Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

AFRIKA

TANY 57

MPONINA 878 000 158

MPITORY 1 171 674

FAMPIANARANA BAIBOLY 2 382 709

Bénin

Efa 27 taona izao i Claude sy Marie-Claire vadiny no misionera be zotom-po. Nianjera i Marie-Claire tamin’ny Febroary 2009, ary tapaka ny tongony. Nianjera koa i Claude, tapa-bolana taorian’izay, rehefa niasa tao amin’ny tranon’ny misionera. Tapaka koa ny tongony. Samy tapa-tongotra àry izy mivady. Nivazivazy i Claude hoe: “Tia mampitovy izahay roa!”

Afaka nandeha ihany i Claude, fa i Marie-Claire kosa tsy afa-niala tao an-trano nandritra ny herinandro maromaro. Nampianariny tao an-trano ny 4 tamin’ny mpianany 12. Te handray anjara tamin’ny lafim-panompoana hafa koa anefa izy. Nasiana latabatra nisy boky sy gazety àry teo anoloan’ny tranon’ny misionera, ka sady nipetraka tamin’ny seza izy no nitory tamin’ny mpandalo. Nitory nandritra ny 83 ora izy ny volana Martsa, sady nahapetraka boky 14, bokikely 452, gazety 290, ary taratasy mivalona 500 mahery. Nitahy ny ezaka nataony i Jehovah!

Etiopia

Nanapa-kevitra ny hanisy temitra ny tranony i Arega, izay mipetraka any amin’ny tanàna mitokana. Gazety mpiseho isan’andro no fampiasan’ny olona any aminy. Izy kosa te hampiasa taratasy misy sary miloko. Nahita lehilahy nanolotra ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! izy teny an-tsena, ary naka iray. Tsy novakiny ilay izy, fa tonga dia nosaratsarahiny ary napetany tamin’ny rindrina. Roa taona tatỳ aoriana, dia hitany nisoratra teo amin’ilay izy fa “Zanak’Andriamanitra i Jesosy.” Hafa noho ilay fampianarana manjavozavo momba ny Andriamanitra telo izay iray izany, ka nahaliana azy. Nandeha an-tongotra adiny sivy nankany amin’ny tanàna akaiky indrindra àry izy, mba hahitana an’ireo olona nilaza fa manan-janaka Andriamanitra. Nody maina anefa izy tamin’izay. Niverina indray izy, tatỳ aoriana. Natoron’ny olona azy ny tranon’ilay rahalahy nanome an’ilay bokikely. Nila niandry nandritra ny ora maro anefa izy, vao tonga ilay rahalahy. Natomboka ny fampianarana Baiboly. Nivezivezy tany amin’ilay tanàna i Arega nandritra ireo volana nanaraka, mba hianatra momba an’Andriamanitra. Noresahiny tamin’ny mpiara-monina aminy ny zavatra nianarany. Nanohitra be ny sasany, ary maro koa no nihatakataka taminy. Tsy kivy anefa izy, ka nitombo ny olona liana. Nasiana mpisava lalana manokana roa tany, rehefa tafakatra 13 izy ireo. Tsy ela ireo rahalahy dia nitarika fampianarana Baiboly 40 mahery. Nitovitovy tamin’izany koa ny isan’ny mpanatrika fivoriana. Olona valo izao no mazoto mitory ao amin’io toerana io. Tsy sary misy loko mahafinaritra fotsiny izao ilay temitra, amin’io rahalahintsika vaovao io.

Ghana

“Mivoatra ny fifandraisana” eran’i Afrika, satria miely be ny finday. Asian’ireo orinasa antso maimaim-poana amin’ny alina, mba hisarihana ny mpanjifa. Nanararaotra an’izany ny Anabavy Grace. Sarotra taminy ny niara-nianatra Baiboly tamin’i Monica, satria be atao izy io. Niezaka mafy i Grace, mba hitohizan’ilay fianarana. Efa natao tamin’ny dimy maraina mihitsy aza ilay izy. Niova anefa ny fandaharam-potoanan’i Monica, ka lasa tsy nety indray ilay fotoana. Hitan’i Grace hoe tsara raha mampiasa an’ilay antso maimaim-poana amin’ny alina izy ireo. Nanaiky i Monica, ary nifanarahany fa hatao amin’ny efatra maraina ny fianarana. Diso fanantenana anefa izy ireo, satria be dia be ny olona mifampiantso amin’io ora io, ka voahelingelina ny fifandraisana. Nifanaraka indray àry izy ireo fa hatao amin’ny telo maraina ilay izy, na dia tsy mora tamin’ireo renim-pianakaviana miasa ireo aza izany. Hoy i Grace: “Nangataka tamin’i Jehovah aho, mba hanatanjaka ahy sy hanampy ahy hanohy an’ilay fianarana mba hanolokoloana ny fahalianan’ny mpianatro. Namboariko ny fanairana tamin’ny findaiko, ary niezaka mafy aho mba hifoha tamin’iny ora iny. Reraka be aho, kanefa tsy navelako hisakana ahy izany.” Tena faly i Grace tamin’ny ezaka nataony, satria natao batisa i Monica tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2008 hoe “Araho ny Fitarihan’ny Fanahy Masina”! Nanararaotra an’io antso maimaim-poana amin’ny alina io koa i Grace, vao haingana, mba hampianarana vehivavy anankiray, izay efa manomboka mivory.

