. Vao tafakatra kelikely teo amin’ny fitondrana i Fan Noli, eveka ortodoksa, dia naongan’ny Filoha Ahmed Bey Zogu. Novany hoe Mpanjaka Zog I ny anarany, ary izy ihany, hono, no masi-mandidy.

Niainga avy tany Etazonia i Lazar Nasson sy Petro Stavro ary ny rahalahy roa hafa, mba hampiseho ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” teto Albania, tamin’ny 1928. Nisy pretra katolika sy ortodoksa avy tany Etazonia koa tonga teto, mba hitsidika ny Mpanjaka Zog I.

Hoy ilay pretra katolika tamin’ny mpanjaka: “Mitandrema ianao fa misy olona avy any Amerika tonga eto, mba hanakorontana anao.”

Tsy nitovy hevitra taminy anefa ilay pretra ortodoksa. Fantany ireo rahalahy ireo, satria vao haingana izy ireo no niala tao amin’ilay fiangonana niandraiketany tany Boston. Hoy izy: “Raha toa an’ireo lehilahy ireo daholo ny mponin’i Albania, dia tsy ho voatery hanidy ny varavaran’ny lapanao akory ianao!”

“Aza helingelenina izy, raha izany!”, hoy i Zog.

Natao pirinty tany Boston ny Hira Fiderana An’i Jehovah amin’ny teny albaney, tamin’io taona io. Afaka nianatra ny tononkira sy ny feony ireo rahalahy teto, tatỳ aoriana. Anisan’ny tena tian’izy ireo ilay hoe “Aza Matahotra ry Ondry Vitsy” sy ilay hoe “Andao Hiasa!” Nampahery an’ireo rahalahy, nandritra ny fotoan-tsarotra taorian’izay, ireo hira ireo.

Mivantambantam-piteny sy tia miresaka amim-pahatsorana ny Albaney amin’ny ankapobeny. Mety hanafintohina ny olon-kafa ny resaka mahafinaritra ny Albaney. Tonga dia resahiny amin’ny hafa koa ny zavatra tena inoany, ary miaina mifanaraka amin’izany izy. Niharihary izany rehefa nandray ny vaovao tsara ry zareo.

MITONDRA VOKATRA TSARA NY ZAVA-TSAROTRA

Nihamaro ny Albaney nandao ny taniny, rehefa nitombo ny olana ara-politika sy ara-toe-karena. Nianatra ny fahamarinana ny sasany, rehefa tonga tany Nouvelle-Angleterre sy New York. Niroborobo ny fahamarinana tany amin’ny toerana rehetra nisy Albaney. Naniry mafy hahazo boky maro kokoa ireo rahalahy, ka faly erỳ rehefa nivoaka tamin’ny fiteniny ny bokikely Fanjakana sy Fotoan-tsarotra.

Nalain’ny mpitondra teto Albania ny boky sasany. Nisy tatitra avy teto anefa tao amin’ny Gazety na Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny, tamin’ny 1934: “Faly izahay milaza aminareo fa navelan’ny Minisitry ny Fitsarana hozaraina amin-kalalahana izao ny bokintsika, any amin’ny faritany rehetra. ... Efa naverina tamin’ireo rahalahy daholo ireo boky nalain’ny manam-pahefana ... Nanofa fiara ny rahalahy fito, [ary] mitondra boky any amin’ireo tanàna lavitra. Ny hafa indray miasa amin’ny faritany akaiky kokoa.” Noho izany, dia boky sy gazety 6 500 mahery no voapetraka, tamin’ny 1935 sy 1936.

‘FANDAHARANA NIELY PATRANA INDRINDRA’

Hoy ny gazety anglisy iray, tany am-piandohan’ny 1936: “Halefa tsy ho ela ny fandaharana iray heverina ho miely patrana indrindra hatramin’izay. Tsy inona izy io fa ny toritenin’i Rutherford Mpitsara, mpitory ny vaovao tsara avy ao Los Angeles.” Izy no nitarika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Halefa amin’ny radio-telefaonina eran’i Etazonia sy Grande-Bretagne ny lahateniny, ary hampitaina any amin’ny firenena eoropeanina maromaro koa. Hoy ihany ilay gazety: “Tsy handre an’ilay toriteny ny firenena iray eto Eoropa. Tsy iza izany fa i Albania, satria tsy misy telefaonina any.”

Nanoratra tany amin’ny foibe anefa i Nicholas Christo, anisan’ny fiangonana albaney tany Boston, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana: “Tianay ny hilaza aminareo ny vaovao voarainay avy tany Albania. Re tao amin’io tany io, hono, ny lahatenin’i Rutherford Mpitsara hoe ‘Fanavahana An’ireo Firenena.’ Niampy iray indray ny firenena naheno an’ilay izy, ho fanampin’ilay lisitra efa lava be. Toerana roa no nandrenesana azy io ... angamba tamin’ny alalan’ny onjam-peo fohy. ... Faly be ireo rahalahy rehefa nandre ny feon’i Rutherford Mpitsara.”

Ahoana no nitarihan’ireo mpitory albaney ny fivoriana, tamin’ny mbola tsy nisy Tilikambo tamin’ny fiteniny? Nahay teny grika ny ankamaroan’izy ireo, ka tsy sarotra taminy ny nianatra Tilikambo tamin’io fiteny io. Ny hafa kosa nampiasa Tilikambo tamin’ny teny italianina na frantsay. Natao tamin’ny teny albaney ny fivoriana, ary nandika an’izay voalaza tao anaty gazety ireo rahalahy nandritra ny fandaharana.

Gazety tamin’ny teny grika koa no nampiasaina tany Boston, tamin’ny Fianarana Tilikambo isaky ny alatsinainy hariva. Nanao tsara ny adidiny anefa ireo ray aman-dreny, ka lasa mpanompo manontolo andro ny zanany, sy ny zanaky ny iray tam-po aminy, ary ny zafikeliny sy ny zafiafiny, taona maro tatỳ aoriana. Tena nazoto nitory ireo Vavolombelona albaney, ka nantsoin’ny olona hoe ungjillorë, na “mpitory ny vaovao tsara.”

NITORIANA NY OLONA AMBONY

Nitsidika an’i Boston ny roa tamin’ny anabavin’i Zog Mpanjaka, tamin’ny 1938, izany hoe herintaona talohan’ny naharavan’ny fitondrany. Hoy ny gazety Fampiononana (Mifohaza! ankehitriny), volana Desambra: ‘Nankao amin’ny hotely nivantanan’izy ireo ny roa taminay, izay Vavolombelona albaney avy eto Boston. Nitoriana ny hafatra momba ny fanjakan’Andriamanitra izy ireo ary noraisiny tsara izahay.’

I Nicholas Christo sy Lina anabaviny ireo Vavolombelona roa ireo. Tsy ny anabavin’ny mpanjaka ihany no nihaona taminy, fa manam-pahefana dimy hafa koa. Anisan’izany i Faik Konitza (Konica), ambasadaoron’i Albania tany Etazonia. Nisy taratasy novakina tamin’izy ireo, talohan’ilay fihaonana. Nohazavaina tao fa efa maro be ny Albaney nitoriana ny fahamarinana. Izao ny ampahany tamin’izy io: “Faly izahay milaza aminareo fa efa an-taonany maro no notorina tany Albania ity hafatra ity. Boky an’aliny no voazara tamin’ny manam-pahefana sy ny vahoaka albaney, mba hahazoany fahalalana sy fampaherezana.”

Hoy ny Ambasadaoro Konitza tamin’izy mirahavavy: “Tiany raha mampiasa ny fahefanareo ianareo, mba hahatonga ny fitoriany tsy ho voasakantsakana any Albania. Finoana ‘vaovao’ ny azy. Mino izy ireo fa hifarana izao tontolo izao [na ny fitondrana misy ankehitriny] ary aorian’izay dia i Kristy no hanjaka, ka na ny maty aza hatsangana.”

Nahoana Atoa Konitza no nahay tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana? Hoy ny gazety Fampiononana: ‘Efa nifankafantatra izy sy ny Vavolombelona iray, talohan’ny nahalalan’izy io ny fahamarinana. Imbetsaka izy io no nitory taminy.’

FITSAPANA VOKATRY NY ADY LEHIBE II

I Italia no nitondra an’i Albania teo anelanelan’ny 1930 sy 1940. Nandositra i Zog Mpanjaka sy ny ankohonany, tamin’ny 1939. Noraran’ny miaramila fasista italianina ny bokintsika, ary tsy navela hanompo ireo mpitory 50 teto. Nalaina an-keriny ny boky 15 000, tamin’ny tapatapaky ny taona 1940. Nisambotra rahalahy sivy ny Fasista tao Këlcyrë, ny 6 Aogositra, ary efitra figadrana tery kely no nasiana azy ireo. Nafindra tao amin’ny fonja iray tao Tirana izy ireo, tatỳ aoriana. Nigadra valo volana ry zareo nefa tsy notsaraina akory. Folo volana ka hatramin’ny roa taona sy tapany ny sazy nomena azy ireo, taorian’ny fitsarana.

Ny fianakaviany no namatsy sakafo ny voafonja, tamin’izany. Ireo mpamelona ny fianakaviana mihitsy anefa izao no nigadra. Ahoana àry no hahazoany sakafo?

Hoy i Nasho Dori: “Nahazo mofo maina 800 grama sy arintany telo kilao ary baran-tsavony iray izahay, isaky ny tapa-bolana. Nanam-bola ampy hividianana tsaramaso iray kilao izahay sy Jani Komino. Nandrahoinay tamin’ilay arintany izany. Novidin’ny voafonja hafa ilay tsaramaso, ary nafatra tamin’ny sotro. Tsy ela dia lasa tsaramaso dimy vilany no nandrahoinay. Afaka nividy hena izahay, tatỳ aoriana.”

Nanafika ny faritra atsimon’i Albania ny miaramila grika, tamin’ny faramparan’ny 1940 sy ny fiandohan’ny 1941. Noteren’izy ireo hanao raharaha miaramila ny lehilahy rehetra. Tsy nanaiky ny rahalahy iray, ka notaritaritiny tamin’ny volony sy noveliveleziny, ary tsy navelany raha tsy torana.

“Mbola tsy hankatò ihany?”, hoy ny manamboninahitra iray, rehefa nahatsiaro tena ilay rahalahy.

“Mbola tsy hiady aho ka”, hoy ilay rahalahy.

Tezitra ry zareo, ka navelany handeha izy.

Nankany an-tranon’io rahalahy io ilay manamboninahitra, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nidera azy noho ny herim-pony. Hoy izy: “Namono Italianina 12 aho, andro vitsivitsy lasa izay, ary nahazo meday. Manenjika ahy anefa izao ny eritreritro, ka menatra aho ny hitondra an’ilay izy. Afeniko ato am-paosy ilay izy, satria mariky ny vonoan’olona.”

NY MPITONDRA NO NIOVA, FA NY FITSAPANA TSY NIOVA

Niforona mangingina tao anatin’ilay ady sy korontana ny Antoko Kominista albaney, na dia nibodo toerana aza ny Fasista. Nosamborin’ireo miaramila tsy tia Kominista ny rahalahy iray, tamin’ny 1943. Nataony tao anaty kamiao izy, ary nentiny tany am-bava ady sady notolorany basy. Tsy nety nandray anefa izy.

Nilelalela ilay manamboninahitra hoe: “Kominista ialahy! Raha Kristianina ialahy dia ho niady hoatran’ny pretra!”

Nasainy notifirin’ny miaramila ilay rahalahy. Tonga anefa ny manamboninahitra iray hafa, raha mbola niomankomana izy ireo. Nanontany izay nitranga izy io. Tsy navelany hotifirina izy, rehefa fantany hoe tsy nomba ny atsy na ny aroa, ary nafahana.

Nanafika ny Alemà tamin’ny Septambra 1943, ary nisintaka ny Fasista. Olona 84 no matin’ny Alemà tao Tirana, tao anatin’ny indray alina monja. An-jatony no nalefa tany amin’ny toby fitanana. Ireo rahalahy kosa nanoratra hafatra tamin’ny taratasy, izay nitory fanantenana sy fampaherezana avy tao amin’ny Baiboly. Rehefa avy namaky izany ny olona iray, dia nasaina naveriny ilay izy mba hovakin’ny hafa. Nitory foana izy ireo, sady nitondra an’ireo bokikely vitsivitsy nafeniny. Ampahany tamin’ny Baiboly ihany no nampiasainy, satria tsy nanana Baiboly feno izy ireo raha tsy tamin’ny 1995 tany ho any.

Rahalahy 15 no nigadra tamin’ny 1945. Ny roa nalefa tany amin’ny toby fitanana, ka ny iray taminy nampijalina mandra-pahafatiny. Ny mahatsikaiky dia izao: Nenjehina ireo rahalahy teto Albania, satria tsy nety nanohana ny tafiky ny Axe (fikambanan’ny Alemà sy Italianina ary Japoney). Ny Albaney sasany tany Etazonia kosa nogadraina, satria tsy nety niady tamin’ny Axe.

Rotidrotiky ny ady i Albania, tamin’izay, ary notazonina tao amin’ny doanina ny bokintsika. Nafotaka ny ady teo akaiky teo ka potika ny doanina, ary niparitaka teny an-dalana ny boky. Naka tamin’izany ireo mpandalo te hahalala zavatra, ary nanomboka namaky. Nanangona ny ambiny avy hatrany ireo rahalahy.

Nisintaka ny tafika alemà tamin’ny 1944, ary nanangana fitondrana vonjimaika ny tafika kominista. Nangataka hanao pirinty bokikely avy hatrany ireo rahalahy. Nolavina anefa izany. Izao no nolazaina taminy: “Manakiana an’ireo mpitondra fivavahana Ny Tilikambo Fiambenana. Mbola ekena eto Albania anefa izy ireo.”

NIFARANA NY ADY, FA NITOHY NY FANENJEHANA

Nitaky hetra ambony be ilay fitondrana vaovao. Nalainy an-keriny ny trano, tany, orinasa, fivarotana, ary trano fijerena sinema. Tsy navela hividy na hivarotra na hanofa tany ny olona, ary nasaina nentina tany amin’ny Fanjakana ny vokatra. Lasa Repoblika Entim-bahoaka i Albania, tamin’ny 11 Janoary 1946. Nandresy tamin’ny fifidianana ny Antoko Kominista, ary i Enver Hoxha no filoha.

Nihamaro ny sekoly nosokafana, ary nampianarina namaky teny ny ankizy. Tsy navela hamaky boky tsy nanohana ny Kominisma anefa ny olona. Nalain’ny fanjakana ny bokintsika. Nalainy koa ny milina fanoratana vitsivitsy sy ireo taratasy fotsy mba notehirizin’ireo rahalahy.

Nolavina sy norahonana foana ireo rahalahy, isaky ny nanao fangatahana hanonta boky. Tsy nivadika anefa izy ireo. Hoy izy tamin’ny manam-pahefana: “Asain’i Jehovah mampahafantatra ny fikasany amin’ny vahoaka albaney izahay, nefa sakananareo. Hotsarain’i Jehovah amin’izany ianareo!”

Toa nidika toy izao ny valin-tenin’ireo mpitondra: ‘Izahay no masi-mandidy eto Albania fa tsy Andriamanitra! Tsy matahotra anareo izahay, ary tsy miraharaha an’izay Jehovah Andriamanitrareo any!’ Tsy natahotra anefa ireo rahalahy, fa nanohy nitory isaky ny afaka nanao izany, na taiza na taiza.

