Izay Nataon’Andriamanitra mba Hamonjena ny Olombelona
Toko Faha-7
Izay Nataon’Andriamanitra mba Hamonjena ny Olombelona
1, 2. a) Ahoana no nahatonga ny manamboninahitry ny tafika romana iray hahatakatra hoe iza ilay Zanak’Andriamanitra? b) Nahoana i Jehovah no namela an’i Jesosy ho faty?
INDRAY tolakandron’ny lohataonan’ny ila bolan-tany avaratra, efa ho 2 000 taona lasa izay, ny manamboninahitry ny tafika romana iray dia nitazana telo lahy niala aina moramora, dia fialana aina nahafadiranovana mafy azy ireo. Nomarihin’io miaramila io indrindra indrindra ny iray tamin’izy ireo — i Jesosy Kristy. Vao avy nofantsihina tamin’ny tsato-kazo iray i Jesosy. Lasa mainty ny lanitry ny mitataovovonana rehefa nanatona ny fotoana hahafatesany. Rehefa maty izy, dia nihovotrovotra mafy ny tany, ary dia nihiaka ilay miaramila hoe: “Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io lehilahy io.” — Marka 15:39.
2 Zanak’Andriamanitra hoe! Marina ny an’io miaramila io. Vao avy nanatri-maso ilay fisehoan-javatra lehibe indrindra nitranga teto an-tany izy. Tamin’ny toe-javatra talohan’izay, dia Andriamanitra mihitsy no niantso an’i Jesosy hoe ny Zanany malala. (Matio 3:17; 17:5). Nahoana i Jehovah no namela ny Zanany ho faty? Satria izany no fomba nofidin’Andriamanitra hamonjena ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana.
VOAFIDY HO AMIN’NY ZAVA-KENDRENA MANOKANA IRAY
3. Nahoana no nety ny nifidianana an’ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra ho amin’ny zava-kendrena manokana iray mifandray amin’ny olombelona?
3 Araka ny efa nianarantsika teo aloha tato amin’itỳ boky itỳ, i Jesosy dia efa nisy talohan’ny naha-olombelona azy. Antsoina hoe ny “Zanakalahy Tokan’Andriamanitra” izy satria namorona azy mivantana i Jehovah. Taorian’izay Andriamanitra dia nampiasa an’i Jesosy mba hampisy ny zavatra hafa rehetra. (Jaona 3:18; Kolosiana 1:16). Niraiki-po indrindra tamin’ny taranak’olombelona i Jesosy. (Ohabolana 8:30, 31, NW ). Tsy mahagaga raha nifidy an’io Zanany lahitokana io i Jehovah mba hanatanterahana zava-kendrena manokana iray rehefa latsaka teo ambanin’ny fanamelohana ho faty ny olombelona!
4, 5. Talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany, inona moa no nahariharin’ny Baiboly momba ilay Taranaka Mesianika?
4 Rehefa nanonona didim-pitsarana momba an’i Adama sy i Eva ary i Satana tao amin’ny sahan’i Edena Andriamanitra, dia niresaka momba ny Mpamonjy ho avy iray ho toy ny hoe ‘taranaka’. Io Taranaka, na zanaka, io dia ho avy mba hikosoka ireo fijaliana mahatsiravina nentin’i Satana Devoly, “ilay menarana ela”. Raha ny marina, ilay Taranaka nampanantenaina dia hanorotoro an’i Satana sy izay rehetra hanaraka azy. — Genesisy 3:15; 1 Jaona 3:8; Apokalypsy 12:9.
5 Tao anatin’ireo taonjato lasa, Andriamanitra dia nampiharihary miandalana zavatra hafa koa momba ilay Taranaka, antsoina koa hoe ny Mesia. Araka ny aseho eo amin’ny tabilao eo amin’ny pejy faha-37, dia faminaniana maro no nanome tsipiriany momba ny lafin-javatra maro tamin’ny fiainany teto an-tany. Ohatra, tokony hiaritra fitondrana mahatsiravina izy mba hanatanterahana ny anjara asany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. — Isaia 53:3-5.