Mozambika

Nisy fiara nandalo teo akaikin’ny trano bongo nipetrahan’ny anabavy iray, tamin’ny Aogositra 2008. Nisy palitao latsaka avy tamin’izy io. Ireto avy no tao: Antontan-taratasy sy kitapo kely nisy firavaka lafo vidy ary lelavola nitentina roa tapitrisa ariary teo ho eo. Tsy nanaiky ilay anabavy raha tsy niantso an’ireo nomerao tao amin’ilay antontan-taratasy ny olona iray tao an-tanàna, mba hampandre ny tompony. Nisy efa-dahy nitondra fiara tonga tao, ny harivan’io. Mahantra sy efa maty vady ilay anabavy, nefa natolony an’ilay tompony, teo anatrehan’ny manam-pahefana tao an-tanàna, ilay palitao sy izay rehetra tao anatiny. Nitomany ilay rangahy, ary nilaza fa nety tsy ho hitany intsony ireo fananany ireo, raha tsy Vavolombelon’i Jehovah no nahita azy ireo. Fitoriana tsara teo amin’ny manodidina izany, ka lasa nitondra dera ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitra.

IREO TANIN’I AMERIKA

TANY 55

MPONINA 910 761 124

MPITORY 3 575 123

FAMPIANARANA BAIBOLY 3 778 321

Barbade

Hitan’ny ray aman-dreny maro fa misy vokany tsara ny mampianatra ny ankizy hitadidy andinin-teny. Manan-janakalahy enin-taona ny mpivady iray any Grenady. Faly izy ireo fa nampiasa andinin-teny izy io, mba hanaporofoana fa i Jehovah no Avo Indrindra. Hoy ny rainy: “Naka an’i Stefan zanakay tany am-pianarana i Laura vadiko, indray tolakandro. Nantsoin’ny mpampianatra nitokana izy, ary nilazany hoe: ‘Tiako fotsiny ny hilaza aminao fa tena mampiaiky volana ahy ny zanakao. Tsy Vavolombelona aho, kanefa tena mahavariana ahy ny fahaizany manambara ny finoany.’

“Rehefa nody izy ireo, dia nanontanian’ny vadiko an’i Stefan izay nahatonga an’ilay mpampianatra hidera azy. Nilaza, hono, ilay mpampianatra, talohan’ny fakan-drivotra maraina, fa ‘Andriamanitra i Jesosy.’

“Nanangan-tanana i Stefan. Rehefa notondroin’ny mpampianatra izy, dia nilaza hoe: ‘Tsy Andriamanitra, tompoko, i Jesosy. Milaza ny Baiboly fa Zanak’i Jehovah izy. Tsy i Jehovah mihitsy izy izany.’

“Namaly ilay mpampianatra hoe: ‘Mino aho fa iray ihany i Jehovah sy Jesosy ka.’

“Hoy i Stefan: ‘Tsy i Jesosy mihitsy no lazain’ny Baiboly hoe Avo Indrindra fa i Jehovah ihany. Izy irery no Avo Indrindra.’ Nanonona ny Salamo 83:18 i Stefan. Andinin-teny efa nasainay notadidiny sy nohazavainay taminy io. Tia fivavahana ilay mpampianatra, kanefa tsy nahay noho ilay zaza enin-taona, izay nahafantatra tsara ny Soratra Masina.”

Ekoatera

Nandray bisy nody ny rahalahy maromaro, rehefa avy nitory tany amin’ny faritany ambanivohitra miteny quechua. Nisy tele sy fitaovana fandefasana video tao amin’ilay bisy. Navela handefa an’ilay video momba an’i Davida sy Noa amin’ny fiteny quechua àry izy ireo. Gaga ny mpandeha rehefa nahita filma tamin’ny fiteniny! Liana be izy ireo, ka raha vao nisy niditra tao amin’ilay bisy, dia nasainy nipetraka haingana mba tsy hanakona azy. Maro no nangataka an’ilay video, rehefa vita ilay izy. Ny hafa indray nametraka fanontaniana ara-baiboly sady nangataka boky sy gazety. Nisy koa nanome ny anarany sy adiresiny, mba hotsidihina. Nahazo fanasana izy rehetra mba hanatrika ny Fahatsiarovana amin’ny teny quechua. Izany angamba no anisan’ny nahabetsaka ny mpanatrika Fahatsiarovana tany.