Noterena hifidy ny rehetra, tamin’ny 1946, ary noheverina ho fahavalon’ny Fitondrana izay tsy nanaiky. Voarara ny fivoriana, ary heloka bevava ny fitoriana. Inona no nataon’ireo rahalahy?

Nanao fandaharana hiara-mitory ny rahalahy tao Tirana, tamin’ny 1947. Tokotokony ho 15 izy ireo. Nosamborina sy nampijalijalina ry zareo, ary norovitina ny Baiboliny. Nafahana izy ireo avy eo, fa tsy navela handeha tany an-toeran-kafa raha tsy nahazo alalana avy tamin’ny polisy. Nanazimbazimba an’i Jehovah sy Jesosy ny gazety filazam-baovao.

Ren’ireo rahalahy tany Boston ny nanjo an’ireo Vavolombelona teto Albania. Nanoratra taratasy roa pejy tany amin’i Enver Hoxha izy ireo, tamin’ny 22 Martsa 1947. Taratasy feno fanajana izy io, ary natao hanampiana an’ireo rahalahy teto. Nohazavaina tao fa tsy manelingelina ny fitondrana mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Miampanga lainga ny mpitondra fivavahana, satria namaky bantsilana ny fanao ratsiny ny bokintsika. Hoy ilay taratasy teo am-pamaranana: “Nitsidika ny hotely nisy an’Atoa Kapo izahay, rehefa nandalo teto Boston izy sy ny solontenan’ny fanjakana albaney ho any amin’ny Firenena Mikambana. Nandray anay tamim-panajana Atoa Kapo, ary nihaino ny hafatra nentinay.” Anisan’ny olona ambony indrindra teto Albania i Hysni Kapo, nandritra ny taona maro. Vao mainka nitombo anefa ny olana.

Nifandray tamin’ny Firaisana Sovietika sy Iogoslavia i Albania, tamin’ny 1947, fa niady tamin’i Gresy. Nisaraka tamin’i Iogoslavia izy ny taona nanaraka, ary nifandray akaiky kokoa tamin’ny Firaisana Sovietika. Nailikilika izay rehetra tsy nanohana ny firehan-kevitry ny fitondrana. Nihamafy ny fanenjehana, rehefa tsy nety nanao politika ireo rahalahy.

Niara-nankalaza ny Fahatsiarovana tao amin’ny tanàna kely iray, ohatra, ny rahalahy sy anabavy enina, tamin’ny 1948. Tonga tampoka ny polisy, ary nokapohiny nandritra ny ora maro ireo mpitory vao navelany handeha. Voasambotra ilay rahalahy nanao lahateny, tapa-bolana taorian’izay, ary nasaina nijoro nandritra ny adiny 12. Nanontany azy toy izao ny lehiben’ny polisy tamin’ny misasakalina: “Fa nahoana ianareo no nandika lalàna?”

“Tsy mety raha ataonay ambony noho ny lalàn’ny Tompo ny lalàn’ny Fanjakana!”, hoy ilay rahalahy.

Tezitra ilay polisy, ka nasiany tehamaina izy. Natodik’ilay rahalahy tany aminy ny takolany ilany avy eo, ka hoy ilay polisy: “F’inona ity ataonao?”

“Efa nolazaiko taminao hoe Kristianina izahay. Nampianatra anay i Jesosy, fa raha misy olona mamely tehamaina ny takolakao iray, dia atodiho any aminy koa ny takolakao ilany.”

Tezitra be ilay polisy, ka niteny hoe: “Izaho tsy hankatò ny Tomponareo, raha niteny an’izany izy. Tsy hamely anao intsony aho! Ndeha mandeha any!”

“TSY MAINTSY HITORY AHO”

Ortodoksa nafana fo i Sotir Ceqi, ary nipetraka tao Tirana. Voan’ny tioberkilaozy amin’ny taolana izy tamin’ny mbola kely, ka nanaintaina be ny tongony. Kivy be izy tamin’izy 17 taona, ka nanapa-kevitra ny hamono tena ary hitsambikina eo anoloan’ny lamasinina. Nitsidika azy anefa ilay havany atao hoe Leonidha Pope, talohan’ny hamonoany tena. Tsy fantany izay tian’i Sotir hatao, fa noresahiny taminy hoe nanasitrana aretina i Jesosy ary ho lasa paradisa ny tany. Nomeny Soratra Grika koa i Sotir, ary novakiny avy hatrany izy io.

Hoy i Sotir: “Toy ny rano namelombelona ahy ilay izy. Hitako ny fahamarinana!”

Nieritreritra toy izao izy, andro vitsivitsy taorian’izay, na dia tsy nihaona tamin’i Leonidha intsony aza: ‘Milaza ny Baiboly fa nitory i Jesosy. Nitory daholo ny apostoly sy ny mpianatra. Tokony hitory koa aho izany.’

Nandeha nitory isan-trano àry i Sotir, ka ny tanany iray nihazona ny Soratra Grika, fa ny iray kosa nitana tehina.

Ny Sigurimi, na polisy miafina, no nanao izay hiarovana an’i Albania tamin’izany. Nanara-maso izay zavatra nety hanohintohina ny Kominisma izy ireo, ary tsy niafina taminy ny asa fitoriana nataon’i Sotir. Nosamboriny izy, notazoniny nandritra ny ora maro, nokapohiny, ary norarany tsy hitory intsony.

Nankany amin’i Leonidha izy rehefa nafahana. Nentiny tany amin’ny Dokotera Spiro Karajani i Sotir. Efa an-taonany maromaro i Spiro no nianatra Baiboly. Sady nitsabo an’i Sotir izy no nanampy azy hahatakatra kokoa ny fahamarinana.

Nanoro hevitra an’i Sotir izy hoe: “Raha voasambotra indray ianao ka asaina manao sonia taratasy, dia isao aloha ny teny sy ny andalana rehetra. Asio tsipika ao aorian’ny tenin’izy ireo, ary aza avela hisy banga mihitsy. Vakio tsara daholo izay voalaza ao. Ataovy azo antoka hoe izay tena nolazainao no soniavinao.”

Tratran’ny polisy nitory indray i Sotir, roa andro taorian’izay. Nasaina nanao sonia taratasy iray izy, tao amin’ny paositry ny polisy. Efa saika hanao sonia izy no nahatsiaro ny torohevitr’i Spiro. Naka fotoana hamakiana tsara an’ilay taratasy izy, na dia nododonan’ny polisy aza.

Hoy izy avy eo: “Miala tsiny, fa tsy afaka manao sonia an’io aho. Tsy niteny an’ireo aho. Mandainga aho raha manao sonia an’io.”

Nanamboatra karavasy ny polisy, ary nokapohiny nandritra ny ora maro i Sotir. Mbola tsy nanaiky ihany anefa izy, ka nasain’izy ireo nitazona tariby roa, ary nampijalijaliny tamin’ny herinaratra.

Hoy i Sotir, tatỳ aoriana: “Nivavaka tamin-dranomaso aho, rehefa tsy zakako intsony ilay fanaintainana. Nivoha tampoka ny varavarana. Nijoro teo ny lehiben’ny polisy. Nanopy ny masony izy, ary tsy nahajery intsony avy eo. ‘Ajanony io!’, hoy izy. ‘Tsy azo atao izao!’ ” Fantatr’izy ireo tsara fa voararan’ny lalàna ny fampijaliana. Tsy nampahory azy intsony ny polisy, kanefa mbola nanery azy hanao sonia an’ilay taratasy ihany. Tsy nanaiky anefa izy.

“Nandresy ialahy!”, hoy izy ireo tamin’ny farany. Nanoratra tsy sazoka ny zavatra nolazain’i Sotir izy ireo, dia ilay fanambarana tsara nataony. Nomeny azy ilay taratasy. Novakin’i Sotir tsara ilay izy, na dia efa avy niaritra fampijaliana nandritra ny ora maro aza izy. Raha vao nisy nalaladalaka tao aorian’ny fehezanteny iray, dia nasiany tsipika lava be nanaraka azy io.

“Taiza koa no nahaizan’ialahy an’izao?”, hoy ireo polisy gagagaga.

“Nampianarin’i Jehovah aho hoe tsy tokony hanao sonia an’izay zavatra tsy nolazaiko”, hoy i Sotir.

Efa tamin’ny sivy alina tamin’izay, ary noana be i Sotir satria tsy nihinan-kanina nandritra ny andro. Sady nanome mofo sy fromazy ny polisy iray no nanontany hoe: “Dia iza izany no nanome an’ialahy an’iny? I Jehovah ve? Tsia an! Izahay no nanome an’iny.”

“Afaka manampy amin’ny fomba maro i Jehovah”, hoy i Sotir. “Nataony fotsiny izay hampahalefaka ny fonareo.”

Tezitra ireo polisy ka nilaza hoe: “Havelanay handeha ialahy, fa raha mbola tratranay mitory eo, dia fantatr’ialahy tsara izay hitranga!”

“Aza alefa àry aho e! Tsy maintsy hitory aho tsinona.”

“Aza lazaina amin’olona izay nataonay tamin’ialahy tato!”, hoy ilay polisy.

“Tsy afaka mandainga kosa aloha aho, raha misy manontany e!”

“Lasa ialahy mandeha any!”, hoy ilay polisy nitrerona.

Iray tamin’ireo olona nampijalijalina toy izany i Sotir. Taorian’io fitsapam-pinoana io izy vao natao batisa.

Novakin’ny mpanara-maso ny taratasy rehetra nalefa paositra, nandritra ny taona maro. Izay fanazavana an-kolaka ihany no tafavoaka teto. Nanomboka tsy nifandray intsony ireo rahalahy albaney, satria nihanampidi-doza ny nankany amin’ny tanàna hafa sy ny namonjy fivoriana. Sarotra ny namantatra an’izay tena nitranga, satria tsy nisy mpiandraikitra nandamina ny asa teto. Nitombo foana anefa ny olona nanaiky ny fahamarinana. Nisy rahalahy sy anabavy 50 teto tamin’ny 1940, ary lasa 71 tamin’ny 1949.

NANDROSO NY ASA, NA TEO AZA NY OLANA ARA-POLITIKA

Nihamafy ny fanaraha-maso teo anelanelan’ny 1950 sy 1960. Teo amin’ny lafim-piainana rehetra mihitsy izany. Nihahenjana ny tady teo amin’i Albania sy Gresy. Tsy nisy koa ny fifandraisana ara-panjakana tamin’i Angletera sy Etazonia. Na ny fifandraisana tamin’ny Firaisana Sovietika aza nigoragora. Nanjary tsy nifampiraharaha tamin’ny firenen-kafa i Albania, ary narahi-maso akaiky ny taratasy rehetra nalefa paositra.

Afaka nandefa taratasy sy karta tany amin’ireo rahalahy tany Soisa anefa ny rahalahy roa. Namaly tamin’ny teny frantsay na italianina ireo rahalahy soisa, ary nataony an-kolaka izany. Fantatr’ireo rahalahy albaney avy tamin’ireny karta ireny, fa nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Nuremberg, Alemaina, tamin’ny 1955. Vao mainka tapa-kevitra ny tsy hivadika ireo rahalahy albaney, nony reny hoe nahazo fahalalahana ireo Vavolombelona alemà, rehefa nifarana ny fitondran’i Hitler.

Lasa 75 ny mpitory teto, tamin’ny 1957. Tsy tena fantatra ny isan’ireo nanatrika Fahatsiarovana, kanefa nilaza ny Diary 1958 fa “maro” ny mpanatrika ary “mbola mitory foana ireo rahalahy albaney.”

Hoy ny Diary 1959: “Manao izay azony atao foana ireo Vavolombelona tsy mivadika ireo. Resahiny an-karihary ny fahamarinana. Niezaka nanao pirinty koa aza izy ireo. Ankasitrahany ilay sakafo tonga amin’ny fotoana mety, izay tody tany aminy tsindraindray. Miharihary anefa fa notapahin’ny fitondrana kominista tanteraka ny fifandraisana tamin’ny firenen-kafa.” Nifarana toy izao ilay tatitra: “Afaka manasaraka an’ireo rahalahy albaney amin’ny fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao ny mpitondra eo an-toerana, fa tsy afaka manakana ny fiasan’ny fanahy masin’Andriamanitra.”

NITOHY NY EZAKA

Tokony hitondra karatra miaramila ny rehetra tamin’izany. Noroahina tamin’ny asany na nogadraina izay tsy nety nitondra. Nanaiky lembenana ny rahalahy vitsivitsy, satria tsy te hamoy ny asany. I Nasho Dori sy Jani Komino kosa tsy nanaiky, ka nigadra nandritra ny volana maromaro indray. Niara-nankalaza ny Fahatsiarovana ny rahalahy sy anabavy tsy nivadika maromaro, tamin’ny 1959. Maro koa no mbola sahy nitory.

Nofoanana ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny 1959, ary tsy navela hiasa intsony ny mpisolovava. Ny Antoko Kominista ihany no nanao ny lalàna sy nampihatra izany. Noraisina ho fahavalo izay tsy nety nifidy. Lasa natahotra sy nifampiahiahy ny olona.

Hita tamin’ny hafatra nalefan’ireo rahalahy albaney fa tena sarotra ny toe-javatra, nefa tapa-kevitra ny tsy hivadika izy ireo. Niezaka nifandray tamin’izy ireo foana ny foibe tany Brooklyn. Teto Albania i John Marks no teraka, fa nipetraka tany Etazonia. Nampirisihina haka vizà handehanany tatỳ izy.

Nahazo vizà i John, herintaona sy tapany tatỳ aoriana, fa i Helen vadiny kosa tsy nahazo. Tonga tao Durrës izy ny Febroary 1961, ary avy eo nankao Tirana. Nihaona tamin’i Melpo anabaviny izy tao. Liana tamin’ny fahamarinana izy io, ary nanampy an’i John hifandray tamin’ireo rahalahy, ny ampitson’io.

Tafaresaka tamin’ireo rahalahy ihany i John, tamin’ny farany. Nomeny azy ireo ny boky vitsivitsy, izay nafeniny tao anaty valiziny. Faly be ireo rahalahy! Efa 24 taona mahery mantsy izy ireo no tsy mba nisy nitsidika.

Rahalahy 60 no tao amin’ny tanàna dimy, ary nisy vitsivitsy koa tany amin’ny tanàna kely, araka ny nanisan’i John azy. Niezaka nanao fivoriana miafina ireo rahalahy tao Tirana, isaky ny alahady. Boky nafeniny hatramin’ny 1938 no nianarany.

Tsy nifandray firy tamin’ny fandaminana ireo rahalahy albaney, nandritra ny taona maro, ka tsy naharaka ny fiovana sy ny fanazavana farany. Samy nitarika fivoriana, ohatra, ny rahalahy sy anabavy. Mbola nisolo tena ny rehetra tamin’ny vavaka aza ny anabavy. Nanoratra toy izao i John, tatỳ aoriana: “Nanahy ireo rahalahy hoe hanao ahoana ireo anabavy, rehefa holazaina aminy ilay fomba fiasa vaovao. Izaho ihany àry no nasainy niresaka nitokana tamin’ireo anabavy. Faly aho fa nanaiky an’ilay fandaharana izy ireo.”

Nahantra ireo Kristianina tsy nivadika ireo, nefa nazoto nanohana ny asan’ilay Fanjakana. Voamarik’i John, ohatra, fa nisy rahalahy be taona roa avy any Gjirokastër naka “tamin’ny vola keliny [ary nitahiry izany], mba homena ny Fikambanana.” Samy nahatahiry vola madinika nitentina 100 dolara mahery izy ireo.