NY ANTONY HAHAFATESAN’NY MESIA
6. Araka ny Daniela 9:24-26, inona moa no hotanterahin’ny Mesia, ary amin’ny fomba ahoana?
6 Ny faminaniana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Daniela 9:24-26 dia nanambara mialoha fa ny Mesia — Ilay Voahosotr’Andriamanitra — dia hanatontosa zava-kendrena lehibe iray. Ho tonga eto an-tany izy mba “hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana” mandrakizay. Hanaisotra ny fanamelohana ho faty amin’ny olombelona mahatoky ny Mesia. Ahoana anefa no hanaovany izany? Manazava ilay faminaniana fa “hovonoina”, na hoe hatao ho faty, izy.
7. Nahoana ireo Jiosy no nanolotra fanatitra biby, ary tandindon’inona moa izy ireny?
7 Ny Isiraelita fahiny dia nahafantatra tsara ilay hevitra ny amin’ny fanavotana noho ny heloka. Teo amin’ny fanompoam-pivavahan’izy ireo teo ambanin’ilay Lalàna nomen’Andriamanitra Hebreo 9:22). Ny Kristiana akory tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy sy ireo zavatra notakin’izy io, toy ny fanaovana fanatitra. (Romana 10:4; Kolosiana 2:16, 17). Fantatr’izy ireo koa fa ny fanatitra biby dia tsy afaka manome famelan-keloka maharitra sy feno. Ireny fanolorana fanatitra ireny kosa dia tandindon’ny fanatitra sarobidy lavitra — ny an’ny Mesia, na Kristy. (Hebreo 10:4, 10; ampitahao amin’ny Galatiana 3:24.) Kanefa mety hanontany ianao hoe: ‘Tena nilaina ve ny hahafatesan’ny Mesia?’
azy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy, izy ireo dia nanolotra fanatitra biby tsy tapaka. Ireo dia nampahatsiahy ny vahoakan’ny Isiraely fa nila zavatra mba hanonerana, na hoe hanaronana, ny fahotany, ny olombelona. Namintina ilay fotopoto-pitsipika tamin’izao fomba izao ny apostoly Paoly: “Raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.” (8, 9. Zavatra sarobidy inona avy no narian’i Adama sy i Eva, ary tamin’ny ahoana ny zavatra nataon’izy ireo no nisy vokany teo amin’ny taranany?
8 Eny, tsy maintsy maty ny Mesia raha tiana ho voavonjy ny olombelona. Mba hahatakarana hoe nahoana, dia tsy maintsy mieritreritra ny tany amin’ny sahan’i Edena isika ka hiezaka hahatakatra fa zavatra tena goavana no narian’i Adama sy i Eva rehefa nikomy tamin’Andriamanitra izy ireo. Fiainana mandrakizay no napetraka teo anoloan’izy ireo! Tamin’ny naha-zanak’Andriamanitra azy ireo, dia nanana fifandraisana nivantana taminy koa izy ireo. Rehefa nanilika ny fanapahan’i Jehovah anefa izy ireo, dia namoy izany rehetra izany ka nitondra ota sy fahafatesana teo amin’ny taranak’olombelona. — Romana 5:12.
9 Toy ny hoe nandanilany foana harem-be ireo ray aman-drenintsika voalohany, ka nidi-kizo tao amin’ny trosa be. Namindra izany trosa izany tamin’ny taranany i Adama sy i Eva. Noho isika tsy teraka lavorary sy tsy nisy ota, dia mpanota sy mora maty ny tsirairay avy amintsika. Rehefa marary isika na milaza zavatra mandratra ny hafa izay anenenantsika, dia izany no vokatr’ilay trosa nolovantsika — ny tsy fahatanterahan’olombelona. (Romana 7:21-25). Ny hany fanantenantsika dia ny hahazoana indray izay narian’i Adama. Kanefa, tsy afaka mahazo ny fiainan’olombelona tanteraka ho tambin’ny ataontsika isika. Koa satria manota ny olombelona tsy tanteraka rehetra, ny ho azontsika rehetra ho tambin’izany dia ny fahafatesana, fa tsy ny fiainana. — Romana 6:23.