Meksika

Nitory isan-trano i Gabino, rahalahy mpisava lalana. Nandondòna teo amin’ny trano iray izy, fa tsy nisy namaly. Nandondòna fanindroany sy fanintelony izy, ary niato kely. Nandondòna faninefany izy avy eo. Nivoha ilay varavarana, ary nisy lehilahy ory dia ory nitomany teo. Nampandrosoiny i Gabino, saingy tsy afa-niresaka izy satria mbola nalahelo be. Nampahery an’ilay rangahy tamin’ny alalan’ny vaovao tsara i Gabino, ka nihatony izy. Nanontany izy hoe: “Hitanao ve io seza io? Nitsangana teo aho, tamin’ny ianao nandondòna fanintelony. Hitanao koa io tady mihantona io? Efa nofatorako teo ny tendako tamin’ny ianao nandondòna faninefany. Nesoriko anefa ilay izy mba hamohako anao. Misaotra anao nandondòna foana. Raha tsy izany mantsy dia efa maty aho hoatr’izay.” Nohazavainy fa namoy fo izy noho ny olana teo amin’izy sy ny vadiny. Natomboka ny fianarana Baiboly. Indray mandeha na indroa ihany io mpisava lalana io no mandondòna rehefa mitory. Nikiry anefa izy tamin’io, angamba noho ny fitarihan’ny anjely. Nitondra vokatra tsara izany.

Silia

Nizara fanasana amin’ny Fahatsiarovana ny Vavolombelona iray. Nisy ankizikely nanatona azy ary nanontany hoe: “Firy taona kay ianao?” Gaga ilay anabavy, ka namaly hoe: “Fa indrỳ mba firy taona?” Nilaza ilay zaza fa enin-taona izy. Nampitondra taratasy azy, hono, ny reniny mba homena Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ankizy na olona efa antitra anefa no tian-dreniny homena an’ilay izy. Nilaza tamin’ilay zaza àry ilay anabavy fa 25 taona izy. Nomen’ilay ankizy azy ilay taratasy. Izao no vakiny: “Tsy nahavita namoha trano aho, tamin’ianareo nandalo. Ketraka mafy mantsy aho, ary efa nangataka ny fanampian’Andriamanitra. Niezaka nanaraka izay nolazainareo aho, ary efa namaky Baiboly saingy sarotra tamiko ilay izy. Tiako raha mba misy olona mampianatra Baiboly ahy sy manampy ahy handresy ny fahoriako. Ketraka mantsy aho rehefa rava ny tokantranoko. Mbola tsy tafarina eto am-pandriana aho izao maraina izao. Tongava atỳ amiko amin’ny tolakandro raha afaka manampy ahy ianareo. Misaotra.”

Nitsidika azy ilay anabavy tamin’io tolakandro io, ary nanasa azy hanatrika Fahatsiarovana sy lahateny manokana. Tena nampahery an’ilay vehivavy ireo fandaharana ireo. Nivory tsy tapaka izy nanomboka teo, ary mandray soa avy amin’izany. Mandroso tsara koa ny fianarany amin’ny boky Ampianarina. Ary ahoana ny amin’ilay zanany enin-taona? Mianatra Baiboly izao izy sy ilay zokiny vavy 12 taona.

Porto Rico

Nanoratra toy izao ny anabavy iray: “Nahita vehivavy nanisy rivotra ny pnen’ny fiarany aho, tamin’izaho nitory teny an-dalana. Nanatona azy aho. Tonga dia nangataka Tilikambo sy Mifohaza! anefa izy, na dia mbola tsy niteny akory aza aho. Tiany, hono, ny mamaky azy ireny. Nasaiko hianatra Baiboly izy fa tsy nety. Tsy tia ny asantsika, hono, ny reniny, nefa izy mipetraka ao ambony rihan’ny trano misy azy io. Nangataka ny adiresiny aho, saingy ny anaran’ny lalana misy ny tranony ihany no nomeny. Nandalo teny aho, indray andro, mba hitady ny tranony fa tsy nahita. Niverina teny aho, tatỳ aoriana, ary nanontany ny manodidina raha nahafantatra olona atao hoe Nancy izy ireo. Vehivavy manan-janaka roa izy io. Faly aho fa azoko ihany ny adiresiny. Mbola tsy tratrako tao an-trano anefa izy. Gazety sy taratasy kely àry no napetrako teo. Nihaona taminy ihany aho tamin’ny farany. Nitomany izy tamin’izay, ary nilaza fa te ho any amin’ny Efitrano Fanjakana. Tonga tany izy ary nahita fa tena mifankatia ireo anadahy sy rahavavy tao. Nolazainy fa tsy afaka namaly ny taratasiko izy, satria norovitin’ny reniny ireo taratasy sy gazety napetrako, talohan’ny nahatongavany tao an-trano. Natomboka ny fianarana Baiboly, izay natao tany an-tranon’ny rahavaviny. Tsy ela i Nancy dia nivory tsy tapaka, ary efa mahafeno ny fivoriana rehetra. Efa nisoratra anarana tamin’ny sekoly koa izy. Mahafinaritra erỳ ny mandre azy telo mianaka manome valin-teny.”