Faly ireo rahalahy tao Tirana, rehefa nahazo an’ilay bokikely hoe Mitory sy Mampianatra Amim-pihavanana sy Amim-piraisan-tsaina. Voalaza tao ny fomba andaminana ny fiangonana, na dia rehefa misy fandrarana aza. Nanao Fahatsiarovana tao Tirana i John, ny volana Martsa. Izy no nitarika ny fandaharana, izay natao tao an-tranon’i Leonidha Pope, ary 37 ny mpanatrika. Nandray sambo nankany Gresy izy, raha vao vita ny lahateny.

Nandinika ny tatitra nataon’i John ireo rahalahy tao amin’ny foibe. Avy eo dia notendreny i Leonidha Pope sy Sotir Papa ary Luçi Xheka, mba hiandraikitra ny fiangonana tao Tirana sy ny asa nanerana an’i Albania. Notendrena ho mpiandraikitra ny faritra i Spiro Vruho, ka nitsidika fiangonana. Nihaona tamin’ireo rahalahy izy isaky ny hariva, ary nanao lahateny sy fiaraha-midinika niorina tamin’ny bokintsika. Niezaka nanatanjaka ny finoan’ireo rahalahy teto ny fandaminana, ary nanampy azy ireo haharaka ny fanazavana farany.

Mbola nandalo sivana ny taratasy tamin’izany, ka tsy afaka nampita nivantana an’ireny toromarika ireny ny fandaminana. I John kosa no nandefa azy ireny tsikelikely. Tamin’ny fomba ahoana? Nampiasa marika famantarana manondro pejy ao amin’ny bokintsika izy. Tsy ela dia namaly ireo rahalahy hoe azony tsara ny tian’i John holazaina. Lasa Komitin’ny Tany ireo rahalahy telo tao Tirana, ary nitsidika fiangonana tsy tapaka i Spiro.

Tsy maintsy nitady fomba vaovao handefasana tatitra tany amin’ny foibe ireo rahalahy. Nandefa karta tamina rahalahy efa voafantina nipetraka tany ivelany, ohatra, izy ireo. Nampiasa stylo marani-doha tsara izy ireo, mba hanoratana ny tatitra tao ambany fitomboka. Nosoratany tao, ohatra, ny pejy ahitana ny loha hevitra hoe “mpitory” ao amin’ny bokikely Mitory sy Mampianatra. Nosoratany teo akaikin’io ny isan’ny mpitory namerina tatitra nandritra ny volana. Nampiasa fomba toy izany koa ireo rahalahy tany ivelany nandritra ny taona maro, mba hampitana hafatra tamin’ireo rahalahy teto.

FIANDOHANA TSARA, DIA OLANA INDRAY

Niasa mafy ireo anisan’ny Komitin’ny Tany, mba hampandrosoana ny fivavahana marina. Tsy ela anefa dia tonga ny olana. Nanoratra tany amin’i John anadahiny i Melpo Marks, tamin’ny 1963, hoe “tafasaraka tamin’ny fianakaviany” ny roa tamin’ny Komitin’ny Tany, dia i Leonidha Pope sy Luçi Xheka. Tsy nisy ny fivoriana. Nanoratra koa izy, tatỳ aoriana, fa niditra hopitaly i Spiro Vruho, ary narary i Leonidha Pope sy Luçi Xheka. Notononiny tao ny Asan’ny Apostoly 8:1, 3, izay nilaza fa nalefan’i Saoly avy any Tarsosy tany am-ponja ny Kristianina. Inona no nitranga?

Niasa tao amin’ny orinasa iray i Leonidha Pope sy Luçi Xheka ary Sotir Ceqi. Nikabary ho an’ny mpiasa rehetra tao ny Antoko Kominista, mba hampahafantarana ny firehan-keviny. Nisy kabary momba ny evolisiona, indray andro. Nitsangana i Leonidha sy Luçi, ary nilaza hoe: “Tsy avy amin’ny rajako izany ny olombelona!” Ny ampitson’iny ihany, dia nosarahina tamin’ny fianakaviany izy ireo, ary nalefa hiasa tany amin’ny tanàna lavitra be. Nantsoin’ny Albaney hoe internim na fanokana-monina io sazy io. Nalefa tany an-tendrombohitr’i Gramsh i Luçi. Nihevitra izy ireo fa i Leonidha no “mpitarika”, ka nalefa tany amin’ireo tendrombohitra be vato sy mangatsiaka be any Burrel izy. Fito taona tatỳ aoriana izy vao tafody tao Tirana.

Tsy nisy fivoriana intsony, tamin’ny Aogositra 1964. Hita avy tamin’ny hafatra kely voaray fa nanara-maso akaiky an’ireo rahalahy ny polisy miafina. Hoy ny hafatra iray tao ambany fitomboka: “Mivavaha ho anay. Atao savahao ny trano ary alaina ny boky. Tsy avela hianatra izahay. Olona telo no natoka-monina.” Nihevitra ireo rahalahy tany ivelany hoe efa nafahana ny rahalahy Pope sy Xheka, satria ry zareo ihany no nahay nanoratra tao ambany fitomboka. Fantatra anefa, tatỳ aoriana, fa hay i Frosina, vadin’i Luçi, no nandefa azy io.

Natoka-monina ireo rahalahy niandraikitra ny asa. Nataon’ny polisy miafina andry maso ny rahalahy hafa, ka tsy afaka nifandray. Nanao fanambarana niavaka tamin’izay rehetra hitany anefa ireo rahalahy natoka-monina. Hoy ny mponina tao Gramsh: “Eto aminay ireo ungjillorë [mpitory ny vaovao tsara]. Tsy mandeha miady izy ireo, fa manamboatra tetezana sy milina mpamokatra herinaratra ho anay.” Nanana laza tsara ireo rahalahy tsy nivadika ireo, ary tsy lefy izany nandritra ny am-polony taona.

NIFORONA NY FIRENENA IRAY TSY MINO AN’ANDRIAMANITRA

Nanapaka ny fifandraisany tamin’ny Firaisana Sovietika i Albania, ary nifandray akaiky tamin’i Chine. Nahazo vahana ny firehan-kevitra kominista. Ny Albaney sasany aza naka tahaka ny akanjon’i Mao Tsé-toung, mpitarika ny Antoko Kominista Sinoa. Nofoanan’i Enver Hoxha ny gradina miaramila, tamin’ny 1966. Nanjaka ny tsy fifampitokisana, ary tsy noleferina ny firehan-kevitry ny mpanohitra.

Nanomboka namoaka lahatsoratra nanakiana fivavahana ny gazetim-panjakana. “Mampidi-doza”, hono, izy ireny. Nandrava eglizy iray tamin’ny bilidaozera ny andiana mpianatra tao Durrës. Nisy nandrava koa ny fiangonana tany amin’ny tanàna hafa. Nampirisika ny olona hankahala fivavahana ny fitondrana, ary lasa ny firenena voalohany tsy nino an’Andriamanitra i Albania, tamin’ny 1967. Nangeja ny fivavahana tao aminy ny firenena kominista hafa, fa i Albania kosa tsy nilefitra tamin’izy ireny mihitsy.

Nogadraina ny mpitondra fivavahana silamo sy ortodoksa ary katolika sasany, satria nanao politika. Pretra maro kosa no afa-doza, satria nanaiky lembenana ary niala tsy ho mpivavaka tsotra izao. Natao tranombakoka ny fiangonana nanan-tantara vitsivitsy. Nesorina daholo izay zavatra namantarana ny fivavahana, toy ny lakroa, sarivongana, tilikambo, ary fiangonan’ny Silamo. Rehefa nanaraby ihany vao nampiasaina ny teny hoe “Andriamanitra.” Vao mainka nanahirana an’ireo rahalahy izany.

Nodimandry ny Vavolombelona sasany teo anelanelan’ny 1960 sy 1970. Mbola niezaka nitory ihany anefa ireo rahalahy niely nanerana an’i Albania. Natahotra ny hihaino azy ireo anefa ny olona, na dia liana aza.

TSY LEFY MIHITSY NY FITIAVANA NY FAHAMARINANA

Nanoratra ho an-dry John sy Helen Marks i Gole Flloko, tamin’ny 1968, ary nilaza fa niharatsy ny fahasalamany. Voarara ny fitoriana sy fivoriana. Nilaza anefa i Gole, izay efa 80 taona mahery, fa niresaka tsy tapaka tamin’ny namany sy ny olona hitany izy, teny amin’ny zaridainam-panjakana sy tsena ary fivarotana. Maty izy tsy ela taorian’izay. Tsy lefy mihitsy ny fitiavany an’i Jehovah sy ny fahamarinana. Maro koa no nanao toa azy.

Tsy afaka nanao ny asan’ny faritra intsony i Spiro Vruho, rehefa nihantitra. Hita tao anatin’ny fantsakana iray ny fatiny, tany am-piandohan’ny taona 1969. Nilaza ny polisy miafina fa namono tena izy. Marina ve izany?

Tsy sora-tanan’i Spiro no tao amin’ilay taratasy nolazaina fa nosoratany talohan’ny nahafatesany. Voalaza tao hoe ketraka izy, ka naleony namono tena. Nilaza anefa ireo nahita azy fa mbola falifaly tsara izy talohan’io. Nisy dian-tady koa teo amin’ny tendany, izay nanaporofo hoe nahantona izy. Tsy nisy tady anefa teo amin’ilay fantsakana. Tsy nisy rano koa ny havokavony.

Fantatra, taona maro tatỳ aoriana, fa nisy nandrahona i Spiro hoe hogadraina miaraka amin’ny fianakaviany izy raha tsy mifidy, ary tsy hahazo sakafo intsony. Voamarika fa ny andro talohan’ilay fifidianana i Spiro no nisy namono sy nanipy tao amin’ilay fantsakana. Tsy tamin’io ihany anefa no nisy fiampangana Vavolombelon’i Jehovah ho namono tena.

NITOKANA TSY FIDINY NANDRITRA NY FOLO TAONA

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah naneran-tany tamin’ny 1971, rehefa niampy ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tany Brooklyn. Nientam-po koa izy ireo, rehefa nambara fa hisy fandaharana vaovao hanendrena anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Taona maro tatỳ aoriana anefa vao nandre izany ireo rahalahy teto Albania. Mpizaha tany avy tany Etazonia no mba nilaza an’izany, rehefa niresaka vetivety tamin’i Llopi Bllani, anabavy tao Tirana. Ren’izy ireo fa tsy nisy fivoriana tao. Nolazaina taminy koa fa telo ihany ny Vavolombelona narisika tao amin’ilay tanàna, na dia mbola nisy maro hafa aza tao.

Tonga tatsy Gresy i Kosta Dabe tamin’ny 1966, ary nanao izay hahazoana vizà hidirany teto Albania, tany niaviany. Efa 76 taona izy, ary naniry hampita ny fahamarinana tamin-janany. Tsy nahazo vizà anefa izy. Ny pasipaoro amerikanina tany aminy àry no nomeny an’ireo mpisava karatra teo amin’ny sisin-tany, mba hahafahany hiditra teto. Nataony ihany izany, na dia fantany aza fa nety tsy ho afaka hiala teto intsony izy.

Nisy mpivady albaney avy tany Etazonia tonga teto tamin’ny 1975, ary mody nanao mpizaha tany. Nanoratra izy ireo hoe tena “mafy noho ny hatramin’izay” ny fanaraha-maso, ary niharan’izany ny Vavolombelona. Tsy maintsy niaraka tamin’ny mpitondra mpizaha tany notendren’ny fanjakana ny vahiny. Polisy miafina ny maro tamin’izy ireny. Rehefa lasa ireo vahiny, dia narahi-maso akaiky indray izay olona nifandray taminy. Niahiahy an’ireo mpizaha tany ny fanjakana, ary tsy dia tiany ny fahatongavan’izy ireo. Natahotra vahiny ny olona.

Nanoratra i Kosta Dabe, tamin’ny Novambra 1976, fa olona dimy no nanatrika ny Fahatsiarovana tao Vlorë. Olona enina no nanao izany tao Tirana, ka ny roa tao amin’ny toerana iray, ary ny efatra tany an-toeran-kafa. Fantany fa nisy Vavolombelona iray nankalaza irery ny Fahatsiarovana tao Përmet ary koa tao Fier. Olona 13 àry, fara fahakeliny, no fantatr’i Kosta hoe nankalaza ny Fahatsiarovana, tamin’ny 1976.

Nankalaza ny Fahatsiarovana samirery i Kulla Gjidhari. Hoy io anabavy io, taona maro tatỳ aoriana: “Nanao mofo aho ny maraina ary namoaka divay. Nakatoko ny ridao ny hariva, ary nalaiko ilay Baiboly nafeniko tao ambadiky ny kabine. Novakiko tao amin’ny Matio toko faha-26 ny fomba nanaovan’i Jesosy ny Fahatsiarovana voalohany. Nivavaka aho, nakariko ambony ilay mofo, ary napetrako avy eo. Namaky andinin-teny fanampiny avy tao amin’ny Matio indray aho. Nakariko ambony ilay divay, ary napetrako avy eo. Nanao hira iray aho taorian’izay. Fantatro fa tafaray tamin’ny rahalahy naneran-tany aho, na dia izaho irery aza no tao!”

Tsy nanan-kavana firy i Kulla. Natsangan’i Spiro Karajani ho zanany izy, tamin’ny mbola kely, ka niara-nipetraka taminy sy Penellopi zanany vavy, tao Tirana. Maty i Spiro tamin’ny 1950, tany ho any.

VAO MAINKA NITOKANA

Vao mainka nitoka-monina i Albania tamin’ny 1978, rehefa nisaraka tamin’i Chine. Namoaka lalàm-panorenana vaovao ny fanjakana, mba hahatonga an’i Albania ho firenena mahavita tena tanteraka. Nisy tari-dalana hentitra momba ny lafim-piainana rehetra tao amin’izy io, toy ny resaka teatra, dihy, haisoratra, ary zavakanto. Voarara ny mozika kilasika, satria noheverina ho nampirisika ny olona hikomy. Ireo mpanao asa soratra nahazo alalana ihany no navela hampiasa milina fanoratana. Nalaina am-bavany izay olona tratra nanaraka fandaharana avy tany ivelany, tao amin’ny tele.

Tonga teto ny rahalahy avy tany Alemaina, Aotrisy, Etazonia, Soeda, Soisa, tao anatin’izany fameperana be izany. Mody nanao mpizaha tany izy ireo, mba hahafahany hifandray tamin’ireo rahalahy. Tena nankasitraka an’ireny ezaka ireny ireo Vavolombelona vitsivitsy nihaona tamin’izy ireo. Tsy nifandray tamin’izy samy izy anefa ny ankamaroan’ireo rahalahy albaney, ka vitsy ihany no nahalala rehefa nisy vahiny tonga.

Nisaona i Albania tamin’ny 1985, rehefa maty i Enver Hoxha, izay mpanao didy jadona nandritra ny taona maro. Tsy ela dia niova ny fitondrana sy ny rafitry ny fiaraha-monina. Maty i John Marks, ny taona nanaraka, ary nanapa-kevitra ny hitsidika an’i Albania i Helen vadiny, izay 65 taona teo ho eo. Hoy ny manam-pahefana tamin’izy naka vizà: “Aza manantena fanampiana avy atỳ ivelany ianao, raha maninomaninona any.”

