Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maninona Aho no Voafehifehy Loatra?

Maninona Aho no Voafehifehy Loatra?

Toko 22

Maninona Aho no Voafehifehy Loatra?

Inona no fitsipika tsy maintsy arahina ao an-tranonareo? ․․․․․

Rariny daholo ve izy ireny aminao?

□ Eny □ Tsia

Inona no fitsipika hitanao hoe tena sarotra arahina? ․․․․․

AZO inoana fa misy fitsipika apetraky ny ray aman-dreninao na ny mpitaiza anao momba ny devoaranao, raharaha ao an-trano, ora fodiana, fampiasana telefaonina na ordinatera, fijerena tele, ary ny fihainoana mozika. Misy fitsipika koa momba ny namana tokony hiarahanao sy ny zavatra hafa ataonao any ivelan’ny trano, ohatra hoe any am-pianarana.

Mahatsiaro ho voafehifehy loatra ve ianao? Mitovy hevitra amin’ireto tanora ireto angamba ianao:

“Tsy tiako maizina fa tsy maintsy mody aloha aho, nefa ny namako mahazo mody tara!”Alain.

“Sosotra mihitsy aho fa tsy mahazo mitelefaonina araka izay tiako. Hoatran’ny zazakely aho!”Manitra.

“Hoatran’ny tsy tian’ny ray aman-dreniko hifandray amin’olona mihitsy aho. Hoatran’ny tsy tiany hana-namana mihitsy aho tsinona!”Nicole.

Matetika ny tanora no tsy mankatò ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreniny. Miaiky anefa ny ankamaroany fa ilaina ihany izy ireny. Raha tsy izany dia hikorontana be ny fiainana. Raha ilaina anefa ny fitsipika, nahoana ny sasany amin’izy ireny no tsy tian’ny ankizy?

“Tsy zazakely intsony aho!”

Mahasosotra anao angamba ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreninao, satria mieritreritra ianao hoe entina hoatran’ny zazakely. Te hiteny ianao hoe: “Tsy zazakely intsony aho!” Ry zareo kosa anefa mety hihevitra fa tena ilaina ny fitsipika mba hiarovana anao, sy hahatonga anao hahay handray andraikitra rehefa lehibe.

Na izany aza, dia mety hilaza ianao hoe tsy mifanentana amin’ny taonanao intsony ny fitsipika asainy arahinao. Mahatsiaro ho voafehifehy àry ianao. Izany no tsapan’i Onja. Hoy izy momba ny ray aman-dreniny: “Hadinon-dry zareo tanteraka hoe efa mba tanora koa izy. Tsy mba avelany hilaza ny hevitro aho sady tsy avelany hisafidy. Ataony hoatran’ny zazakely foana aho.” Mitovy hevitra amin’izany koa i Alice. Hoy izy: “Hoatran’ny hadinon’ny dada sy mamanay hoe efa 18 taona aho fa tsy 10 taona intsony. Tokony hatoky ahy kokoa ry zareo!”

Vao mainka ianao sosotra, rehefa toa tsy voafehifehy be tahaka anao ny mpiray tam-po aminao. Hoy i Matthieu momba ny zandriny vavy sy ny zanaky ny nenitoany: “Tsy mba bedy mihitsy ry zareo na dia maditra be aza!”

Aleo àry ve tsy misy mifehy?

Tsy te hofehezin’ny ray aman-dreninao intsony angamba ianao, ary ara-dalàna izany. Tena hahasoa anao ve anefa izany? Angamba ianao mahalala ankizy mahazo mody amin’izay ora tiany, manao izay akanjo tiany, miaraka foana amin’izay namana tiany, ary mandeha any amin’izay tiany haleha. Sahirana loatra angamba ny ray aman-dreniny, ka tsy mahafantatra izay ataon-janany. Resahin’ny Baiboly anefa fa tsy hahomby ny fitaizana toy izany. (Ohabolana 29:15) Maro ny olona lasa tia tena, noho izy ireo tsy nisy mpifehy tamin’ny mbola kely. Izany no anisan’ny tena mahatonga ny olona eto amin’ity tontolo ity tsy hanam-pitiavana.—2 Timoty 3:1-5.

