Be Loatra ve ny Fotoana Ihainoako Mozika?
Toko 31
Be Loatra ve ny Fotoana Ihainoako Mozika?
Mijaly be ve ianao raha vao tsy mihaino mozika?
□ Eny
□ Tsia
Rehefa inona ianao no mihaino mozika?
□ Rehefa manao dia lavitra
□ Rehefa mianatra
□ Mihaino mozika foana aho.
Inona no karazana mozika tianao indrindra, ary nahoana?
TOA efa nataon’Andriamanitra ho tia mozika daholo isika. Mijaly be àry ny tanora sasany, raha vao tsy mihaino mozika. Hoy i Amboara, 21 taona: “Tena maty aho raha tsy misy mozika. Tsy maintsy mihaino hira foana aho, na rehefa manadio trano, na mahandro sakafo, na miantsena, na mianatra.”
Tsy dia misy vokany amintsika ny gadon-kira, satria feo miverimberina fotsiny. Mihetsi-po kosa isika rehefa mahare an’ilay mozika mihitsy. Mety hampahery antsika ny mahare hira mahafinaritra, rehefa kivy isika. Marina tokoa ilay hoe: “Tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!” (Ohabolana 15:23) Hoy i Jessica, 16 taona: “Mieritreritra ianao indraindray hoe tsy misy olona tena mahalala ny mahazo anao. Faly anefa ianao rehefa mihaino ny mpihira tianao indrindra, satria hay tsy ianao irery no kivy.”
Voatery hampiady foana ve ny mozika?
Matetika no tsy tian’ny olon-dehibe ny mozika tian’ny tanora. Hoy ny ankizilahy iray: “Tenenin’ny dadanay foana aho hoe: ‘Ajanony any izany, fa mankarenin-tsofina!’ ” Mety ho leo ianao mandre azy mimenomenona lava, ka lasa mieritreritra hoe sarotiny amin-javatra tsy misy dikany izy. Hoy ny ankizivavy iray: “Asa raha mba nanao ahoana loatra ry zareo tamin’ny mbola tanora? Tsy mba bedin’ny ray aman-dreniny koa ve izy hoe ratsy ny mozika tiany?” Hoy koa i Irina, 16 taona: “Hoatran’ny tsy mahita afa-tsy kalon’ny fahiny ny olon-dehibe. Tsy hifamaly intsony anefa izy sy ny zanany, raha ekeny fa mba misy tsara koa ange ny mozika ankehitriny e!”
Marina ny an’i Irina. Efa hatramin’ny ela no tsy mitovy ny zavatra tian’ny olon-dehibe sy ny tanora, ka matetika izy ireo no mifamaly. Tsy voatery hampifamaly foana anefa ny mozika.
Mila mitady marimaritra iraisana fotsiny ianao sy ny ray aman-dreninao. Tsy ho sarotra izany, raha olona mankatò izay lazain’ny Baiboly ry zareo. Nahoana? Satria izy io no hanampy anareo hamantatra hoe inona no zavatra ratsy eo imason’Andriamanitra, ary inona kosa no tsy ratsy fa miankina amin’ny safidin’ny tsirairay. Izao no tena mila dinihinareo: Ahoana ny tonon’ilay hira, ary adiny firy no laninao ihainoana hira. Aleo aloha hojerentsika ilay voalohany.Ahoana ny tonon’ilay hira?
Toy ny sakafo ny mozika. Mahasoa ny sakafo, raha tsara sy tsy be loatra. Tsy hahasoa anao kosa izy io raha ratsy, na dia kely fotsiny aza no laninao. Mitovy amin’izany koa ny mozika. Mampalahelo anefa fa ny mozika ratsy no tena tian’ny olona. Nitaraina i Tsiry hoe: “Tsy azoko mihitsy hoe maninona no misy feon-kira tsara be, nefa tsy maintsy ratsy be foana ny tonony!”