Tena nankasitrahan’ireo mpitory vitsivitsy teto ilay fitsidihan’i Helen naharitra tapa-bolana. Nihaona tamin’i Melpo zaobaviny ihany izy, tamin’ny farany. Efa nitory tamin’izy io i John, 25 taona talohan’izay. Mbola tsy vita batisa i Melpo, kanefa izy no mpampita hafatra tany amin’ny foibe nandritra ny taona maro.

Hitan’i Helen koa i Leonidha Pope sy Vasil Gjoka, izay vita batisa tamin’ny 1960. Reny fa mbola nisy Vavolombelona fito tany amin’ny faritra hafa. Nampita fanazavana farany momba ny fandaminana izy. Noresahiny tamin’ireo rahalahy koa ny fandrosoan’ny asa tany amin’ireo tany kominista hafa. Nitory tsy ara-potoana izy, ary nitandrina tsara rehefa nanao izany. Tsikariny anefa hoe tena sahirana ara-toe-karena i Albania.

Hoy izy: “Nila nilahatra nanomboka tamin’ny telo maraina ny olona, mba hahazoana ronono kely. Tsy nisy entana ny fivarotana maro.”

Nitady fomba handefasana olona teto ny sampan’i Aotrisy sy Gresy, tamin’ny 1987. Tonga teto ry Peter Malobabic, mpivady avy any Aotrisy, tamin’ny 1988, ary mody nanao mpizaha tany. Faly erỳ i Melpo rehefa nomeny ambonin’akanjo. Vao mainka faly izy rehefa hitany tao anatin’izy io ilay boky hoe ‘Zavatra Izay Tsy Hain’Andriamanitra Andaingana.’

Nisy mpivady hafa nitsidika an’i Melpo tamin’io taona io, ary nitondra boky hafa. Nila mailo be anefa izy ireo, satria nanara-maso azy akaiky ny polisy miafina. Fotoana fohy no mba nahafahan’izy ireo nifampiresaka, tamin’ireo minitra vitsy tsy niarahany tamin’ireo lazaina fa mpitondra mpizaha tany. Reny hoe narary i Leonidha. Efa nihantitra koa ny rahalahy maro ary tsy afaka nivezivezy noho ny fanaraha-maso.

NANOMBOKA NIOVA NY TOE-JAVATRA

Niova ny toe-draharaha politika, tamin’ny 1989. Tsy nomelohina ho faty intsony izay nitady handositra an’i Albania. Tonga indray i Helen, teo antenatenan’io taona io. Nampita an’ireo fanazavana sy toromarika nampitondraina azy izy, nandritra ny ora maro. Nitsidika kely an’ireo rahalahy, araka izay azony natao, i Vasil Gjoka.

Ren’ny polisy miafina fa tonga teto i Helen, ka notsidihiny. Tsy naninona azy anefa izy ireo, fa nangataka fanomezana avy tany Amerika fotsiny. Mora miova tokoa ny olona!

Rava ny Rindrin’i Berlin, tamin’ny 9 Novambra 1989, ary tsy ela dia tonga teto Albania ny vokatr’izy io. Nisy rotaka nanoherana ny Kominisma tao Kavajë, tamin’ny Martsa 1990. Olona an’arivony no nirohotra tany amin’ireo masoivoho vahiny tao Tirana, satria te handao an’i Albania. Nitaky fanovana ny mpianatra, ka nitokona tsy nety nihinan-kanina.

Nazeran’ny olona ny sarivongan’i Enver Hoxha, tamin’ny Febroary 1991. Nirefy folo metatra izy io, ary efa an-taonany maro no teo amin’ny Zaridainan’i Skanderbej, tao Tirana. Efa tsy teo intsony mantsy ilay mpanao didy jadona. Niditra an-keriny tao amin’ireo sambo tao Durrës sy Vlorë ny Albaney 30 000 teo ho eo, ny volana Martsa, ary lasa nitsoa-ponenana tany Italia. Tamin’io volana io indray vao nisy fifidianana nahitana kandidà avy tamin’ny antoko politika maromaro, teto Albania. Efa an-taonany maro mantsy no tsy nisy an’izany. Nandresy ny Antoko Kominista, nefa niharihary fa tsy nanan-kery intsony.

Nitsidika farany teto i Helen Marks, tamin’ny Aogositra 1991. Hitany fa efa niova ny toe-javatra. Nosokafan’ny fanjakana ny minisiteran’ny fivavahana, iray volana talohan’io. Nekena ho ara-dalàna indray ny fivavahana, 24 taona tatỳ aoriana. Tonga dia nandamina fivoriana sy nanompo bebe kokoa ireo rahalahy.

Nankany amin’ny biraon’ny sampan’i Gresy i Vasil Gjoka, mba hianatra ny fomba andaminana ny asa fitoriana. Nampianatra azy araka izay vitany ireo rahalahy nahaihay teny albaney, satria tsy dia nahay niteny grika izy. Nampihatra tsara an’izay nianarany izy rehefa niverina tao Tirana, ary niezaka nandamina tsara kokoa an’ireo fivoriana roa isan-kerinandro. Tilikambo vao nivoaka tamin’ny teny albaney no nianarana tamin’ny iray amin’ireo fivoriana.

Hoy ny rahalahy iray: “Natomboka tamin’ny hira sy vavaka ny fivoriana, ka hira efa nampianarin’ireo rahalahy be taona no nataonay. Nianatra izahay, ary avy eo nanao hira iray, na roa, na telo, na mihoatra! Nanao vavaka famaranana izahay rehefa ela ny ela.”

Nitondra boky avy tatsy Gresy ho atỳ Albania i Thomas Zafiras sy Silas Thomaidis, tamin’ny Oktobra 1991 sy Febroary 1992. Nihaona tamin’ireo rahalahy tao Tirana sy ny mpitory tsy vita batisa tao Berat izy ireo, ary naka ny anaran’ny olona liana. Natoka-monina tamin’ny lafiny ara-panahy nandritra ny am-polony taona mantsy ny mponina, ka tena nangetaheta ny fahamarinana. Nivory ihany, ohatra, ireo olona liana tao Berat, na dia tsy nisy rahalahy vita batisa aza tao. Ahoana no hanampiana azy ireo?

FANENDRENA TSY NAMPOIZINA

Misionera tany amin’ny Repoblika Dominikanina i Michael sy Linda DiGregorio. Anisan’ireo Albaney natao batisa tany Boston teo anelanelan’ny 1920 sy 1930 ny dadabe sy beben’i Michael, ary nahaihay teny albaney izy. Nanapa-kevitra ny hitsidika havana teto Albania ry DiGregorio, tamin’ny 1992. Nanontanian’izy ireo àry ny Filan-kevi-pitantanana raha azony natao ny nihaona tamin’ireo rahalahy, nandritra ireo telo andro handalovany eto. Gaga izy ireo fa nasaina nijanona teto telo volana, mba hanampy tamin’ny fandaminana ny asa fitoriana.

Nankany amin’ny sampana tany Roma ry DiGregorio, ary nohazavain’ireo rahalahy grika sy italianina tamin’izy ireo ny toe-javatra teto Albania. Naseho azy ireo koa ny sarin’ny rahalahy albaney sasany, anisan’izany ny an’i Vasil Gjoka. Efa navela hiditra teto ireo Albaney avy any an-tany hafa, tamin-dry DiGregorio tonga tao Tirana, tamin’ny Aprily 1992. Mbola nisy anefa ny korontana, ary nanahy momba ny hoavy ny olona.

Nirohotra nitsena an-dry DiGregorio ny havan’i Michael, rehefa nivoaka ny seranam-piaramanidina izy ireo. Tazan’i Michael koa i Vasil Gjoka. Efa nampahafantarina azy mantsy fa ho avy tamin’io andro io izy ireo.

Hoy i Michael tamin’i Linda: “Tonga dia mandehana miaraka amin’ny fianakaviana, fa tsy ho ela aho.”

Namihina an’i Linda ireo fianakaviana, dia nentin’izy ireo ny entana, ary nankany amin’ny fiara ry zareo. I Michael kosa nanatona haingana an’i Vasil.

Niteny maimaika izy hoe: “Hiverina eto Tirana aho amin’ny alahady, dia hihaona aminao.”

Nihazakazaka nankeny amin’i Michael ilay havany atao hoe Koço, ary niteny hoe: “F’inona ity ataonao? Isika ange tsy miresaka amin’olon-tsy fantatra e!” Tsy fantany fa Vavolombelon’i Jehovah i Michael sy Linda.

Namakivaky tanàna izy ireo rehefa nankany Korçë. Hitan-dry DiGregorio fa tena tsy nitovy tamin’i Karaiba i Albania. Hoy i Michael: “Ntaolo be ny zava-drehetra, ary vasoka sady feno vovoka. Hita etsy sy eroa ny fefy tariby. Kivikivy ny fijery ny olona. Zara raha nisy fiara nivezivezy. Simba ireo varavarankely. Miasa tany amin’ny angady ny tantsaha. Tsy niova firy ny tanàna fa toy ny tamin’ny andron-dry Dadabe sy Bebe ihany! Toy ny niverina tamin’ny lasa izahay!”

“NOTARIHIN’ANDRIAMANITRA NY DIANAREO”

Nisy zavatra nafenin’i Koço efa an-taonany maro, ary tiany haseho an’i Michael. Nanoratra taratasy lava be ho an’ny fianakaviana teto Albania ny havana tany Boston, rehefa maty ny beben’i Michael. Niresaka raharaham-pianakaviana ireo pejy folo voalohany. Momba ny fitsanganana amin’ny maty kosa ny faramparany.

Hoy i Koço tamin’i Michael: “Novakin’ny polisy ireo pejy vitsivitsy voalohany. Hoy izy ireo avy eo: ‘Ento any ny anareo fa resa-pianakaviana fotsiny!’ Novakiko ny tapany farany, ka faly aho nahafantatra ny momba an’Andriamanitra!”

Nivaky tamin’i Koço i Michael fa Vavolombelon’i Jehovah izy sy Linda, ary nitory tamin’i Koço izy.

Toy ny olona tamin’ny andron’ny Baiboly, dia raisin’ny Albaney ho adidy ny mikarakara sy miaro ny vahininy. Tsy nanaiky àry i Koço raha tsy niaraka tamin’i Michael sy Linda tany Tirana.

Hoy i Michael: “Tsy hitanay ny tranon’i Vasil, rehefa tonga tao Tirana izahay, satria tsy nisy famantarana ny lalana. Nilaza i Koço fa tokony hanontany any amin’ny paositra izahay.”

Hoy i Linda: “Hoatran’ny gaga be i Koço rehefa niverina, ary nankany an-tranon’i Vasil avy hatrany izahay.”

Hoy i Koço, tatỳ aoriana: “Rehefa nankao amin’ny paositra aho ary nanontany momba an’i Vasil, dia hoy izy ireo: ‘Olo-masina iny! Mba fantatrao moa ny zavatra efa natrehiny? Tsy misy olona tsara hoatr’azy eto Tirana!’ Fantatro avy tamin’izany fa notarihin’Andriamanitra ny dianareo! Tsy afaka manakana anareo amin’izay anton-dianareo aho!”

NALAMINA NY ASA TAO TIRANA

Faly tafahaona tamin-dry DiGregorio i Vasil, ary niresaka nandritra ny ora maro izy ireo. Efa hariva ny andro vao nilaza i Vasil fa maty ny marainan’io i Jani Komino, ilay niara-nigadra tamin’i Nasho Dori. Nahoana izy no nijanona tao an-trano fa tsy nandevina an’io namany akaiky io? Hoy izy: “Satria ho avy atỳ ny olona nirahin’ny Filan-kevi-pitantanana.”

Nila nijanona tao Tirana i Michael sy Linda, saingy tsy navelan’ny fanjakana nipetraka tao ny vahiny. Inona no hevitra?

Hoy i Michael: “Napetrakay tamin’i Jehovah ilay raharaha. Nahita trano kely izahay tamin’ny farany ary nifindra tao.”

Hoy i Linda: “Notazonin’ny tompon-trano ny lakile, ka afaka nivezivezy tao aminay araka izay tiany izy ireo. Tsy maintsy nandalo tao an-tranon’olona koa izahay vao tafiditra tao aminay. Soa ihany aloha fa tsy be mpandalo ny tanàna nisy anay, fa niafinafina.”

Nandritra ny ora maro ireo rahalahy zokiolona tao Tirana no nitantara ny fitsapana niaretany, ary nihaino tsara ry DiGregorio. Maro anefa ny olana. Nifampiahiahy, ohatra, ny sasany taminy.

Hoy i Michael: “Tsy nivadika ny tsirairay taminy, saingy nifampiahiahy. Nifandray tsara taminay anefa izy ireo, na dia nifampihatakataka aza. Noresahinay nilamina tsara ilay raharaha, ka niaiky izy rehetra fa ny fampahafantarana ny anaran’i Jehovah no zava-dehibe indrindra. Nampiray azy ny fitiavany an’i Jehovah, ary faly nieritreritra momba ny hoavy izy ireo.”

Hita be hoe tsy nisy fiangonana voalamina teto. Raha vao nahita an’ilay bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro, ohatra, i Kulla Gjidhari sy Stavri Ceqi, dia navadibadiny ilay izy fa tsy hainy hoe inona.

Hoy tampoka i Stavri: “Mana kay ity!” Ilay boky hoe Mana avy any An-danitra Isan’andro ho An’ny Mpianakavin’ny Finoana no tao an-tsainy. Io mantsy no nampiasaina tamin’izy nianatra ny fahamarinana.

Hoy kosa i Kulla: “Ary hono ho’aho, manao ahoana izay ny Anadahy Knorr, prezidàntsika? Salama tsara ve i Fred Franz?” Hita avy amin’izany fa tsy naharaka mihitsy ireo rahalahy!

IZANY KA FAHATSIAROVANA!

Efa mpivory tao amin’ny efitra kely iray mirefy 12 metatra toradroa tao an-tranon’i Vasil Gjoka ireo rahalahy. Tsy ho antonona ao anefa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana. Tao amin’ny efitra iray nampiasaina ho foiben’ny gazety mpanohana ny Antoko Kominista izy ireo no nivory, ary 105 ny mpanatrika. Io no Fahatsiarovana voalohany tsy natao tany an-tranon’olona, tao Tirana. Mpitory 30 monja no teto Albania tamin’ny 1992, nefa 325 no nanatrika ny Fahatsiarovana.

Nitombo foana ny isan’ny olona liana tao Tirana, ka tafakatra 40 ny mpanatrika fivoriana tao an-tranon’i Vasil. Naniry ho lasa mpitory ny sasany tamin’ireo vaovao. Ny hafa indray te hatao batisa. Nandritra ny ora maro ireo rahalahy no niara-nidinidinika tamin’ireo naniry hatao batisa. Mbola tsy nisy tamin’ny teny albaney ny boky Voalamina mba Hanatanteraka ny Fanompoantsika, tamin’izany, ka nadika am-bava tamin’izy ireo ny fanontaniana. Nampiana bebe kokoa ny vaovao sasany, mba ho azony tsara ny fahamarinana. Tsy toy ny fianarana Baiboly mahazatra no nataon’izy ireo tamin’izany, nefa nahagaga fa nahatakatra tsara izy ireo.

NEKENA HO ARA-DALÀNA IHANY!

Nandany ora maro niresahana tamin’ny mpisolovava sy ny manam-pahefana ireo rahalahy, nandritra ny herinandro maromaro taorian’izay, mba hekena ho ara-dalàna ny asa fitoriana. Efa nanao fangatahana ofisialy izy ireo sy ny olona liana tao Tirana, talohan’io. Niova anefa ny mpitondra, ka nila nohamafisina ilay fangatahana.