10. Inona no nilaina mba hanavotana izay narian’i Adama?
Eksodosy 21:23). Koa aina àry no tsy maintsy natolotra mba handoavana ny vidin’ilay aina very. Tsy ny ain’iza na iza akory dia ho ampy amin’izany. Hoy ny Salamo 49:7, 8 momba ny olombelona tsy tanteraka: “Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony (fa sarotra avotra ny ainy, ka tsy azo atao mandrakizay)”. Tsy misy àry ve izany ny fanantenana? Tsia, tsy izany mihitsy.
10 Kanefa, mety hisy zavatra ho azo atolotra ho takalon’ny fiainana verin’i Adama ve? Ny fari-pitsipik’Andriamanitra ny amin’ny rariny dia mitaky fifandanjan-javatra, dia ny hoe “aina solon’ny aina”. (11. a) Inona no hevitry ny hoe “avotra” amin’ny teny hebreo? b) Iza ihany no afaka nanavotra ny olombelona, ary nahoana?
11 Amin’ny teny hebreo, ny hevitry ny hoe “avotra” dia hoe vola aloa mba hanavotana babo iray ary milaza koa hoe fitoviam-bidy. Lehilahy iray nanana ain’olombelona lavorary ihany no ho afaka hanolotra ny nitovy vidy tamin’izay narian’i Adama. Taorian’i Adama, ny hany lehilahy lavorary teraka teto an-tany dia i Jesosy Kristy. Noho izany, ny Baiboly dia miantso an’i Jesosy hoe “Adama farany” ary manome toky antsika fa i Kristy dia “nanolotra ny tenany ho avotra [mifanandrify ho an’ny, NW ] olona rehetra”. (1 Korintiana 15:45; 1 Timoty 2:5, 6). Na dia namindra ny fahafatesana tamin’ny zanany aza i Adama, ny lova navelan’i Jesosy kosa dia fiainana mandrakizay. Hoy ny hazavain’ny 1 Korintiana 15:22: “Tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.” Tena mety àry ny iantsoana an’i Jesosy hoe “Ray Mandrakizay”. — Isaia 9:6, 7, NW.
NY FOMBA NANDOAVANA NY VIDIN’NY AVOTRA
12. Oviana i Jesosy no nanjary ny Mesia, ary nanao ahoana ny lalana narahiny taorian’izay teo amin’ny fiainany?
12 Tamin’ny fararanon’ny ila bolan-tany avaratra tamin’ny taona 29 am.f.i., i Jesosy dia nankany amin’i Jaona izay havany, mba hatao batisa ka hiseho tamin’izany mba hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Tamin’io fotoana io i Jehovah dia nanosotra an’i Jesosy tamin’ny fanahy masina. Nanjary ny Mesia, na Kristy, dia ilay nohosoran’Andriamanitra, àry i Jesosy. (Matio 3:16, 17). Avy eo i Jesosy dia niroso hanao ny fanompoany haharitra telo taona sy tapany. Namakivaky ny tany niaviany izy, ka nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra ary nanangona mpanara-dia azy nahatoky. Kanefa, araka ny nambara mialoha, tsy ela dia nitombo ny fanoherana azy. — Salamo 118:22; Asan’ny Apostoly 4:8-11.