Mety hisy hilaza anefa hoe: ‘Tena tsy maintsy jerenao ve ny tonon’ilay hira, raha tianao ny feony?’ Mba hamaliana izany, dia mieritrereta hoe: ‘Raha misy olona te hanome poizina ahy, inona no hataony? Ao anaty zavatra mangidy sa mamy no hanafenany an’ilay izy?’ Hoy i Joba, mpanompon’Andriamanitra fahiny: “Tsy ny sofina ve no mamantatra teny, toy ny lanilany mamantatra tsiron-kanina?” (Joba 12:11) Aza maimaika hihaino hira àry, satria hoe tianao ny gadony na ny feony. ‘Fantaro’ aloha ny teny ao anatiny, izany hoe ny lohateniny sy ny tonony. Nahoana? Satria ny tonony no hisy vokany eo amin’ny sainao sy ny fitondran-tenanao.
Mampalahelo fa mampirisika ny olona hijangajanga sy hihetraketraka ary hifoka rongony ny ankamaroan’ny hira ankehitriny, na tsara sy hafakely aza ny feony. Efa toy ny hoe nahatelina poizina ianao, raha mihevitra fa tsy misy vokany ratsy eo aminao izy ireny.
Aza manaraka izay ataon’ny olona fotsiny
Mampirisika mafy anao hihaino mozika tsy mety amin’ny Kristianina angamba ny namanao. Na mety ho ny mpihira sy ny mpamoaka ny hirany mihitsy no mampirisika anao. Mahasarika olona be dia be izy ireo, sady mahazo vola an’arivony tapitrisa, satria alefany ao amin’ny radio sy Internet ary tele izay hira vaovao. Manakarama manam-pahaizana momba ny varotra koa ry zareo, mba hitady fomba hitiavanao izay hira rehetra avoakany.
Toy ny olona tsy manan-tsafidy anefa ianao, raha manaiky fotsiny izay mozika tian’ny namanao, na izay alefan’ny radio sy tele. Lasa toy ny mpanompo tsy misaina ianao. (Romanina 6:16) Mampirisika antsika ny Baiboly mba tsy hanaiky ho voataonan’ity tontolo ity. (Romanina 12:2) Tsara àry raha zarinao ‘hanavaka ny tsara sy ny ratsy ny fahaizanao misaina.’ (Hebreo 5:14) Ahoana no hanaovanao izany eo amin’ny resaka mozika? Ireto misy soso-kevitra:
Jereo tsara ny fonon’ilay CD. Vao mijery ny fonony na ny dokam-barotra momba an’ilay izy fotsiny ianao matetika, dia efa fantapantatrao ny ao anatiny. Tokony ho efa mailo ianao raha misy sarin’olona mihetraketraka na mifandray amin’ny Devoly, na sary vetaveta eo. Mety haharikoriko toy izany koa ny hira ao anatiny.
Henoy ny tonony. Inona no resahina ao amin’ny hira tsirairay? Tena tianao ve ny hihaino na hamerimberina izany foana? Mifanaraka amin’ny zavatra inoanao sy ny fampianarana ao amin’ny Baiboly ve ilay izy?—Efesianina 5:3-5.
Diniho ny vokatr’ilay hira eo aminao. Hoy i Fidy: “Nisy vokany ratsy teo amiko ny hira sasany nohenoiko, satria lasa kivikivy aho.” Marina aloha fa samy hafa ny vokatry ny hira eo amin’ny olona tsirairay. Inona anefa no vokatry ny hira tianao eo aminao? Diniho izao: Lasa mieritreri-dratsy ve ianao, rehefa avy mihaino 1 Korintianina 15:33.
an’ilay izy? Lasa mampiasa an’ireo tenin-jiolahim-boto ao amin’ilay hira ve ianao, rehefa miresaka?—Fantaro ny hevitry ny olon-kafa. Ahoana hoy ny ray aman-dreninao momba ny mozika tianao? Anontanio izy. Eritrereto koa hoe ahoana no mety ho hevitry ny Kristianina hafa. Mety hisy ho tafintohina ve, raha mahare an’ilay izy? Tanora matotra ianao, raha vonona hanova ny mozika tianao, mba tsy hanafintohina olona.—Romanina 15:1, 2.