Hoy ny rahalahy iray: “Nandeha an-tongotra ny rehetra. Rehefa nandeha teny an-dalana izahay, dia nifanena tamin’ny minisitry ny zon’olombelona, minisitry ny atitany, minisitry ny fitsarana, lehiben’ny polisy, ireo anisan’ny fitsarana momba ny lalàm-panorenana, ary ny olona ambony hafa. Tsara fanahy izy ireny ary faly fa tsy hentitra be intsony ny fanjakana. Efa nahalala momba ny ungjillorë [mpitory ny vaovao tsara] ny ankamaroany. Hita mihitsy hoe nazoto niasa ny Vavolombelona teto.”

Efa herinandro maromaro ireo manam-pahefana no nampanantena fa ho ara-dalàna amin’izay ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa inona akory no teo! Niova anefa izany rehefa nitsidika ny havany tao Tirana i Angelo Felio, rahalahy albaney avy any Etazonia. Ny mpanolo-tsain’ny minisitra no afaka nanome ny taratasy fanekena ho ara-dalàna. Nanaraka an’ireo rahalahy tany àry izy. Faly ilay mpanolo-tsaina fa avy any amin’ny faritra niaviany teto Albania ny fianakavian’i Angelo.

Hoy izy tamin’i Angelo: “Fa aiza ny tanindrazanareo?” Nahavariana fa iray tanindrazana izy ireo.

Hoy izy: “Fa taranak’iza ianao?”

Hay mpihavana izy sy Angelo, saingy tsy nifandray efa an-taonany maro ny fianakaviany!

Hoy ilay mpanolo-tsaina: “Nampiaiky ahy ny sata mifehy ny fikambananareo ary efa saika hanampy aho. Tsy maintsy manampy anefa aho izao, satria havako ianao!”

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nomen’ilay mpanolo-tsaina an’ireo rahalahy ny Didy Laharana Faha-100, manambara fa ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah eto Albania. Nekena ho ara-dalàna ihany ny fanompoana an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izay voarara nanomboka tamin’ny 1939. Hoy ry DiGregorio: “Tsy hay lazaina ny fihetseham-ponay tamin’io fotoana io!”

Ny sampan’i Gresy no niandraikitra ny asa teto tamin’izany. Nandefa an’i Robert Kern izy io mba hitsidika an’i Tirana, tapa-bolana tatỳ aoriana. Nampandrenesin’i Robert an’ireo rahalahy ilay fanekena ny asantsika ho ara-dalàna sy ny fiforonan’ny Fiangonan’i Tirana. Nolazainy koa fa “i Albania iray manontolo” no faritany. Nila nazoto nandamina fitoriana isan-trano àry izy ireo. Nohofana ny trano iray nisy efitra fatoriana telo tao Tirana, ka natao tranon’ny misionera sy birao. Nisy efitra lehibe koa tamin’izy io, ary izany no natao Efitrano Fanjakana voalohany.

HITA ILAY ONDRY NANIRERY

“Misy Vavolombelona ve any Vlorë?”, hoy ireo rahalahy, rehefa nandinika ny fandrosoan’ny asa teto Albania. Nisy ihany nahafantatra vehivavy be taona iray, izay nolazaina fa verivery saina. Tonga tao amin’ny birao ny vehivavy iray avy eo, ka nilaza fa ungjillorë izy sy ny fianakaviany. Vehivavy iray antsoina hoe Areti, hono, no nampianatra Baiboly azy tao Vlorë. Nankany àry ireo rahalahy avy tao Tirana mba hitady an’i Areti.

Vehivavy fohifohy sy efa antitra i Areti Pina. Nampandrosoiny ireo mpitsidika, saingy toa nangatsiatsiaka ny fandraisany azy ireo. Nilaza izy ireo hoe mpiara-manompo taminy, nefa toa tsy taitra akory izy.

Hoy i Areti, minitra vitsy taorian’izay: “Afaka manontany anareo ve aho?” Nototofany fanontaniana izy ireo avy eo hoe: “Mino ny Andriamanitra telo izay iray ve ianareo? Iza no anaran’Andriamanitra? Mino ny afobe ve ianareo? Inona no mitranga rehefa maty isika? Ahoana ny momba ny tany? Firy no ho any an-danitra?”

Novalian’ireo rahalahy daholo ireo fanontaniana.

Hoy i Areti avy eo: “Mitory ve ianareo?”

“Ie, mitory izahay ka”, hoy ny rahalahy iray.

“Ahoana no fomba fitorianareo?”

“Mitory isan-trano izahay.”

Nitomany i Areti. Niantsambotra teny amin’ilay rahalahy izy ary namihina azy.

Hoy izy: “Anadahiko tokoa ianareo! Ny vahoakan’i Jehovah ihany mantsy no mitory isan-trano!”

Henon’ny Protestanta tao Vlorë fa mpivavaka i Areti, ka nasainy hiaraka taminy. Hoy i Areti tamin’ireo rahalahy: “Tsy te hifandray amin’i Babylona Lehibe mihitsy anefa aho! Tsy maintsy nanadihady àry aho, mba hamantarana raha mpiara-manompo amiko tokoa ianareo!”

Tamin’ny 1928 i Areti no natao batisa, tamin’izy 18 taona. Nitety havoana izy ary nivimbina Baiboly rehefa nitory. Tsy afaka nifandray tamin’ireo rahalahy izy nandritra ny taona maro, nefa nitory irery foana.

Hoy izy sady nitomany: “Tena be fitiavana i Jehovah. Tsy nanadino ahy izy!”

Noheverin’ny olona fa adala izy, rehefa tsy niala tamin’ny finoany teo ambany fitondrana jadona. Tsy verivery saina mihitsy anefa izy, fa nisaina tsara!

BE NY ASA!

Efa ara-dalàna ny asantsika eto Albania, ka maro ny zavatra ilaina hatao mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Nila nampaherezina sy nomena an’ireo fanazavana farany ireo rahalahy. Nilaina ny boky sy gazety tamin’ny teny albaney, mba hampiasain’ireo rahalahy sy hoentiny mitory. Nilaina maika ny mpitory maro kokoa. Iza no ho afaka hanampy?

Tonga teto ny mpisava lalana manokana avy tany Italia sy Gresy, tamin’ny 1992, ary nianatra teny albaney. Nanomboka nandika ny bokintsika koa ny mpandika teny vitsivitsy. Tapaka nandritra ny 21 andro nisesy ny jiro indraindray. Mbola tia vazivazy sy be atao tamin’ny fanompoana foana anefa ireo rahalahy.

Maro koa ny asa vatana tsy maintsy natao. Nila nanao afo kitay tao an-tranony, ohatra, ireo misionera mba hampahafana azy ireo, rehefa nangatsiaka ny andro. Tsy nisy kitay hovidina anefa teto Albania. Soa ihany fa nanampy ireo rahalahy tatsy Gresy, ka nandefa vatan-kazo sy tsofa elektrika. Mbola nisy olana anefa, satria kely ny vavan’ilay fatana fanafanana trano ary tsy nisy herinaratra handefasana an’ilay tsofa. Soa ihany fa nanana famaky ny naman’ny rahalahy iray. Tsy nisy bisy anefa ka nila nandeha an-tongotra adiny roa ilay rahalahy mba hitondrana azy io tany amin’ny misionera. Tsy maintsy naverina koa ilay izy ny hariva. Hoy ny misionera iray: “Nifandimby nikapa hazo izahay rehetra, dieny mbola teo ilay famaky. Nafana foana àry izahay!”

Nifandimby teny ny fikapana hazo sy ny fianarana teny albaney. Tamin’izany fotoana izany koa no nitsidika voalohany an’ireo mpandika teny i Nick sy Amy Ahladis avy ao amin’ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny, izay any Patterson, Etazonia, ankehitriny. Tsara fanahy sy nahay nandanjalanja izy mivady, ka nanampy be an’ireo mpandika teny vaovao. Vetivety dia nahay izy ireo ary niasa tsara. Tany Italia no natao pirinty ireo boky, ary nalefa sambo tatỳ Albania.

Nahitam-bokatra ireny asa mafy rehetra ireny, satria nandray tsara ny olona teny amin’ny saha. Be zotom-po koa ireo mpitory vaovao. Vao nanomboka nitory, ohatra, i Lola, dia nandany 150 na 200 ora na mahery isam-bolana tamin’ny fanompoana! Nasaina nitandrina ihany izy, kanefa hoy izy: “Verivery fotsiny ny fotoanako hatramin’izay! Inona no mendrika handaniako ny fotoanako, ankoatra ny fanompoana?”

MANDROSO NY ASA

Volana nanan-tantara tamin’i Albania ny volana Martsa 1993. Nanomboka nanompo tao Berat, Durrës, Gjirokastër, Shkodra, Tirana, ary Vlorë ireo mpisava lalana manokana. Ny Tilikambo 1 Martsa no Tilikambo nadika voalohany tamin’ny teny albaney. Nanao ny Sekolin’ny Fanompoana voalohany ireo rahalahy, ka izay vao feno ny fivoriana dimy. Nivoaka Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana voalohany tamin’ny teny albaney. Natao tao amin’ny trano filalaovana teatra teo amin’ny Zaridainan’i Skanderbej ao Tirana ny fivoriambe manokana voalohany.

Tonga teto ny solontena avy tany Italia sy Gresy, mba hanatrika an’io fivoriambe nanan-tantara io. I Nasho Dori no nanao ny vavaka fanokafana, mba hisaorana an’i Jehovah noho ny fitahiany rehetra. Nahatratra 585 ny mpanatrika ary 41 no natao batisa! Anisan’izany ny zanaka sy zafikelin’ireo rahalahy tsy nivadika.

Faly be ireo rahalahy rehefa nasiana fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany teto, tamin’ny 1993. Maherin’ny 600 ny mpanatrika, ary nisy solontena avy tany Aotrisy, Frantsa, Gresy, Italia, ary Soisa. Faly ireo rahalahy teto fa afaka nifandray tamin’ireo rahalahy avy tany amin’ny tany maro, rehefa avy natoka-monina ela be!

Mba handaminana kokoa ny asa, dia notendren’ny Filan-kevi-pitantanana ho Komitin’ny Tany i Nasho Dori sy Vito Mastrorosa ary Michael DiGregorio. Niasa teo ambany fiandraiketan’ny sampan’i Italia izy ireo. Anisan’ny nataony laharam-pahamehana ny fitadiavana toerana hasiana ny birao sy ny ekipan’ny mpandika teny, izay nihanitombo.

Nianatra teny albaney ny antokona mpisava lalana manokana faharoa avy tany Italia. Anisan’izany i Stefano Anatrelli. Nantsoina tao amin’ny birao izy rehefa avy nianatra iray volana sy herinandro, ary nilazana hoe: “Hotendrena ho mpiandraikitra ny faritra ianao, ka asaina hitsidika mpisava lalana manokana sy antoko-mpitory.”

“Mbola tsy tena mahay miteny albaney ange aho e!”, hoy i Stefano tamin’ny voalohany. Noraisiny ho tombontsoa anefa izany. Nampiana hanomana lahateny roa izy, ary nankany amin’ireo faritra lavitra indrindra teto Albania, taorian’izay. Tokotokony ho 30 taona lasa izay no nitsidika an’ireo rahalahy i Spiro Vruho, mpiandraikitra ny faritra nandritra ny fandrarana. Lasa anisan’ny Komitin’ny Tany i Stefano, tamin’ny 1995.

Tonga teto Albania ny antokona mpisava lalana manokana fahatelo avy tany Italia, tamin’ny 1994. Nifindra tamin’ireo mpitory vaovao teto ny zotom-pon’izy ireny. Nisy mpitory 354 teto, tamin’ny faran’ny taom-panompoana 1994.

Tsy mora tamin’ireo mpitory anefa ny niatrika ny fiovana tampoka avy tamin’ny fitondrana jadona ho amin’ny fitondrana manome fahalalahana. Nianatra nanafina ny fihetseham-pony mantsy izy ireo nandritra ny fitondrana jadona, indrindra tamin’ireo vahiny. Nahatakatra an’izany anefa ireo rahalahy sy anabavy vahiny, ka naneho faharetana mba hahazoana ny fitokisan’ireo vaovao.

Faly ireo rahalahy sy anabavy ary mpitory vaovao, tamin’io taona io, rehefa nihaona tamin’i Theodore Jaracz. Izy no anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nitsidika voalohany an’i Albania. Maherin’ny 600 no nanatrika ny lahateniny tao Tirana.

Tamin’izay no novidina ny trano iray efa ntaolo be tao Tirana, mba hatao birao. Niasa mafy ireo rahalahy vahiny rehefa nanavao azy io ho lasa birao tsara tarehy. Nanorina trano fonenana ho an’olona 24 koa izy ireo. Tsy ampy enim-bolana izany dia vita. Natao tamin’ny 12 Mey 1996 ny fitokanana, rehefa nitsidika teto i Milton Henschel, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana.

NITORY IRERY

Nipetraka tao Korçë i Arben ary namaky boky ara-baiboly iray nalefan’ny anabaviny ho azy. Niaiky izy fa nahita ny fahamarinana. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny Komitin’ny Tany izy, ary nanohy ny fianarany tamin’ny alalan’ny taratasy. Nanao dia hitsidihana azy manokana ny rahalahy roa, mba hanampiana azy bebe kokoa. Hitan’izy ireo tamin’ny resaka nifanaovany tamin’i Arben, fa efa afaka nitory izy. Nentin’izy ireo tao an-tampon-tanànan’i Korçë izy, ary nasainy nijery azy ireo nitory tamin’ny mpandalo.

Hoy i Arben: “Nomen-dry zareo gazety aho avy eo, ary hoy izy: ‘Anao izao.’ Nasainy nitory irery aho, ka lasa tokoa.”

Volana vitsivitsy tatỳ aoriana vao nisy mpisava lalana manokana tonga nanampy azy. Nihaino tsara azy anefa ny olona talohan’izay. Nisy antoko-mpitory niforona tao, tsy ela taorian’ny nahatongavan’ireo mpisava lalana.

Niantso ny biraon’ny Komitin’ny Tany ireo mpisava lalana tao Vlorë, tamin’ny faramparan’ny taona. Narary, hono, i Areti Pina, ary naniry hihaona tamin’ny rahalahy iray tompon’andraikitra. Nasainy nivoaka ny rehetra, rehefa tonga ilay rahalahy ary niresaka nitokana izy ireo.

Hoy i Areti sempotsempotra: “Tsy ho ela aho dia ho faty. Nisy zavatra noeritreretiko, ary mila manontany anao aho. Tsy ho voaraiko daholo ny tsipiriany rehetra, saingy mba tiako ho fantatra hoe efa tanteraka ve ny bokin’ny Apokalypsy?”

“Efa tanteraka ny ankamaroany”, hoy ilay rahalahy, sady nolazainy ny zavatra sasany mbola tsy tanteraka. Nihaino tsara azy i Areti.

Hoy izy: “Afaka mandry amim-piadanana amin’izay aho. Tiako ho fantatra fotsiny raha efa akaiky ny farany.”

Mpitory nazoto nandritra ny taona maro i Areti, na tamin’izy nitory irery teny amin’ny havoana, na tamin’izy narary teo am-pandriana. Nahavita ny fanompoany teto an-tany izy, taoriana kelin’io resaka io.