13. Fisehoan-javatra inona avy no nitarika ho amin’ny fahafatesan’i Jesosy tamin’ny naha-mpihazona tsy fivadihana azy?
13 Nanala sarona tamin-kerim-po ny fihatsarambelatsihin’ireo filoha ara-pivavahana i Jesosy, hany ka nitady ny hahafatesany ireo. Tamin’ny farany izy ireo dia nioko hampiasa teti-dratsy nahatsiravina iray, ka tafiditra tamin’izany ny famadihana, ny fisamborana tsy araka ny tokony ho izy, ny fampiakarana am-pitsarana tsy ara-dalàna ary ny fiampangana lainga azy ho mpampikomy. Nokapohina i Jesosy, nororana, nesoina ary novelezina tamin’ny karavasy natao handrovitra ny nofony. Ilay governora romana, Pontio Pilato, avy eo dia nanameloka azy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana iray. Nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo iray izy ary navela hihantona teo. Nanaintaina izaitsizy izy isaky ny niaina, ary afaka ora maro vao maty. Nandritra izany fisedrana mafy rehetra izany, i Jesosy dia nihazona tsy fivadihana tonga lafatra tamin’Andriamanitra.
14. Nahoana Andriamanitra no namela ny Zanany hijaly sy ho faty?
14 Araka izany, dia tamin’ny 14 Nisana, taona 33 am.f.i. i Jesosy no nanolotra ny ainy “ho avotra hisolo ny maro”. (Marka 10:45; 1 Timoty 2:5, 6). Avy tany an-danitra i Jehovah dia nahita ny Zanany malala nijaly sy maty. Nahoana Andriamanitra no namela izany zavatra nahatsiravina izany hitranga? Nanao izany izy satria tia ny olombelona. Hoy i Jesosy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Ny fahafatesan’i Jesosy dia mampianatra antsika koa fa Andriamanitry ny rariny tonga lafatra i Jehovah. (Deoteronomia 32:4). Mety hisy hanontany tena hoe nahoana no tsy navelan’Andriamanitra tany fotsiny ny fotopoto-pitsipiny ny amin’ny rariny, izay nitaky aina solon’ny aina, ka hoe nodiany tsy fantatra ny tokony ho onitry ny fahotan’i Adama. Ny antony dia satria i Jehovah dia mitandrina foana ireo lalàny ka manohana azy ireo, na dia mitaky vidiny be aminy aza izany.
15. Koa satria ho tsy rariny ny hamelana ny hifaranan’ny fiainan’i Jesosy mandrakizay, inona moa no nataon’i Jehovah?
15 Ny fitiavan’i Jehovah ny rariny dia nitaky koa ny hananan’ny fahafatesan’i Jesosy fiafarana tsara. Rehefa dinihina tokoa, ho rariny ve ny hamelana an’i Jesosy nahatoky, hatory mandrakizay ao amin’ny fahafatesana? Mazava ho azy fa tsia! Ireo Soratra Hebreo Salamo 16:10, NW; Asan’ny Apostoly 13:35, NW ). Natory tao amin’ny fahafatesana nandritra ny tapany tamin’ny andro telo i Jesosy, ary avy eo i Jehovah Andriamanitra dia nanangana azy tamin’ny maty mba ho persona ara-panahy mahery. — 1 Petera 3:18.
dia naminany fa tsy hijanona ao am-pasana ilay tsy mivadika amin’Andriamanitra. (16. Inona no nataon’i Jesosy raha vantany vao tafaverina tany an-danitra izy?
16 Teo amin’ny fahafatesany, i Jesosy dia namoy ny ain’olombelona nananany, indray mandeha ka ho mandrakizay. Raha vantany vao natsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra izy, dia tonga fanahy manome aina. Ambonin’izany, rehefa niakatra ho any amin’ny toerana masina indrindra eo amin’izao rehetra izao i Jesosy, dia tafaray indray tamin’ilay Rainy malalany ary nanolotra Taminy tamin’ny fomba ofisialy ny vidin’ny ain’olombelona tanteraka nananany. (Hebreo 9:23-28). Ny vidin’izany aina sarobidy izany dia azo nampiharina amin’izay ho an’ny olombelona mankato. Inona no dikan’izany ho anao?