AZIA

TANY 47

MPONINA 4 073 556 172

MPITORY 635 896

FAMPIANARANA BAIBOLY 579 554

Korea Atsimo

Mipetraka eo akaikin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy iray. Nijanona teo anoloan’ny tranony ny fiarany, ary nahita taratasy kely teo izy. Izao no voalaza tao: “Sendra voakasoky ny fiarako ny anao tamin’izaho nijanona, ka nisy kiaka. Antsoy an-telefaonina aho azafady, fa hamboariko izy io.” Efa nandinika ny fitondran-tenan’ireo Vavolombelona mivory eo akaikin’ny tranony izy, ka niteny anakampo hoe: ‘Tsy maintsy ho Vavolombelon’i Jehovah ity olona tsara fanahy ity.’

Anabavy atao hoe Su-yeon no nanoratra an’ilay taratasy kely. Nitelefaonina azy ilay rangahy, ary niala tsiny taminy i Su-yeon sady nilaza fa hanamboatra an’ilay kiaka. Hoy ilay lehilahy: “Hono ho’aho azafady, Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?” Gaga ilay anabavy! Nilaza ilay rangahy fa izy ihany no hanamboatra an’ilay fiara fa tsy maninona. Nilaza koa izy fa naniry hihaona taminy. Nisy zavatra tiany ho fantatra mantsy momba ny Vavolombelona. Niara-nankany amin’ilay rangahy i Su-yeon sy ny dadany ary ny rahalahy iray. Hoy ilay rangahy: “Mipetraka eto akaikin’ny Efitrano Fanjakana aho, ka afaka nandinika tsara an’ireo Vavolombelona. Olona tsara ianareo. Tsy azoko hoe nahoana no ankahalaina ianareo.” Nametraka fanontaniana maro ilay rangahy, ary nampiasa Baiboly sy boky Ampianarina ny rain’i Su-yeon mba hamaliana azy. Miara-mianatra amin’ny dadan’i Su-yeon io lehilahy io izao, ary mandroso tsara.

Tany misy fandrarana na fameperana

Vavolombelon’i Jehovah ny vadin’ny kolonely iray, ary nampiaiky azy ny fitondran-tena tsaran’ny vadiny. Nanaiky hianatra Baiboly àry izy. Nahafantatra an’izany ny lehibeny, izay jeneraly, ka nampiantso azy. Nilaza taminy io jeneraly io fa hafindra any amin’ny toerana mitokana indrindra izy, raha mbola mifandray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Sahy nilaza ilay kolonely hoe efa ela ny vadiny no nianatra Baiboly, ary tsy hitany izay mampidi-doza amin’ilay izy. Notohiziny àry ny fianarany. Nanapa-kevitra ny handao ny tafika izy, tatỳ aoriana. Vita batisa izy izao, ary mpisava lalana maharitra sy mpanampy amin’ny fanompoana. Mahaliana fa nanomboka nianatra Baiboly koa ny vadin’ilay jeneraly. Mpisava lalana maharitra koa izy izao, na teo aza ny fanoheran’ilay rangahy.

Tany amin’ny tany iray hafa, dia nisy vehivavy tanora iray nianatra Baiboly. Nanohitra be ny vadiny, ka tsy afaka nianatra tany an-tranony izy. Natao teny amin’ny zaridainam-panjakana àry ny fianarany. Nitsangantsangana teny ny lehilahy be taona iray. Nandalondalo teo amin’izy ireo foana izy, rehefa nianatra ry zareo, mba hijery izay nataony sy hihaino ny resany. Nanatona azy ireo izy, indray andro, ary nametraka fanontaniana ara-baiboly. Izany koa no nataony tamin’ny fianarana nanaraka. Somary tezitra ilay mpianatra Baiboly, ka niteny hoe: “Adiny iray monja no mba ananako ianarana Baiboly, nefa lany amaliana ny fanontaniana be dia be apetrakao ny fotoana.” Nasain’ilay anabavy hampianatra an’ilay rangahy àry ny rahalahy iray. Nandroso haingana izy io ary nanomboka nivory. Nahita azy nivoaka ny trano ny vehivavy roa mpiray tanàna aminy, isak’alahady. Niakanjo tsara izy sady nitondra kitapo. Te hahalala izay halehany izy ireo. Reny koa fa nanomboka nanaraka “fivavahana vaovao”, hono, ilay rangahy. Nanaraka azy hatrany amin’ny Efitrano Fanjakana àry izy ireo. Niresaka tamin’izy roa vavy ny anabavy maromaro, ary nanontany raha te hianatra Baiboly izy ireo. Nanaiky ny iray. Nandroso tsara ireo olona telo ireo, izany hoe ilay vehivavy tanora sy ilay rangahy teny an-jaridaina ary ny iray tamin’ireo vehivavy nanaraka azy. Natao batisa vao haingana izy ireo.