Raha misaintsaina an’ireo fanontaniana ireo ianao, dia hahay hifidy mozika mahafinaritra anao, nefa tsy mampahatezitra an’Andriamanitra. Mbola misy zavatra hafa mila dinihinao anefa.
Adiny firy no laninao ihainoana mozika?
Mahasoa ny mozika raha tsara, toy ny sakafo ihany. Hoy anefa ny Baiboly: “Nahita tantely ve ianao? Izay sahaza anao ihany hanina, sao ho be loatra ny laninao ka handoa ianao.” (Ohabolana 25:16) Fantatsika fa azo atao fanafody ny tantely, ary tena mandaitra izy io. Tsy hahasoa anao intsony anefa ilay izy, na dia tsara aza, raha be loatra ny laninao. Inona no dikan’izany? Tsy hahasoa antsika ny zavatra tsara, raha manaram-po loatra amin’izany isika.
Mandany fotoana be loatra ihainoana mozika anefa ny tanora sasany. Hoy, ohatra, i Jessica, ilay voaresaka tany aloha: “Mihaino hira foana aho, na dia rehefa mianatra Baiboly aza. Efa manazava amin’ny dada sy mamanay aho hoe tsy mifantoka raha tsy misy mozika, fa tsy mino ahy ry zareo.” Azo inoana fa efa niteny an’izany koa ianao, sa tsy izany?
Ahoana àry no hahalalanao raha be loatra ny fotoana ihainoanao mozika? Mieritrereta hoe:
Adiny firy isan’andro aho no mihaino hira? ․․․․․
Ohatrinona isam-bolana no laniko ividianana CD? ․․․․․
Lasa tsy dia miraharaha ny fianakaviako ve aho, satria variana mihaino hira? Raha eny, dia soraty eto izay vahaolana hitanao. ․․․․․
Ahenao ny fotoana ihainoanao hira
Lasa be loatra ve ny fotoana ihainoanao hira? Mianara mifehy tena, ka ahenao izany. Zatra mihaino hira mandritra ny andro manontolo ve ianao? Na tonga dia mandefa radio, raha vao miditra ao an-trano? Miezaha tsy hanao an’izany intsony.
Nahoana raha mba manandrana tsy mihaino hira mihitsy indraindray? Mety hanampy anao hifantoka amin’ny fianarana izany. Hoy ihany i Tsiry: “Hazava kokoa aminao ny lesona ianaranao, raha tsy mandefa hira ianao.” Andramo àry izany, rehefa mianatra lesona. Ho hitanao fa hifantoka kokoa ianao.
Azonao atao koa ny manokana fotoana hamakiana sy hianarana Baiboly, na boky momba ny Baiboly. Nitady toerana mangina i Jesosy Kristy indraindray, rehefa hivavaka sy Marka 1:35) Mangina sy milamina koa ve ny toerana fianaranao Baiboly? Raha tsy izany mantsy, dia mety tsy ho azonao tsara izay ianaranao, ka mety ho ela ianao vao handroso ara-panahy.
hisaintsaina. (Mahaiza mifidy
Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny mozika, nefa mila mahay mifidy ianao. Aza manao hoatran’i Mialy. Hoy izy: “Fantatro hoe tokony hariako ny hira sasany ananako, fa tsy foiko ilay izy. Tsara be tsinona ny feony.” Eritrereto ny vokatr’izany hira ratsy izany eo amin’ny sainy sy ny fony! Aza mamita-tena toa azy. Aza avela hanimba anao na handany ny fotoananao ny mozika. Ankatoavy foana ny fitsipiky ny Baiboly, rehefa mifidy mozika. Mangataha tari-dalana amin’Andriamanitra. Aza minamana afa-tsy amin’ny olona tena mankatò izay lazain’ny Baiboly.
Manala sorisory ny mozika. Manala fahanginana koa izy io, rehefa manirery ianao. Mbola ho eo foana anefa ny olana mahazo anao, rehefa tapitra ny hira henoinao. Tsy mahasolo ny namana koa ny hira. Mahaiza àry mifehy tena. Ankafizo ny mozika, fa aza andaniana fotoana be loatra.