NATANJAKA HATRAMIN’NY FARANY NY FINOANY

Narary i Nasho Dori, tamin’izy 80 taona mahery, ary lasa kely hery. Nila fampaherezana avy taminy anefa ny rahalahy tanora vitsivitsy nantsoina ho miaramila. Nialona an’ilay fitomboana haingana teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitondra fivavahana ortodoksa tao Berat. Nampirisihiny ny manam-pahefana mba hampiakatra fitsarana an’ireo tovolahy ireo.

Nety higadra amam-bolana maromaro ny rahalahy tanora enina, satria tsy nety nanao raharaha miaramila. Niaiky i Nasho fa nila nampaherezina izy ireo. Nipetraka teo ambony fandriana izy ary nalaina video rehefa nanafatra azy ireo.

Hoy i Nasho: “Aza matahotra fa efa niatrika an’izao koa izahay. Homba anareo i Jehovah. Aza matahotra raha gadraina ianareo. Hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah izany.”

Niharatsy ny fahasalaman’i Nasho, ka niantso rahalahy hanatona azy teo am-pandriana izy, ary nilaza hoe: “Mila mangataka famelan-keloka aho. Nijaly be aho tamin’ny herinandro, ka nivavaka mba ho faty. Nieritreritra aho avy eo hoe: ‘Ianao no Mpanome aina, Jehovah ô! Manao izay hahavelona anay ianao. Mifona aho fa nangataka zavatra nifanohitra tamin’ny sitraponao!’ ”

Nolazaina taminy fa tafakatra 942 ny isan’ny mpitory teto, ka hoy izy: “Nahangona vahoaka be ihany isika teto Albania!” Nahavita ny fanompoany teto an-tany izy, andro vitsivitsy taorian’izay.

TRAZIRA NA FANJAKAN’I BAROA

Nitombo be ny fanararaotana sy ny kolikoly, tamin’ny 1997. Albaney maro no nivarotra ny fananany ary nampiasa ny volany mba hahazoam-bola be haingana. Tezitra izy rehefa tsy nahomby, ka nidina an-dalambe.

Nisy fivoriambe manokana tamin’io fotoana io. Nilaza tamin’ireo rahalahy ny anabavy iray niasa ho an’ny manam-pahefana ambony, fa hiala ny praiminisitra. Reny fa hisy korontana be. Nohafohezina àry ny fivoriambe, ka afaka nody haingana ireo rahalahy. Feno hotakotaka ilay tany, adiny roa taorian’izay, ary voarara ny nivezivezy amin’ny alina.

Tsy nisy nahalala an’izay tena nitranga. Niely be ny tsaho. Fanafihan’ny vahiny ve sa olana ara-politika teto an-toerana? Tsy nahomby ilay tetika hahazoam-bola be haingana, ka very vola ny ankamaroan’ny olona. Raikitra ny rotaka tao Vlorë. Niditra an-keriny tao amin’ny fitehirizana fitaovam-piadian’ny fanjakana ny olona, ary naka an’izay rehetra tao. Nitantara ny mpilaza vaovao fa nahery setra daholo ny olona, na taiza na taiza. Nikorontana ny tanàna ka tsy voafehin’ny polisy intsony. Lasa nisy fikomiana sy fanjakan’i Baroa teto Albania.

Nialokaloka tao Tirana ny ankamaroan’ireo mpanompo manontolo andro vahiny 125. Albaney maro no nanome tsiny an’ireo vahiny, ka tsara kokoa raha niala teto ireo mpisava lalana ireo. Nihidy anefa ny seranam-piaramanidina, ka nentina tany Durrës ny mpisava lalana italianina sasany. Olon-tsotra nitam-basy no nibodo ny seranan-tsambo tao. Afaka nody tany amin’ny taniny ihany ireo mpisava lalana, rehefa avy niandry sy nitaintaina nandritra ny adiny 12.

Nifandray an-telefaonina isan’andro tamin’ireo rahalahy nanerana an’i Albania ny Komitin’ny Tany. Nangingina hafahafa ny arabe rehefa maraina. Nanomboka anefa ny tifitifitra rehefa tolakandro, ary tsy nijanona raha tsy mangiran-dratsy. Nanana tafondro mihitsy aza ny sasany. Nantsoina hoe trazira na korontana ilay toe-javatra.

“HANOME VONINAHITRA NY ANARAN’I JEHOVAH IZANY”

Tsy nety nanao raharaha miaramila ireo rahalahy enina tao Berat, ka nogadraina. Anisan’izy ireo i Arben Merko. Hoy izy: “Nisy lavaka kely teo amin’ny rindrina nanasaraka ny efitra nisy ahy sy ny an’ny lehilahy iray. Nanontany ny momba ahy avy teo amin’izy io izy.” Nitory taminy nandritra ny herinandro maromaro i Arben. Indray andro, dia tsy nisy niteny intsony teo amin’ilay lavaka.

Nisy tovolahy tonga tany an-tranon’i Arben, rehefa nafahana izy. Tsy fantany ny endrik’ilay olona, saingy tsy vaovao taminy ny feony. Hay ilay lehilahy niteny teo amin’ilay lavaka izy io!

Nisy fanamafisam-peo teny an-tanany, ary hoy izy: “Tonga hanatitra an’ity aho.

“Nangalariko tao amin’ny efitrano fivorianareo izy ity, nandritra ny trazira. Nanohina ny foko anefa ny zavatra nolazainao tany am-ponja. Tsy te henjehin’ny eritreritro aho, ka izany no amerenako azy ity.”

Tamin’izay no tsaroan’i Arben ny hafatr’i Nasho Dori tamin’izy sy ny namany hoe: “Hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah izany.”

FIKARAKARANA NY ONDRIN’I JEHOVAH

Lasa ireo anti-panahy vahiny, ka mpanampy amin’ny fanompoana 19 sy 20 taona no nikarakara ny ankamaroan’ireo fiangonana sy antoko-mpitory. Nanao vivery ny ainy ny telo tamin’ireo rahalahy tanora ireo, indray andro, ka nanao dia avy tao Vlorë nankao Tirana. Nanahy ny Komitin’ny Tany sao dia tsy ampy sakafo ireo mpiara-manompo, ka nanontany raha nisy zavatra nilain’izy ireo.

Hoy ireo tanora: “Saika haka taratasy famenoana tatitra momba ny fanompoana izahay fa lany ny anay.” Nanahaka an’ireo be taona tsy nivadika izy ireo, ka izay nilainy ara-panahy no tena nampanahy azy fa tsy ny ara-nofo. Nitantara izy ireo fa maro no nihaino ny vaovao tsara, satria natahotra sy nanahy momba ny hoavy.

Nisy nitelefaonina ny Komitin’ny Tany, taoriana kelin’ny Fahatsiarovana. “Anabavinareo avy atỳ Kukës izahay”, hoy ny vehivavy iray. “Nivory irery izahay rehefa lasa ireo mpisava lalana.”

Tsy afaka nifandray tamin’ireo mpitory tao Kukës ireo rahalahy tao Tirana, noho ny korontana. Nandamina Fahatsiarovana tany amin’ny toerana roa anefa ny mpitory tsy vita batisa fito. Nanahy izy ireo sao tsy araka ny tokony ho izy ny fomba nankalazany ny Fahatsiarovana. Faly anefa izy ireo fa nisy 19 ny mpanatrika tany amin’ireo toerana roa. Nahagaga fa 3 154 no nanatrika ny Fahatsiarovana nanerana an’i Albania, tamin’ny 1997, na teo aza ny zava-tsarotra sy ny fandrarana tsy hivezivezy amin’ny alina. Nitory foana koa ireo mpitory, na teo aza ny fanjakan’i Baroa. Nizara fampiononana izy ireo ary nitandrina rehefa nanao izany.

Fantatry ny Komitin’ny Tany fa nila sakafo sy boky ireo rahalahy tao Gjirokastër. Niara-nidinika àry izy ireo raha nety ny handefasana kamiao hitondra vatsy any. Tapaka anefa ny resak’izy ireo rehefa nilaza ny anabavy iray fa nisy mpanao gazety tonga mba hihaona amin’izy ireo. Nisy vaovao nety hanampy azy ireo, hono.

Tsy fantatr’ilay mpanao gazety ny resaka nifanaovan’ireo komity, kanefa hoy izy: “Aza mandeha mianatsimo mihitsy rahampitso. Renay fa hisy zava-doza hitranga any Tepelenë.” Tsy nalefan’ireo rahalahy àry ilay kamiao saika ho any Gjirokastër, satria tsy maintsy handalo ao Tepelenë.

Ny ampitson’io, taoriana kelin’ny tamin’ny 11 ora, dia nisy vaovao manokana nilaza fa nahitana herisetra nahafatesana olona maro tao Tepelenë. Nisy nanapoaka koa ny tetezana tao. Nisaotra an’i Jehovah ireo rahalahy, satria nosakanany tsy handeha tany!

Nandritra ny herinandro maromaro, dia nandre poa-basy ny fianakavian’ny Betela rehefa alina. Matetika koa izy ireo no nandre feona basimarovava sy baomba, nandritra ny fotoam-pivavahana maraina. Nisy nanao tifi-danitra, ka natahorana hahavoa olona ny bala very. Tsy nivoaka ny trano àry ireo Betelita, ary nipetraka tamin’ny tany sy nanalavitra ny varavarankely ireo mpandika teny rehefa niasa.

Tonga nampandry tany teto ny miaramilan’ny Firenena Mikambana niisa 7 000, tamin’ny Aprily 1997. Niala teto izy ireo ny volana Aogositra, ka afaka nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra ireo rahalahy. Faly ny mpitory satria vitsivitsy ihany no afaka nivory, volana maromaro talohan’izay.

Nisakana an’ireo bisy nohofan’ny mpanatrika fivoriambe ny jiolahy nitam-basy. Hoy anefa izy ireo rehefa fantany fa Vavolombelon’i Jehovah ireo mpandeha: “Hafa mihitsy ianareo! Tsy hanisy ratsy anareo izahay.”

Inona no fiantraikan’ny trazira teo amin’ny asa fitoriana? Toa vao mainka nihamaro ny olona nahatsapa fa nila an’Andriamanitra, noho ny loza sy ny tebiteby. Ny vokany? Nisy mpitory vaovao 500 teto Albania, tao anatin’ny herintaona sy telo volana. Lasa 1 500 mahery àry ny isan’ny mpitory.

NALAZA TAMPOKA I KOSOVO

Toa nitsahatra ny poa-basy, taorian’ny trazira, ary nitombo foana ireo fiangonana. Nisy olana nipoitra anefa tatsy Kosovo. Nisy fiantraikany hatratỳ ny ady tao, satria maro ny mpitsoa-ponenana. Nizara fanantenana ho azy ireo avy hatrany ireo mpitory teto, tamin’ny alalan’ny boky sy gazety. Nokarakarainy tsara koa ireo Vavolombelona 22 sy ny zanany, izay anisan’ireo mpitsoa-ponenana.

Tapitra ny ady tatsy Kosovo, tamin’ny Aogositra 1999, ka nody ireo Vavolombelona. Niaraka taminy koa ny rahalahy albaney sy italianina ary mpisava lalana manokana folo, mba hanampy azy ireo teo amin’ny lafiny ara-panahy. Nisy mpitory 1 805 teto, ary 40 tatsy Kosovo, tamin’ny faran’ny taom-panompoana 1999.

FANDROSOANA ARA-PANAHY

Hoy i Nasho Dori, talohan’ny nahafatesany: “Faly aho fa efa nandika boky maro isika. Ny tena ilaintsika anefa, dia ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay fandikan-teny tsara hampiorina ny finoantsika!” Navelan’ny Filan-kevi-pitantanana hadika tamin’ny teny albaney Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 1999, telo taona monja taorian’ny nahafatesan’i Nasho.

Nivoaka tamin’ny fivoriambe, tamin’ny 2000, Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny albaney. Tsy nampoizin’ny mpanatrika izany! Niasa tamin’ny fony manontolo ireo mpandika teny, ka vita tao anatin’ny herintaona monja ny fandikana azy io. Hoy ny mpisava lalana iray anisan’ny antenimiera kominista taloha: ‘Tena tsara ilay izy! Rehefa namaky azy io aho vao nahatsapa fa kanto ny Baiboly. Mahafinaritra daholo na ny lahatsoratra tsotra, na tononkalo, na fitantarana. Nihetsi-po be aho rehefa namaky ny fahagagana nataon’i Jesosy sy ny nandavana azy ary ny nanesoana azy. Azoko sary an-tsaina ny tantara tsirairay!’

Lasa 2 200 ny mpitory teto Albania, ary 40 ny Betelita. Nanofa trano ny Betela, nefa mbola nilaina ny trano fanampiny. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana àry ny hividianana tany mirefy telo hektara eto Mëzez, izay somary lavidavitra an’i Tirana. Lasa Komitin’ny Sampana ilay Komitin’ny Tany tamin’ny 2000, mba hiandraikitra ny asa eto Albania sy atsy Kosovo.

Nisy mpitory 3 122 teto Albania, tamin’ny Septambra 2003, rehefa natomboka ny fanorenana ny trano vaovaon’ny sampana. Efa teo am-pandikana ny Soratra Hebreo koa ireo rahalahy, tamin’izay. Tsy vitan’ny hoe nandroso haingana ny asa fitoriana, fa nihamatotra koa ny mpitory. Tovolahy 20 no nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana voalohany teto Albania, tamin’ny Aogositra 2004. Mbola tanora ny ankamaroany, tamin’izy ireo nikarakara fiangonana nandritra ny trazira. Tena faly izy ireo fa nahazo fampiofanana bebe kokoa!

‘TEZITRA NY DEVOLY’

Hoy ny lohatenin’ny gazety iray teto Albania, tamin’ny Febroary 2005: “Mampianatra ny Olona Hamono Tena i Jehovah!” Naelin’ny tele sy ny gazety fa Vavolombelon’i Jehovah ny ankizivavy iray namono tena. Mbola tsy nianatra Baiboly na nivory akory anefa izy io. Nentin’ny mpanohitra hanenjehana an’ireo rahalahy anefa izany.

Nesoin’ny mpampianatra ireo zanaka Vavolombelona. Very asa ireo rahalahy. Nitaky ny handrarana ny asantsika ny olona. Niezaka nifampiresaka tamin’ny mpanao gazety ireo rahalahy, nefa vao mainka niharatsy ny toe-javatra.

Tena nila tari-dalana sy fanampiana ireo mpanompon’i Jehovah, mba hiatrehany izany. Nandamina lahateny manokana àry ny sampana. Noresahina tamin’izy io fa sarobidy ny hitoriana ny fahamarinana foana, mba hanoherana ireo lainga feno haratsiam-panahy. Nampirisihina hampisaintsaina ny olona ireo rahalahy, fa tsy hatahotra azy ireo. Azony resahina amin’ny olona tso-po fa nitombo be ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ireo taona vitsivitsy lasa. Tsy ho nitranga mihitsy izany raha namono tena izy ireo. Tsy vao izay koa no nisy fanendrikendrehana toy izany. Nampahatsiahivina an’ireo rahalahy fa efa nampangaina ho namono tena koa i Spiro Vruho, tamin’ny 1969. Tsy handaitra àry ireo lainga ireo, ary izany tokoa no nitranga!

Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra mantsy volana vitsivitsy monja taorian’izay, izany hoe tamin’ny Aogositra 2005. Avy teto Albania sy tatsy Kosovo ireo mpanatrika 4 675. Namoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo amin’ny teny albaney i David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Faly be ireo rahalahy!