Kambôdza

Mpisava lalana ny Anabavy Louy ary mandeha bisikileta mankany amin’ny tanàna iray foana izy. Vita amin’ny volotsangana ny trano any ary misy tongony. Manana mpianatra Baiboly any izy. Tany amin’io tanàna io izy, telo andro talohan’ny Fahatsiarovana. Nohazavainy tamin’ny mpianany iray ny antony ankalazana azy io. Nanomboka nitangorona ny ankizy te hahalala zavatra, ary nametra-panontaniana. Nihamaro izy ireo. Fanasana 57 no voazaran’i Louy. Nandeha bisikileta nankany indray izy ny ampitson’io, mba hampianatra olon-kafa. Nilaza io mpianany io fa naniry handeha koa ny havany sy ny namany. Namela fanasana 20 indray àry i Louy mba hozarain’ilay mpianatra. Nanahy anefa ilay anabavy hoe ahoana no hanampiany an’ireo olona rehetra ireo hanatrika Fahatsiarovana. Nivavaka izy ary niresaka tamin’ny rain’ny mpianatra Baiboly iray, izay lehiben’ny tanàna. Nanome toky izy io fa iray ihany ny tuk-tuk (posiposy antonona olona efatra sy taritina môtô) mila tadiavin’i Louy. Ampy azy rehetra, hono, izany. Mitsangana na mifampiampofo izy ireo dia vita. Faly i Louy fa 18 ny olona nanatrika ny Fahatsiarovana avy any amin’io tanàna io.

Inde

Mpitondra posy misy maotera ny rahalahy iray, ary nanararaotra nitory tamin’ny mpandeha iray. Hay mpanao gazety izy io! Nampiaiky azy ny herim-pon’ilay rahalahy, satria novonovonoin’ny mpanohitra ny Vavolombelona sasany rehefa nitory. Nanapa-kevitra ilay mpanao gazety fa hamoaka ny resak’izy ireo ao amin’ny gazety mpiseho isan’andro. Hoy izy tao: “Somary nihantsy azy aho hoe: ‘Tsy renao angaha ny vaovao androany? Novonovonoin’ny olona anie ny namanareo e! Notafihin’ny olona koa ny fiangonanareo tany amin’ny faritra maro.’ Namaly izy hoe: ‘Ie. Hitako tao amin’ny gazety iny.’ ‘Ka inona no hataonareo, raha mbola manisy ratsy anareo foana [ny mpanohitra]?’ Nihifikifi-doha izy, sady nanao hoe: ‘Tsy mampaninona anay izany. Mbola hanaraka [ny fahamarinana] foana izahay.’ ”

Niresaka momba an’ilay taratasy mivalona nomen’ilay Vavolombelona izy, ka nanoratra hoe: “Nalaiko tao anaty kitapoko ilay taratasy, rehefa tonga tany an-trano aho. Misy sary mahafinaritra be eo amin’ilay izy: Toerana rakotra ahi-maitso, farihy, hazo mamony, olona mijinja vokatra sy mioty voankazo, ary tendrombohitra rakotra ranomandry. Izao no misoratra eo: ‘Fiainam-piadanana ao Amin’ny Tontolo Vaovao.’ Hafatra ara-pivavahana no tao. Tsy maninona anao ny olona, rehefa manolotra taratasy miresaka fomba fiaina na toerana fivarotana akanjo ianao. Mety hankahala anao anefa izy ireo, raha vao miresaka tontolo vaovao iray ianao.”

Philippines

Misy tendrombohitra avo be any amin’ny faritr’i Zamboanga. Mahita azy io ianao na any amin’ny 200 kilaometatra miala eo aza. Mivazivazy toy izao ireo rahalahy mipetraka eny akaiky eny rehefa manompo: “Ahoana moa raha misy olona liana mipetraka eny an-tampon’io tendrombohitra io?” Indray andro, raha nitory teo am-pototr’ilay tendrombohitra izy ireo, dia nisy lehilahy iray nanatona ary nilaza fa nitady Vavolombelon’i Jehovah. Te hianatra Baiboly, hono, izy. Nanontanian’ireo rahalahy azy ny toerana misy azy. Gina tsy nisy nahateny izy ireo, rehefa nanondro ny tampon’ilay tendrombohitra izy. Nanazava ilay rangahy fa tsy eo an-tampon’ilay tendrombohitra izy no mipetraka, fa ao ambadik’izy io. Tsy maintsy mandalo eo anefa vao tonga any. Nanaiky ho any aminy ireo rahalahy, ary natomboka ny fianarana Baiboly. Manatrika ny fivoriana rehetra ilay rangahy izao, na dia lavitra ny efitrano aza no misy azy. Anisan’ireo mitanjozotra mankany amin’ny “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” io rangahy io.—Isaia 2:2.