NY AVOTR’I KRISTY SY IANAO
17. Ahoana no ahafahantsika manararaotra ny famelan-keloka miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy?
17 Diniho ny fomba telo andraisanao soa dieny izao avy amin’ny sorom-panavotan’i Kristy. Voalohany, dia mitondra famelana ny fahotana izy io. Amin’ny alalan’ny finoana ny ra nalatsak’i Jesosy, isika dia manana “fanavotana”, eny, “ny famelana ny fahadisoantsika”. (Efesiana 1:7). Koa na dia nanao fahotana lehibe iray aza isika, dia afaka mangataka famelana amin’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesosy. Raha tena mibebaka marina isika, i Jehovah dia hampihatra amintsika ny vidin’ny sorom-panavotan’ny Zanany. Mamela ny helotsika Andriamanitra, ka manome antsika ny fitahiana hanana feon’ny fieritreretana madio, fa tsy mitaky kosa ny sazin’ny fahafatesana izay tokony ho antsika noho isika manota. — Asan’ny Apostoly 3:19; 1 Petera 3:21.
18. Amin’ny fomba ahoana ny soron’i Jesosy no manome antsika fanantenana?
18 Faharoa, ny sorom-panavotan’i Kristy dia manome ny fototry ny fanantenantsika ny amin’ny hoavy. Tamin’ny fahitana, ny apostoly Jaona dia nahita fa hisy “olona betsaka tsy tambo isaina” ho tafita velona amin’ilay loza amin’antambo ho avy, izay hamarana itỳ fandehan-javatra itỳ. Nahoana izy ireo no ho tafita velona nefa Andriamanitra handringana olon-kafa maro be aoka izany? Nilaza Apokalypsy 7:9, 14). Raha mbola maneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy koa isika, ka miaina mifanaraka amin’ireo fepetra takin’Andriamanitra, dia hadio eo imason’Andriamanitra ary hanana ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
tamin’i Jaona ny anjely iray fa ny olona betsaka dia ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’, izany hoe i Jesosy Kristy. (19. Ahoana no anaporofoan’ny soron’i Kristy fa tia anao izy sy ny Rainy?
19 Fahatelo, ny sorom-panavotana no porofon’ny fitiavan’i Jehovah lehibe indrindra. Ny fahafatesan’i Kristy dia fisehoan’ireo fanehoam-pitiavana roa lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’izao rehetra izao: 1) ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny nanirahana ny Zanany mba ho faty ho antsika; 2) ny fitiavan’i Jesosy tamin’ny fanolorana an-tsitrapo ny tenany ho avotra. (Jaona 15:13; Romana 5:8). Raha tena maneho finoana marina isika, izany fitiavana izany dia hihatra amin’ny tsirairay amintsika. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Zanak’Andriamanitra (...) efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.” — Galatiana 2:20; Hebreo 2:9; 1 Jaona 4:9, 10.
20. Nahoana isika no tokony haneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy?
20 Noho izany, dia aoka isika hampiseho ny fankasitrahantsika noho ny fitiavana nasehon’Andriamanitra sy i Kristy, amin’ny fanehoana finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy. Ny fanaovana izany dia mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. (Jaona 3:36). Kanefa, tsy ny famonjena antsika akory no antony lehibe indrindra niainan’i Jesosy sy nahafatesany teto an-tany. Tsia, ny zavatra nahiny voalohany indrindra dia raharaha iray lehibe kokoa noho izany aza, dia raharaha iray mahakasika izao rehetra izao. Araka ny ho hitantsika ao amin’ilay toko manaraka, dia mahakasika antsika rehetra izany raharaha izany satria mampiseho hoe nahoana Andriamanitra no namela ny faharatsiana sy ny fijaliana hitohy ela be toy izao eto amin’itỳ tontolo itỳ.
TSAPAO NY FAHALALANAO
Nahoana i Jesosy no tsy maintsy maty mba hamonjena ny olombelona?
Ahoana no nandoavana ny vidin’ny avotra?
Amin’ny fomba ahoana avy no andraisanao soa avy amin’ny avotra?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 67]