Aza mitsiriritra an’ireo ankizy avela hanao izay tiany àry. Tadidio kosa fa tia anao ny ray aman-dreninao matoa mifehy anao. Rehefa manome anao fitsipika araka ny antonony izy ireo, dia manahaka an’i Jehovah Andriamanitra. Hoy mantsy izy tamin’ny vahoakany: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.”—Salamo 32:8.

Na izany aza, dia mankaleo anao angamba ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreninao. Inona àry no azonao atao?

Mahaiza miresaka amin’ny ray aman-dreninao

Mila mahay miresaka amin’ny ray aman-dreninao ianao, raha tsy te ho voafehifehy loatra, na tsy te hiferinaina be amin’ny fitsipika apetrany. Mety hisy hilaza anefa hoe: ‘Efa mba nanandrana niresaka taminy ihany aho, fa tsy nisy vokany!’ Mieritrereta àry hoe: ‘Sao dia misy zavatra azoko atao mba hahaizako hiresaka kokoa amin’i Dada sy Neny?’ Tena ilaina mantsy ny mifampiresaka. Nahoana? Voalohany, ho azon’ny olona ny hevitrao sy izay manjo anao. Faharoa, ho takatrao ny antony tsy nanekena izay nangatahinao. Mahaiza àry miresaka toy ny olon-dehibe, raha te hoentina toy ny olon-dehibe ianao. Ahoana izany?

Mianara mifehy ny hatezeranao. Mila mahay mifehy tena ianao raha te hiresaka tsara. Hoy ny Baiboly: “Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo, fa mahatsindry fo hatramin’ny farany kosa ny hendry.” (Ohabolana 29:11) Aza mimenomenona àry, na midongy, na mikiakiaka toy ny ankizikely. Marina fa te hanakaratoka varavarana na hingodongodona eran’ny trano ianao, rehefa tsy avelan’ny ray aman-dreninao hanao izay tianao. Vao mainka anefa izany hahatonga azy ireo ho hentitra kokoa aminao.

Fantaro hoe nahoana ny ray aman-dreninao no mametraka fitsipika. Izany no nataon’i Tatamo, tanora kristianina iray. Ny reniny irery no mitaiza azy. Hoy izy: “Eritreretiko foana hoe: ‘Fa maninona tokoa moa i Neny no mametraka fitsipika tsy maintsy arahiko?’ Satria tiany ho hendry aho.” (Ohabolana 3:1, 2) Raha mazava aminao toy izany ny antony ametrahany fitsipika aminao, dia ho hainao ny hiresaka aminy.

Aoka hatao hoe misy fety tsy tiany halehanao. Aza mifamaly aminy, fa anontanio izy hoe: “Ary ahoana raha mitondra namana matotra sy azo atokisana aho?” Mety mbola tsy hamela anao handeha ihany ry zareo. Raha mazava aminao anefa ny zavatra atahorany, dia mety hahita soso-kevitra hekeny ianao.

Ataovy izay hatokisany anao. Aoka hatao hoe ananan’ny banky vola ianao. Efa nisy fotoana nolazain’ilay banky hoe tsy maintsy hamerenanao an’ilay vola. Raha voaverinao amin’io fotoana io ilay izy, dia hatoky anao ry zareo, ka mety hampindrana anao vola betsaka kokoa amin’ny manaraka. Toy izany koa ny ao an-trano. Misy fitsipika lazain’ny ray aman-dreninao fa tsy maintsy ankatoavinao. Raha mankatò azy ireo ianao na amin’ny zava-madinika aza, dia hatoky anao kokoa izy, ka mety hekeny izay hangatahinao. Raha tsy raharahainao mihitsy kosa ny fitsipika apetrany, dia aza gaga raha tsy hatoky anao firy izy na tsy hatoky anao intsony.

Ahoana raha nanao fahadisoana ianao?