Hoy ny zokiolona iray: “Tsy mahagaga raha niezaka mafy nisakana antsika i Satana. Tezitra izy satria nahazo zava-tsoa maro ny vahoakan’i Jehovah.”

Nihamaro foana ny mpanompon’Andriamanitra teto Albania, na teo aza ny tsaho naelin’ny fampitam-baovao. Vady sy havana tsy Vavolombelona maro no nanomboka nianatra Baiboly sy lasa mpitory, rehefa nahatakatra fa tsy marina ireo vaovao ireo. Tanteraka foana ny sitrapon’i Jehovah, na teo aza ny fanafihana faran’izay mafy nataon’i Satana. Nifindra tao amin’ilay sampana vaovao ny fianakavian’ny Betela, ary natomboka ny kilasy faharoa tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.

NOTOKANANA NY SAMPANA

Notokanana tamin’ny Jona 2006 ny trano vaovaon’ny sampana. Nanatrika izany i Theodore Jaracz sy Gerrit Lösch, izay samy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, sy ireo solontena 350 avy any amin’ny tany 32. Tao koa i Sotir Ceqi, ilay nampijalina tamin’ny herinaratra tamin’ny 1945 tany ho any. Efa ho 80 taona izy izao, ary mbola manompo amim-pifaliana.

“Efa ela no niandrasako an’ity andro ity”, hoy i Frosina Xheka, izay mbola tsy nivadika na dia nijaly am-polony taona aza. Teo i Polikseni Komino, vady navelan’i Jani. Nitantara izy fa mpisava lalana maharitra ny zanany vavy sy ny zafikeliny. Teo koa i Vasil Gjoka, izay lasa mivokoka taorian’ny fijaliana an-taonany maro. Nanganohano ny ranomasony tamin’izy niresaka momba ny nitsidihany an’i Leonidha Pope sy ny nanaovana batisa azy niafina, tamin’ny 1960.

Navadika ho Efitrano Fanjakana telo sy trano ho an’ny misionera 14, ilay tranon’ny sampana taloha tao Tirana. Kilasy enina tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana no efa natao teto Albania. Lasa mpisava lalana manokana tsy mivadika sy mahafoy tena ireo rahalahy nampiofanina, ary tena ilaina eto Albania. Anisan’ireo mpisava lalana maharitra sy manokana 950 mahery mazoto mitory eto izy ireo.

HANAO AHOANA NY HOAVY?

Tena mankasitraka ny Baiboly sy ny boky nadika tamin’ny fiteniny ireo rahalahy sy anabavy albaney. Mandroso foana ny asan’i Jehovah eto. Ankoatra an’ireo rahalahy mazoto sy mahay, izay nampiofanina hiandraikitra fiangonana, dia “tafika lehibe” koa ireo “vehivavy manambara ny vaovao tsara.”—Sal. 68:11.

Tanteraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Albania ireto teny ireto: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao, ary homelohinao eo amin’ny fitsarana ny lela rehetra manohitra anao. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah.” (Isaia 54:17) Noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah sy ny heriny, dia tsy naharesy azy ireo mihitsy ny fitondrana jadona, fampijaliana, fanokana-monina, tsaho naelin’ny fampitam-baovao, ary ny olana hafa.

Matoky ny vahoakan’i Jehovah eto Albania fa mbola hanehoan’Andriamanitra fitiavana foana izy ireo, ary hotahiny amin’ny hoavy. Voninahitra ho azy ireo ny mampifaly ny fon’ilay Rainy any an-danitra, noho ilay fanantenana eo anoloany, na teo aza ny olana. (Ohab. 27:11; Heb. 12:1, 2) Izao no zavatra misongadina eo amin’ny tantaran’ny Kristianina eto Albania: Tsy hadinon’i Jehovah mihitsy ny sorona kely sy lehibe ataon’ny mpanompony tsy mivadika, na tanora izy na antitra.—Heb. 6:10; 13:16.

[Teny notsongaina, pejy 130]

Nadika hoe Ny Gitaran’Andriamanitra ny lohatenin’izy io tamin’ny voalohany

[Teny notsongaina, pejy 140]

“Raha Kristianina ialahy dia ho niady hoatran’ny pretra!”

[Teny notsongaina, pejy 189]

“Saika haka taratasy famenoana tatitra momba ny fanompoana izahay fa lany ny anay”

[Efajoro/Sary, pejy 132]

Indray Mitopy Maso An’i Albania

Ilay Tany

Any Eoropa atsimoatsinanana, avaratr’i Gresy, ary atsinanan’i Italia no misy an’i Albania. Mahatratra 28 750 kilaometatra toradroa ny velarany. Mirefy 362 kilaometatra ny morontsirak’i Albania, manamorona ny ranomasina Adriatika sy Ionianina. Manga manopy maitso ny ranomasina, manomboka any Vlorë ka hatrany Sarandë. Fotsy ny torapasika, ary alokalofan’ireo tendrombohitra avo be. Feno tandavan-tendrombohitra ny faritra avaratra sy afovoan’i Albania. Ahitana lemaka mamokatra kosa any atsimoandrefana.

Mponina

Tombanana ho 3 600 000 izy ireo, ary Albaney ny ankamaroany. Misy Rôma sy Grika ary Serba koa eto.

Toetany

Mahatratra 26 degre eo ho eo ny hafanana rehefa fahavaratra, any amin’ny morontsiraky ny faritra atsimo. Mahatratra 25 degre ambanin’ny zero anefa ny hatsiaka rehefa ririnina, any amin’ireo tendrombohitr’i Dibër, any amin’ny faritra avaratra.

Sakafo

Eo ny byrek: Mofo asiana epinara, fromazy, voatabiha, ary tongolo, na legioma hafa na hena. Eo koa ny tava e kosit: Akoho na ondry andrahoina amin’ny lafaoro ary asiana saosy matsiro vita amin’ny yaorta sy aneta. Tia mihinana lasopy sy sakafo ketsaketsa koa ny Albaney, ary mampiasa sotro. Rehefa ondry ny laoka amin’ny fotoana manokana, dia matetika no omena ny vahiny manan-kaja ny lohany. Maro ny tsindrin-tsakafon’ny Albaney, fa anisany ny baklava (sary ankavanana) sy ny kadaif, izay mofomamy nasiana voamadinika sy sirao na tantely. Foto-tsakafon’ny Albaney ny mofo. Raha te hilaza ianao fa efa nisakafo, dia izao fotsiny lazaina: “Hëngra bukë”, midika hoe: “Efa nihinana mofo aho.”

[Efajoro/Sary, pejy 134]

Fivoriambe Tany Am-boalohany

Nanao Fivoriana ho An’ny Besinimaro tamin’ny fiteniny ireo Albaney tany Nouvelle-Angleterre, Etazonia, isak’alahady. Niaraka tamin’ny fiangonana niteny anglisy na grika izy ireo ankoatra izay. Faly ry zareo fa nanatrika fivoriambe tamin’ny teny grika, tamin’ny 1920 ka hatramin’ny 1940. Nanana karatry ny fivoriambe tamin’ny fiteniny koa izy. Izao no nisoratra teo: “Fivoriambe Telo Andro Ataon’ny Mpianatra ny Baiboly Albaney.”

[Sary]

Karatra (havanana) nanaovan’ireo rahalahy albaney (ambany) tamin’ny fivoriambe tany Boston, taloha kelin’ny 1930

[Efajoro/Sary, pejy 151, 152]

‘Tsy Nandao Anay i Jehovah!’

FROSINA XHEKA

TERAKA 1926

BATISA 1946

TANTARANY Nahita ny fahamarinana tamin’izy zatovo. Notoherin’ny ray aman-dreniny, nalefan’ny fanjakana nitoka-monina. Tsapany fa akaiky azy foana i Jehovah sy ny fandaminany. Maty tamin’ny 2007.

◼ NIANATRA ny fahamarinana tamin’ireo zokiny lahy i Frosina, taorian’ny 1940. Nandroaka azy ny ray aman-dreniny, izay tsy Vavolombelona, satria tsy nanaiky hanambady an’ilay olona nofidin’izy ireo izy. Nandray azy ny Rahalahy Gole Flloko, ary nitondra azy ho toy ny zanany.

Hoy i Frosina: “Voasambotra aho, indray mandeha, satria tsy nety nifidy. Izaho irery no tao amin’ny efitra iray niaraka tamin’ny polisy 30 teo ho eo. Nivazavaza ny iray taminy hoe: ‘Fantatrao ve ny zavatra azonay atao aminao?’ Tsapako fa nanohana ahy i Jehovah, ka hoy aho: ‘Izay avelan’i Jehovah Tompo Fara Tampony ataonareo ihany no azonareo atao!’ Nihevitra ry zareo fa lasa adala aho, ka hoy izy: ‘Avoahy any io!’ Nanohana ahy tokoa i Jehovah!”

Nanambady an’i Luçi Xheka i Frosina, tamin’ny 1957, ary niteraka telo izy ireo. Lasa anisan’ny Komitin’ny Tany teto Albania i Luçi, taoriana kelin’ny 1960. Tsy ela dia natoka-monina tany Gramsh nandritra ny dimy taona izy, ka lasa lavitra an’i Frosina sy ny zanany. Nitory foana i Luçi tany, ary niresaka momba ny fandaminana. Mahatsiaro azy ny mponin’i Gramsh, hatramin’izao.

Anisan’ireo nahiahin’ny Antoko Kominista koa i Frosina, rehefa natoka-monina i Luçi. Tsy afaka nividy sakafo intsony àry izy. Hoy izy: “Tsy nampaninona izany. Nizara izay nananany ny mpiara-manompo sasany! Velona izahay, satria tsy nandao anay mihitsy i Jehovah!”

Tsy nivory firy ireo rahalahy, rehefa maty i Luçi. Nitory foana anefa i Frosina. Hoy izy: “Nitsidika anay i John Marks taorian’ny 1960. Nihaona tamin’i Helen vadiny ihany aho tamin’ny 1986, ary toy ny efa nifankahalala an-taonany maro izahay! Nandefa hafatra mangingina ho azy ireo izahay sy Luçi, ary izy ireo indray no nandefa izany tany Brooklyn.”

Foana ny fandrarana tamin’ny 1992. Anisan’ireo Vavolombelona vita batisa sivy sisa teto Albania i Frosina. Nivory tsy tapaka izy, ary mbola nanompo tamin’ny andro nahafatesany, tamin’ny 2007. Hoy izy taloha kelin’ny nahafatesany: “Tena tiako i Jehovah! Tsy nieritreritra ny hivadika mihitsy aho. Fantatro fa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany aho. Vao mainka faly anefa aho mahita hoe lasa maro be ny vahoakan’i Jehovah eto Albania. Nomba anay foana i Jehovah, ary mbola mitantana anay amim-pitiavana!”

[Sary]

Frosina Xheka, 2007

[Efajoro/Sary, pejy 159, 160]

Lasa Be dia Be ny Boky sy Gazety

VASIL GJOKA

TERAKA 1930

BATISA 1960

TANTARANY Tsy nivadika na teo aza ny fitondrana jadona. Anti-panahy ao Tirana ankehitriny.

◼ NAHITA Tilikambo tamin’ny teny grika tany Barmash, tanàna niaviako, aho tamin’izaho mbola kely. Notondroin’i Dada ilay gazety, sady hoy izy: “Marina ny an’ireto olona ireto!” Taona maro tatỳ aoriana vao azoko ny tiany holazaina. Tia namaky Baiboly aho, na dia nampidi-doza aza ny nanana azy io. Nihaona tamin’ny rahalahy iray avy eto Tirana aho, tamin’ny fandevenana ny havanay iray. Nanontaniako azy ny momba ny famantarana ny “andro farany” ao amin’ny Matio toko faha-24. Nohazavainy ilay izy, ary tonga dia noresahiko tamin’ny olona izay nianarako.

Nanatrika fivoriana miafina tao an-tranon’i Leonidha Pope aho, tamin’ny 1959. Efa namaky ny bokin’ny Apokalypsy aho, ka nanontany hoe iza ilay bibidia sy Babylona Lehibe. Rehefa nanazava ireo rahalahy, dia fantatro fa izany no fahamarinana! Natao batisa aho ny taona nanaraka.

Nazoto nitory aho, ka noroahina tamin’ny asako. Nividy sarety efa kadraoka aho, ary nitaona entana teto Tirana. Nitory foana aho, na dia tsy nanana gazety sy tsy nihaona firy tamin’ireo rahalahy aza.

Nahazo boky roa tamin’ny teny grika i Leonidha Pope, taoriana kelin’ny 1960, talohan’izy natoka-monina. Nisy nitondra an-tsokosoko teto Albania izy ireo. Nadikany tamin’ny feo avo izay voalaza tao, ary nosoratako tamin’ny kahie. Nanao kopia maromaro aho, araka ny toromarika nomeny, ary nalefako tany amin’ireo rahalahy tany Berat sy Fier ary Vlorë izany.

Maro tokoa ny fiovana taorian’ny 1990! Faly aho fa be dia be ny boky nomen’i Jehovah anay. Gazety amin’ny teny albaney 17 tapitrisa mahery no voapetrakay, nanomboka tamin’ny 1992 no ho mankatỳ! Voadika amin’ny teny albaney ireo boky vaovao, ary misy amin’ny fiteninay ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo! Latsa-dranomasom-pifaliana aho, rehefa mitodika ny lasa. Zara raha nanana boky izahay nandritra ny taona maro, ka tena velom-pankasitrahana ankehitriny!

[Efajoro/Sary, pejy 163, 164]

Nahita Asa Tsara Aho Rehefa Nody

ARDIAN TUTRA

TERAKA 1969

BATISA 1992

TANTARANY Nianatra ny fahamarinana tany Italia, ary niverina teto Albania. Anisan’ny Komitin’ny Sampana ankehitriny.

◼ NIALA teto Albania niaraka tamin’ny mpitsoa-ponenana an’arivony aho tamin’ny 1991, tamin’izaho 21 taona. Nalainay an-keriny ny sambo iray ho any Italia. Lasa nahantra i Albania, ka faly aho fa tafala teto. Toy ny hoe tanteraka ny nofinofiko.

Nivoaka an-tsokosoko avy tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana aho, roa andro taorian’ny nahatongavanay tany Brindisi, Italia. Hitady asa no nialako tao. Nanome ahy taratasy kely nisy hafatra ara-baiboly tamin’ny teny albaney ny lehilahy iray. Nasainy hanatrika fivoriana hatao ny harivan’io koa aho. Nieritreritra aho hoe: ‘Koa maninona moa? Mety hisy hanome asa ahy any!’

Tsy nampoiziko mihitsy ny fomba nandraisana ahy tany. Nanatona ahy ny rehetra, taorian’ny fivoriana, sady tsara fanahy no be fitiavana. Nanasa ahy hisakafo ny fianakaviana iray. Tsara fanahy sy nanaja ahy ry zareo, nefa izaho sady malotoloto no mpitsoa-ponenana tsy nanana taratasy ara-dalàna!

Nanasa ahy hianatra Baiboly i Vito Mastrorosa, tamin’ny fivoriana nanaraka. Nanaiky aho, ary tsy ela dia niaiky fa io no fahamarinana. Natao batisa tany Italia aho, tamin’ny Aogositra 1992.