EOROPA

TANY 47

MPONINA 736 988 468

MPITORY 1 563 910

FAMPIANARANA BAIBOLY 819 067

Failandy

Nitory isan-trano ny rahalahy roa, ary nanasa olona hianatra Baiboly tamin’ny alalan’ny taratasy mivalona Hahafantatra ny Marina. Namoha trano ny lehilahy iray, nanapaka ny tenin’izy ireo, ary nampandroso azy. Hoy izy: “Manana fanontaniana maro aho. Inona no nandrisika anareo ho tonga amin’izao ora izao?”

Hoy ireo rahalahy: “Ka izao izahay no miasa amin’ity faritany ity.”

Hoy izy: “Nivavaka aho mba hisy Vavolombelon’i Jehovah ho tonga eto amiko. Mihazakazaka aho amin’ny fotoana toy izao, saingy tsy nandeha aho androany. Dia tonga ianareo!” Tsapan’ilay rangahy fa nivaly ny vavaka nataony. Matetika ny olona any am-piasany no manaratsy ny Vavolombelona. Tiany ho fantatra raha mitombina ireo fanakianana na tsia. Nitady fanazavana tany amin’ny trano famakiam-boky àry izy. Hitany tao ilay boky hoe Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Novakiny izy io ka hitany fa lainga daholo ireo fanakianana. Naniry mafy hihaona tamin’ny Vavolombelona àry izy. Natomboka ny fianarana Baiboly, ary nivory avy hatrany izy. Nitory tamin’ny vadiny taloha sy ny zanany izy, ary nianatra koa izy ireo.

Grande-Bretagne

Mpisava lalana i Kirsty, ary nianatra teny frantsay sy lingala izy mba hitoriana amin’ireo Kongoley ao amin’ny faritaniny. Nahita vehivavy kongoley sahirana nitondra entana be dia be izy, indray andro. Niezaka niditra tao anaty bisy izy io. Niteny lingala i Kirsty rehefa nanolo-tena hanampy azy. Hoy izy io: “Fa ahoana koa no ahaizanao miteny lingala, nefa ianao fotsy hoditra?” Nohazavain’i Kirsty fa mivory miaraka amin’ny fiangonana miteny lingala izy. Nampianatra azy an’io fiteny io ireo Vavolombelona eo an-toerana, mba hahafahany hiresaka momba ny Baiboly amin’ny olona. Te hanasa an’ilay ramatoa hianatra Baiboly i Kirsty, ka nijanona tao amin’ilay bisy mandra-pialan’izy io. Nitondra ny entan’ilay ramatoa tany amin’ilay rihana faharoa nipetrahany i Kirsty avy eo. Nandray azy tsara ny vadin’ilay ramatoa sy ny zanany efatra. Nasehony azy ireo ny fomba fianarana Baiboly amin’ny alalan’ny boky Ampianarina. Mianatra Baiboly izao ilay vehivavy sy ny zanany roa voalohany. Miezaka mampifaly an’i Jehovah izy telo ireo.

Géorgie

Nanapa-kevitra ny hifindra any amin’ny faritra iray be tendrombohitra ny tovolahy mpisava lalana roa. Vitsy kely mantsy ny Vavolombelona any. Nanomboka nitory isan-tanàna izy ireo, ary niavaka ny vokatra. Boky sy gazety an-jatony no napetrany, ary fampianarana Baiboly maro no natomboka. Kely ny vatsin’ireo rahalahy rehefa nanomboka nitory teny an-tendrombohitra izy ireo. Tsy hainy koa hoe aiza ry zareo no hatory. Nahazo izay nilainy foana anefa izy ireo. Norosoan’ny olona sakafo ireo rahalahy ary nasainy hatory tao an-tranony. Na ny olona tsy te hihaino ny hafatra nentiny aza indraindray, dia nanasa azy hatory tao aminy sy nanome sakafo azy. Voatendry ho mpisava lalana manokana tany izy mirahalahy, tatỳ aoriana. Noferany ny isan’ny fampianarany, satria be loatra. Voakarakara tsara izy ireo amin’izay. Na izany aza, dia samy mitarika fampianarana Baiboly 20 mahery isam-bolana izy mirahalahy, amin’ny antsalany. Matetika mantsy ny olona no manatona azy ireo eny an-dalana, ary mangataka ny hampianarina Baiboly.