Mila miala voly ianao indraindray. Inona no toro lalan’ny Baiboly hanampy anao hankafy ny fialam-bolinao?
ANDININ-TENY
“Tsy ny sofina ve no mamantatra teny, toy ny lanilany mamantatra tsiron-kanina?”—Joba 12:11.
SOSO-KEVITRA
Tianao ho azon’ny ray aman-dreninao ve ny antony ankafizanao hira na tarika iray? Ianao aloha no mila miezaka ho tia ny mozika ankafiziny. Mety hiezaka ho tia ny anao koa izy.
FANTATRAO VE... ?
Raha tsy avelanao hihaino ny hira tena tianao ny ray aman-dreninao, dia mety hidika izany fa hira tsy mety amin’ny Kristianina ilay izy.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko mba tsy ho be loatra ny fotoana ihainoako hira: ․․․․․
Izao no holazaiko, raha mampirisika ahy hihaino hira tsy mety amin’ny Kristianina ny namako: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Nahoana ianao no tena mila mifidy tsara ny mozika henoinao?
● Ahoana no hahalalanao raha mety amin’ny Kristianina ny hira iray na tsia?
● Inona no azonao atao mba hitiavanao karazana mozika maromaro?
[Teny notsongaina, pejy 259]
Tonga saina tampoka aho indraindray hoe hay ratsy ilay hira henoiko. Vonoiko haingana ilay izy. Raha vao tsy manao an’izany aho, dia lasa tsy mampaninona ahy intsony ny mihaino an’ilay izy.’’—Corinne
[Efajoro/Sary, pejy 258]
Miezaha ho tia mozika isan-karazany
Efa betsaka kokoa angamba izao ny karazan-tsakafo tianao, raha oharina amin’ny tamin’ny ianao dimy taona. Efa nanandrana karazan-tsakafo maromaro mantsy ianao. Azo atao koa izany amin’ny mozika. Aza mianina fotsiny amin’ny karazany iray, fa miezaha ho tia mozika isan-karazany.
Azonao atao, ohatra, ny mianatra mitendry zavamaneno. Tsy hoe mampientanentana sy mahafinaritra fotsiny izany, fa ahalalanao karazana mozika hafa ankoatra an’ireo efa fandre ao amin’ny radio sy tele. Ahoana anefa no hanananao fotoana hianarana zavamaneno? Azonao ahena ny fotoana hijerena tele na hanaovana lalao video. Diniho ny tenin’ireto tanora ireto:
“Mahafinaritra be ny mitendry zavamaneno. Tena manampy anao hamoaka ny ao am-ponao koa ilay izy. Lasa tia karazana mozika be dia be aho izao, satria nianatra nitendry hira vaovao.”—Luc, 18 taona, mahay mitendry gitara sy piano, ary mively amponga.
“Raha tena te hahay zavamaneno ianao, dia mila mazoto mitendry an’ilay izy. Mandreraka izany indraindray, nefa faly be ianao rehefa misy hira tafavoakanao tsara.”—Jade, 13 taona, mahay mitendry “violon.”
‘Mitendry gitara aho rehefa sorena na kivikivy. Maivamaivana erỳ ny fahorianao, rehefa mitendry hira mahafinaritra sy milamindamina ianao.’—Vanessa, 20 taona, mahay mitendry gitara sy piano, ary mitsoka klarinety.
“Nieritreritra foana aho hoe tsy mba hahay hitendry zavamaneno hoatran’ny olon-kafa mihitsy. Nazoto namerimberina an’izay nianarako anefa aho. Faly be aho izao isaky ny mahatafavoaka tsara hira iray. Lasa tiako koa ny mihaino ny mpitendry zavamaneno hafa. Misy mahay be mantsy izy ireny.”—Njara, 20 taona, mahay mitendry gitara.
[Sary, pejy 255]
Toy ny sakafo ny mozika. Mahasoa izy io, raha tsara sy tsy be loatra. Tsy hahasoa anao kosa izy io raha ratsy, na dia kely fotsiny aza