Vita ihany, tamin’ny farany, ny taratasy nahafahako nipetraka tany Italia. Nahazo asa tsara aho, ary nandefa vola ho an’ny fianakaviako tatỳ Albania. Lasa saina anefa aho hoe: ‘Efa malalaka izao ny asa fitoriana any Albania, ary ilana mpitory maro kokoa any. Tsy tokony hody ve izany aho? Dia ahoana hoy ny fianakaviako? Ilain-dry zareo mantsy ny vola alefako. Inona no holazain’ny olona?’

Nitelefaonina ahy ny Betela tao Tirana avy eo. Nanontany ry zareo raha nazoto hankatỳ Albania aho, ka hampianatra teny albaney an’ireo Italianina mpisava lalana manokana, izay hifindra atỳ ny volana Novambra. Nahalasa saina ahy ny ohatr’izy ireo. Namonjy an’ilay tany nialako ry zareo. Vonona ny hifindra izy na dia tsy hainy aza ilay fiteny. Tsy tokony hijanona tany Italia mihitsy aho, satria Albaney!

Nanapa-kevitra aho, ka nandeha sambo niaraka tamin’ireo mpisava lalana manokana. Nanompo tao amin’ny Betela avy hatrany aho. Nampianatra teny albaney aho ny maraina, ary niasa tamin’ny fandikan-teny ny tolakandro. Tsy faly ny fianakaviako tamin’ny voalohany. Nandray ny vaovao tsara anefa izy ireo rehefa takany ny antony niverenako. Tsy ela dia natao batisa ny ray aman-dreniko sy ny anabaviko roa ary ny rahalahiko iray.

Nanenenako ve ny nandao an’ilay asa nahazoam-bola tany Italia? Tsia! Nahita asa tsara aho teto. Amiko, dia ny fanompoana an’i Jehovah amin’izay rehetra ananana no asa tsara indrindra sy tena mahafaly!

[Sary]

Ardian sy Noadia vadiny

[Efajoro/Sary, pejy 173, 174]

Nifarana Hatreo ny Fivoriana Miafina

ADRIANA MAHMUTAJ

TERAKA 1971

BATISA 1993

TANTARANY Nasaina hanatrika fivoriana miafina. Niova tampoka ny toe-javatra, avy eo. Mpisava lalana manokana ankehitriny.

◼ NAMOY ny zanany ny nenitoako tamin’ny 1991. Nampahery azy tamin’ny alalan’ny Baiboly ny vehivavy iray atao hoe Barie. Reko ny resak’izy ireo, ka nametraka fanontaniana be dia be aho. Nasain’i Barie nihaona tamin’i Rajmonda tany am-piasany àry aho. Efa mpanatrika fivoriana miafina ry Rajmonda mianakavy, tamin’izany. Tsy tonga dia nasaina hanatrika fivoriana anefa ny olona vaovao. Nampirisihin’i Rajmonda àry aho mba hianatra Baiboly mandritra ny fotoana kelikely aloha. Tena tiako ny zavatra nianarako, ary tsy ela aho dia navela hanatrika fivoriana.

Mbola tsy vita batisa ireo nanatrika fivoriana tao, saingy efa niara-nivory tamin’i Sotir Papa sy Sulo Hasani taloha. Mody nivory niaraka tamin’izy ireo ny polisy miafina, taona maro talohan’izay, ary nitondra an’ireo rahalahy tany amin’ny paositry ny polisy. Tena mailo àry ny rehetra, ka nofidina tsara ny olona nasaina hanatrika fivoriana.

Fantatro tamin’izaho nivory voalohany, fa tokony hanao lisitra ny anaran’ny namany avy ny mpanatrika, ary hiresaka ny zavatra nianaranay amin’izy ireny. Niresaka tamin’i Ilma Tani avy hatrany aho. Navela hivory koa izy, tsy ela taorian’izay. Vetivety dia niampy ireo mpanatrika 15.

Tonga tao Berat i Michael sy Linda DiGregorio, tamin’ny Aprily 1992. Nasaina nanasa olona hihaino ny lahateniny izahay, ka 54 no tonga. Mbola tsy nisy vita batisa izahay. Nototofanay fanontaniana nandritra ny ora maro ry DiGregorio, rehefa tapitra ny fivoriana. Lasa fantatray tsara àry ny fomba tokony hitoriana sy hitarihana fivoriana.

Nekena ho ara-dalàna ny asantsika, tsy ela taorian’izay. Nankany Tirana izahay sy Ilma ary ny anadahy roa, mba hianatra ny fomba fitory isan-trano. Niezaka nampita tamin’ireo mpitory tao Berat ny zavatra nianaranay izahay. Nandroso ny fiangonanay, rehefa tonga tao Berat ny mpisava lalana manokana efatra avy any Italia, tamin’ny Martsa 1993. Lasa nivory indroa isan-kerinandro izahay.

Natao batisa tao Tirana izahay sy Ilma tamin’io volana io, tamin’ilay fivoriambe manokana voalohany natao tao. Nisy 585 ny mpanatrika. Lasa mpisava lalana maharitra izahay, ary tsy ela taorian’izay dia voatendry ho mpisava lalana manokana. Izahay no Albaney voalohany nahazo an’io fanendrena io. I Korçë no faritany nanendrena anay. Tsy niafinafina intsony izahay.

Efa nitory irery teto Korçë i Arben Lubonja, volana maromaro talohan’ny nahatongavanay. Nivady izy sy Ilma tatỳ aoriana. Efa nanao ny asan’ny faritra izy ireo, ary manompo ao amin’ny Betela ankehitriny. Faly aho fa nanasa an’i Ilma hanatrika an’ilay fivoriana miafina!

Nahatsiaro ny fivoriana toy ireny aho vao haingana, rehefa nanatrika fivoriambe niaraka tamin’ny olona 5 500. Tena nitondra fiovana lehibe i Jehovah! Efa atao an-kalalahana izao ny fivoriana sy fivoriambe. An-jatony ny anadahy nandao an’i Berat noho ny olana ara-toe-karena. Na izany aza, dia lasa fiangonana dimy miroborobo be izao ilay antokon’olona vitsy kely taloha!

[Sary]

Ilma (Tani) sy Arben Lubonja

[Efajoro/Sary, pejy 183]

“Andao àry E!”

ALTIN HOXHA SY ADRIAN SHKËMBI

TERAKA Samy tamin’ny 1973

BATISA Samy tamin’ny 1993

TANTARANY Niala teny amin’ny oniversite mba ho mpisava lalana. Anti-panahy ankehitriny.

◼ MPIANATRA tao amin’ny oniversiten’i Tirana izy ireo, tany am-piandohan’ny 1993. Niresaka tamin’izy ireo nandritra ny ora maro momba izay nianarany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny namany anankiray. Niorina tamin’ny Baiboly daholo ny zavatra noresahiny. Nianatra bebe kokoa izy mirahalahy, tatỳ aoriana, nampihatra izay nianarany, ary natao batisa. Nitory tao Kuçovë izy ireo teo antenatenan’io taona io, ary mbola tsy nisy mpitory tao.

Hoy i Adrian tamin’i Altin, nony tafaverina tao Tirana izy ireo: “Nahoana isika no handany fotoana atỳ am-pianarana? Andao hifantoka amin’ny fitoriana any Kuçovë!”

“Andao àry e!”, hoy i Altin. Niverina tao Kuçovë izy ireo, fito volana taorian’ny batisany.

Tena nitahy ny ezaka nataon’izy ireo i Jehovah. Misy mpitory 90 mahery izao ao Kuçovë. Vavolombelona 25 no efa niala tao mba hanao ny asan’ny mpisava lalana, na hanompo ao amin’ny Betela. Izy roa lahy no nampianatra ny ankamaroan’izy ireny.

Mitsiky i Altin rehefa mieritreritra ny fianarana teny amin’ny oniversite, ary milaza hoe: “Nanapa-kevitra ny apostoly Paoly fa tsy hifantoka amin’ity tontolo ity. Nanao toy izany koa aho, tamin’ny 1993. Tsy nanenenako mihitsy ny niteny hoe ‘Andao àry e!’ ”

[Efajoro/Sary, pejy 191, 192]

Lasa Mpampianatra ny Fahamarinana Izy

ANASTAS RUVINA

TERAKA 1942

BATISA 1997

TANTARANY Nampianatra an’ireo miaramila teo ambany fifehezany tsy hino an’Andriamanitra. Anti-panahy sy mpisava lalana manokana ankehitriny.

◼ NASAINA niandraikitra antokona miaramila iray aho, rehefa avy niofana tao amin’ny akademia tamin’ny 1971. Tsy nanana grady aho, satria efa nofoanan’ny fanjakana izany tamin’ny 1966. Anisan’ny andraikitro ny nandentika tao an-tsain’ireo miaramila teo ambany fifehezako hoe tsy misy Andriamanitra. Nohazavaiko tamin’izy ireo fa fandemena saim-bahoaka fotsiny ny fivavahana.

Manambady aho ary telo ny zanakay. Nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Tirana i Artan, zanako lahy, tamin’ny 1992. Nentiny tany koa i Anila, zandriny vavy. Fandaniam-potoana sy hadalana no fiheverako an’izany, ka lasa nifanditra foana izahay.

Fitia te hahalala zavatra fotsiny no mba namakiako Tilikambo, indray andro. Nahagaga fa nitombina tsara ny zavatra voalaza tao. Tsy nety nianatra Baiboly anefa aho, na dia nampirisihin’izy mianadahy aza. Nihevitra aho fa tsy afaka mianatra Baiboly ny olona tsy mino an’Andriamanitra. Nivoaka tamin’ny teny albaney ilay boky hoe Ny Fiainana—Ahoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana?, tamin’ny 1995. Nomen’izy ireo iray tamin’izy io aho. Io no naharesy lahatra ahy hoe tena misy Andriamanitra. Tsy maintsy nianatra Baiboly aho, fa tsy afa-niala intsony. Nianatra koa i Lirie vadiko, ary nanaiky ny fahamarinana izahay.

Elaela aho vao nandroso. Efa 53 taona aho tamin’izay, ary tsy mora tamiko ny niala tamin’ny firehan-kevitra politika sy ny toe-tsaina miaramila nananako. Miaiky aho fa i Jehovah, ilay Mpamorona, no nanampy ahy handroso.

Tsy te hitory aho, satria nanahy sao ho sendra an’ireo olona nampianariko tsy hino an’Andriamanitra. Ahoana no ho fiheverany ahy? Namaky ny tantaran’i Saoly avy any Tarsosy i Vito Mastrorosa, indray andro, tamin’izahay nianatra. Nanohina ny foko ilay izy! Nanenjika ny Kristianina i Saoly, nianatra ny fahamarinana, ary nitory avy eo. Fantatro fa afaka manao toy izany koa aho, noho ny fanampian’i Jehovah.

Mbola mihomehy aho indraindray, rehefa mahatsapa hoe ampian’i Jehovah mba tsy ho hentitra be sy handanjalanja ary tsy ho mpibaikobaiko be. Mandeha tsikelikely anefa ilay fiovana.

Tsy mifamaly amin-janako momba ny fahamarinana intsony aho izao. Lasa reharehako indray aza izy ireo. Mpisava lalana manokana izao i Artan sady anti-panahy. Manompo ao amin’ny Betela ao Tirana kosa i Anila sy Eliona zanako vavy.

Mpisava lalana manokana izahay mivady. Tsapanay fa voninahitra ny mampianatra ny olona ny fahamarinana momba an’ilay Mpamorona Lehibe sy ny mahita ny fiovana ataon’izy ireo. Mahafaly ny mampianatra an’ilay fanantenana miorina amin’ny fikasan’i Jehovah, ilay hany tena Andriamanitra velona!

[Sary]

Ankavia miankavanana: Artan, Anila, Lirie, Anastas, Eliona, ary Rinaldo Galli vadiny

[Tabilao, pejy 176, 177]

TAONA MANAN-TANTARA​—Albania

1920-1922 Nisy Albaney nianatra ny fahamarinana tany Etazonia.

1922 Nody tao Gjirokastër i Thanas Idrizi rehefa nahalala ny fahamarinana.

1925 Nisy antokona mpianatra Baiboly telo teto Albania.

1928 Naseho tany amin’ny tanàna maro ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.”

1930

1935-1936 Nisy asa fitoriana lehibe natao.

1939 Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

1940

1940 Nogadraina ny rahalahy sivy, satria tsy nety nanao raharaha miaramila.

1946 Nanomboka nitondra ny Kominista.

1950

1960

1960 Voatendry hiandraikitra ny asa teto ny Komitin’ny Tany.

1962 Nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona ny rahalahy sasany anisan’ny Komitin’ny Tany.

1967 Lasa firenena tsy nino an’Andriamanitra i Albania.

1980

1990

1992 Nekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

1996 Nanatrika ny fitokanana voalohany ny Betela i Milton Henschel.

1997 Nanomboka ny trazira.

2000

2005 Nivoaka tamin’ny teny albaney ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo.

2006 Notokanana teto Mëzez, Tirana, ny biraon’ny sampana.

2010

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava lalana

4,000

3,000

2,000

1,000

1930 1940 1950 1960 1980 1990 2000 2010

[Sarintany, pejy 133]

(Jereo ny boky)

MONTÉNÉGRO

KOSOVO

MACÉDOINE

GRESY

Ioannina

Farihy Shkodra

Farihy Ohrid

Farihy Prespa

RANOMASINA ADRIATIKA

ALBANIA

TIRANA

Shkodra

Kukës

Burrel

Mëzez

Durrës

Kavajë

Gramsh

Kuçovë

Fier

Berat

Korçë

Vlorë

Tepelenë

Këlcyrë

Barmash

Përmet

Gjirokastër

Sarandë

[Sary, pejy 126]

[Sary, pejy 128]

Nahita ny fahamarinana tany Nouvelle-Angleterre, Etazonia, i Thanas Idrizi ary nitondra ny vaovao tsara tao Gjirokastër, Albania

[Sary, pejy 129]

Nampianatra ny rahalahiny i Sokrat Duli

[Sary, pejy 137]

Nitory tamin’ny manam-pahefana albaney i Nicholas Christo

[Sary, pejy 142]

Taratasy roa pejy nosoratan’ireo rahalahy tany Boston, ho an’i Enver Hoxha

[Sary, pejy 145]

Leonidha Pope

[Sary, pejy 147]

“Nampianarin’i Jehovah aho hoe tsy tokony hanao sonia an’izay zavatra tsy nolazaiko.”—Sotir Ceqi

[Sary, pejy 149]

Helen sy John Marks, talohan’ny niverenan’i John teto Albania

[Sary, pejy 154]

Nanao ny asan’ny faritra i Spiro Vruho

[Sary, pejy 157]

Llopi Bllani

[Sary, pejy 158]

Nankalaza ny Fahatsiarovana i Kulla Gjidhari, na dia irery aza

[Sary, pejy 167]

Michael sy Linda DiGregorio

[Sary, pejy 172]

Didy Laharana Faha-100, manambara fa ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 175]

Fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana voalohany tao Tirana, 1992

[Sary, pejy 178]

Nitory irery i Areti Pina

[Sary, pejy 184]

Trano efa ntaolo be navadika ho birao maoderina

[Sary, pejy 186]

“Aza matahotra raha gadraina ianareo.”—Nasho Dori

[Sary, pejy 194]

David Splane namoaka ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” manontolo amin’ny teny albaney

[Sary, pejy 197]

Misionera manompo eto Albania

[Sary, pejy 199]

Sampan’i Albania

Komitin’ny Sampana: Artan Duka, Ardian Tutra, Michael DiGregorio, Davide Appignanesi, Stefano Anatrelli