Hongria

Mahazo ronono amin’ny tavoahangy foana ny anabavy iray. Atao ao anaty harona mihantona eo amin’ny fefiny izany. Rehefa namerina an’ireo tavoahangy izy, indray andro, dia nasiany an’ilay taratasy mivalona Hahafantatra ny Marina tao amin’ilay harona. Tonga indray ilay vehivavy mpanatitra ronono taorian’izay. Gaga ilay anabavy fa nasian’izy io taratasy nisy fanontaniana momba an’ilay taratasy mivalona tao amin’ilay harona. Nangataka Baiboly koa izy. Tonga dia nitsidika an’ilay ramatoa tany an-tranony ilay anabavy, ary natomboka ny fianarana Baiboly tamin’ny alalan’ny boky Ampianarina. Efa nitety fiangonana izy io, mba hitady ny valin’ireo fanontaniany. Tsy nahazo fahafaham-po anefa izy. Vao mainka aza niteraka fanontaniana hafa indray izany. Liana koa ny zanany vavy iray, ka nomen’ilay anabavy boky Mpampianatra Lehibe. Nohazavain’ilay ramatoa fa matetika io zanany io no taitra amin’ny alina, satria manonofy ratsy. Tsy dia matahotra intsony anefa izy izao ary matory tsara, rehefa avy namaky toko vitsivitsy tao amin’ilay boky. Mitohy ny fianarana, ary mivory isak’alahady ilay ramatoa sy ny zanany roa.

Italia

Mpitory manontolo andro i Cristina sy Manel. Nizara an’ilay taratasy mivalona Hahafantatra ny Marina izy ireo, tany amin’ny faritra ambanivohitra any Italia afovoany. Nandre tabataba avy tao ambadiky ny toeram-piompiana iray izy mirahavavy. Hoy ilay ramatoa tompon-trano, raha vao nahita azy ireo: “Avia haingana! Ampio aho!” Nihazakazaka ireo anabavy, ary hitany fa hay niezaka nanakana kisoa ngezabe iray handrongatra ilay ramatoa. Simba ny vavahadin’ilay vala, ary natahotra ilay ramatoa sao handositra any amin’ireo kirihitr’ala eo akaiky eo ilay kisoa. Izy irery anefa no teo, ary niezaka nihazona an’ilay vavahady. Hoy ilay ramatoa tamin’i Cristina: “Tohano ity vavahady ity fa handeha hitady zavatra hanidiana azy aho!” Namaly avy hatrany i Cristina hoe: ‘Matahotra an’io kisoa io aho.’ Nanome voatavo sy antsy an’i Manel ilay ramatoa, ary nilaza hoe: “Aza matahotra. Silatsilaho ity ary atsipazo eny aminy tsikelikely mba ho variana izy, fa izaho hitady bara hazo vaovao.”

Lasa ilay ramatoa, ary tany izy elaela. Nasain’i Cristina nanipy haingana an’ireo silaka voatavo i Manel. Mafy be anefa ny hoditr’ilay voatavo, ka sarotra nodidiana. Nipoitra ihany ilay vehivavy, tamin’ny farany, ary nanamboatra an’ilay vavahady. Afa-doza ilay ramatoa, ka nilaza hoe: “Nirahin’ilay Mahery Indrindra ianareo!”

“Marina mihitsy izany tompoko!” hoy izy ireo, sady navoakany ilay taratasy mivalona.

Tonga dia hoy ilay ramatoa: “Zava-dehibe loatra iny ka tsy aleo ve mipetraka dia miresaka milamina?” Naka seza àry izy ka nipetraka teo an-tokotany izy ireo. Nametraka fanontaniana maro ilay ramatoa ary nihaino tsara. Natomboka ny fianarana Baiboly, tatỳ aoriana. Hoy i Cristina sy Manel: ‘Soa ihany fa tamin’ny fotoana nety mihitsy ilay kisoa no saika handrongatra!’

OSEANIA

TANY 30

MPONINA 38 338 482

MPITORY 99 816

FAMPIANARANA BAIBOLY 59 619

Aostralia

Mpitory mipetraka any amin’ny tanàna milamindamina iray any amoron-tsiraka i Fred. Nomeny DVD telo ny lehilahy iray. Naharay taratasy avy tamin’izy io i Fred, tatỳ aoriana. Izao ny ampahany tamin’ilay taratasy: “Nanjary tony be aho, rehefa nijery an’ireo video. Lasa nilamin-tsaina sy faly ary nitsikitsiky toa an’ireo olona hitako tao aho. Efa an-taonany maro aho no tsy mba toy izany. Mino aho izao fa afaka manana hoavy tsara kokoa. Nasiaka tamin’ireo Vavolombelona nandondòna tato amiko aho taloha. Miala tsiny indrindra aho, noho izany. Tsara fanahy sy naniry hizara ny vaovao tsara ireo namanareo, tamin’izany. Indray andro any, iza moa no mahalala, angamba aho ho hitanao mipetraka ao aorianao ao amin’ny Efitrano Fanjakana, raha sendra miherika kely ianao.”

Nouvelle-Zélande

Nankany amin’ny fikambanana ara-panjakana momba ny fianakaviana ny anabavy roa, ary nangataka ny hihaona tamin’ny talen’izy io. Nanomana “entana ho an’ny fianakaviana” izy ireo. Zavatra nety ho nilain’ilay tale tamin’ny asany no tao. Ireto avy izany: Boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana sy Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. Teo koa ny Mifohaza! Aogositra 2007, izay mitondra ny lohateny hoe “Fomba Fito Itaizan-janaka” sy ny Mifohaza Oktobra 2007 hoe “Arovy ny Zanakao!”

Rehefa nihaona tamin’ilay tale ireo anabavy, dia nanazava fa an-tsitrapo ny asantsika, ary tena irintsika ny hanampy ny fianakaviana, indrindra amin’ny lafiny ara-panahy. Naka fotoana nampisehoana ny zavatra tao anatin’ilay entana izy ireo. Nihaino tsara ilay tale, nandray an’ireo boky sy gazety, ary nilaza fa horesahiny amin’ireo mpiasa 35 tao aminy ny fanazavana nomen’izy ireo. Nolazainy koa fa mety hahasoa an’ireo fianakaviana 503 misoratra anarana ao aminy ny lahatsoratry ny Mifohaza! Nanangona gazety 557 ireo anabavy, ary nateriny tany. Nilazana izy ireo, tapa-bolana taorian’izay, fa lasan’ireo fianakaviana daholo ireo gazety.

Fidji

Mpilalao rigby tena nahay ny tovolahy atao hoe Viliame, ary naniry hilalao tao amin’ny ekipam-pirenena. Te ho lasa mpilalao rigby koa i Leone, rahalahiny. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny mpisava lalana manokana iray anefa izy, ka tsapany fa tsy ho afaka hanompo tompo roa. Nanomboka nivory i Leone, ary tsy nilalao rigby intsony. Vavolombelona ny reniny, ary nividy akanjo hoentin’i Leone mivory. Nifamaly anefa izy mirahalahy, ka norovitin’i Viliame ireo akanjo vaovao ireo. Sosotra be i Leone, kanefa naleony tsy namaly faty. Nivarotra pasteky tany an-tsena izy, tatỳ aoriana. Nividianany akanjo fitondra mivory, Baiboly, stylo, ary fandokoana soratra hampiasaina any am-pivoriana ny sasany tamin’ny vola azony. Nividianany koa ny rahalahiny. Tsaroan’i Viliame ilay zavatra tsy nety nataony, ka tena nanohina ny fony ny hatsaram-panahin’i Leone. Nanaovany ilay akanjo vaovao, ary nandeha nivory izy. Tsy nampoizin’ny rahalahiny izany. Nianatra Baiboly koa i Viliame, ary nandroso tsara izy roa lahy. Nasaina hanao rigby any Eoropa anefa i Viliame, tamin’izy sy Leone niomana ho amin’ny batisa. Tena asa nofinofisin’ny tovolahy maro izany, satria sady ahazoam-bola be no mampahalaza. Efa niova anefa ny tanjony, ka nanapa-kevitra ny hanokan-tena ho an’i Jehovah izy. Nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy i Viliame sy Leone, nandritra ny enim-bolana taorian’ny batisany. Nanaiky hianatra Baiboly koa i Waisea, rain’izy ireo, rehefa nahita ny ohatra tsara nomen-janany. Nanao fiovana be izy, ary natao batisa niaraka tamin’ny zanany roa vavy, tamin’ny fivoriambe manokana iray.

[Sary, pejy 45]

Afaka nitarika fampianarana Baiboly ny anabavy iray, rehefa niezaka mafy sy nampiasa fitaovana maoderina

[Sary, pejy 46]

Lasa fitoriana tsara ny fanaovany ny marina

[Sary, pejy 48]

Nanampy an’i Stefan hitory tany an-tsekoly ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana

[Sary, pejy 49]

Namonjy aina ny fikirizany

[Sary, pejy 50]

Nahita Vavolombelona izy, ary sady tsy ankizy izy io no tsy antitra

[Sary, pejy 55]

“Tuk-tuk” iray ihany no nilaina notadiaviny

[Sary, pejy 58]

Nahazo mpianatra Baiboly izy, satria nianatra teny vahiny

[Sary, pejy 60]

Mety hiseho amin’ny endriny maro ny fitoriana tsy ara-potoana

[Sary, pejy 63]

Manomana an’ilay “entana ho an’ny fianakaviana”

[Sary, pejy 64]

Tsy nanao rigby, izay asa ahazoam-bola be, izy roa lahy, fa nanompo an’i Jehovah