Mety hanao fahadisoana ianao, na ho ela na ho haingana. Mety ho tara ianao vao nody, na tsy vitanao ny raharahanao, na nitelefaonina ela loatra ianao. (Salamo 130:3) Tsy maintsy hanazava izany amin’ny ray aman-dreninao àry ianao! Inona no azonao atao mba tsy ho tezitra be aminao ry zareo?

Lazao ny marina. Aza mandainga fa tsory ny marina, ary lazao amin’ny an-tsipiriany izany. Mety tsy hatoky anao intsony mantsy izy ireo raha mamoron-dainga ianao. (Ohabolana 28:13) Aza manamarin-tena na manamaivana ny fahadisoanao. Tadidio foana fa “mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka.”—Ohabolana 15:1.

Mialà tsiny. Lazao hoe mifona ianao satria nampitebiteby na nandiso fanantenana, na koa nanahirana azy. Mety hihena ny sazinao amin’izay. Tokony ho avy amin’ny fo anefa ny teninao.

Zakao ny vokatry ny nataonao. (Galatianina 6:7) Mety tsy tonga dia hanaiky ny sazy omena anao ianao, fa hiady hevitra aloha, indrindra raha toa tsy rariny ilay izy. Ho hita anefa fa matotra ianao, raha manaiky ny vokatry ny nataonao. Ataovy avy eo izay hatokisany anao indray.

Iza amin’ireo soso-kevitra telo ireo no ho mafy aminao ny hanaraka azy? ․․․․․

Tadidio fa adidin’ny ray aman-dreninao ny mametraka fitsipika araka ny antonony mba harahinao. Izany no antony ahitantsika teny toy ny hoe “didin-drainao” sy “lalàn-dreninao”, ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 6:20) Tsy tokony hieritreritra anefa ianao hoe hanimba ny fiainanao ny fitsipik’izy ireo. Raha mankatò izany kosa ianao, dia mampanantena i Jehovah fa “hahita soa ianao”!—Efesianina 6:1-3.

JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 3, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Mpifoka rongony na mpisotro toaka ve ny dadanao na mamanao? Ahoana no hahazakanao an’izany?

ANDININ-TENY

“Hajao ny rainao sy ny reninao ... mba hahita soa ianao.”—Efesianina 6:2, 3.

SOSO-KEVITRA

Tsy te ho voafehifehy loatra ve ianao? Miezaha aloha mankatò foana ny ray aman-dreninao. Ho mora kokoa aminy ny hanaiky izay hangatahinao amin’izay.

FANTATRAO VE... ?

Hita tamin’ny fikarohana natao fa mahazo naoty tsara, mahay mifandray amin’olona, ary falifaly, ny ankizy manana ray aman-dreny tsy masiaka rehefa mifehy azy.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hoteneniko raha nanao fahadisoana aho: ․․․․․

Izao no hataoko mba hahatonga ny ray aman-dreniko hatoky ahy: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

Nahoana ny ray aman-dreninao no toa mifehifehy loatra anao indraindray?

Nahoana no mahatezitra be anao indraindray ny fitsipika apetrany?

Inona no azonao atao mba hahaizanao hiresaka kokoa aminy?

[Teny notsongaina, pejy 183]

Matetika ny tanora no mieritreritra hoe mahay ny zava-drehetra. Tezitra àry izy rehefa misy zavatra tsy avelan’ny ray aman-dreniny hataony. Tena mahasoa anefa ny fitsipika apetrak’izy ireo.’’—Mégane

[Efajoro, pejy 186]

Tena miangatra ve ry zareo?

Efa nieritreritra angamba ianao hoe: ‘Nahoana no tsy mitovy ny fomba itondran’i Dada sy Neny anay ankizy?’ Tsy voatery hoe miangatra ry zareo, raha manao an’izany. Tsy tsara fotsiny raha mitovy foana ny fomba itondrana ny zanaka rehetra. Diniho àry izao: Tsy raharahainy ve ianao rehefa mila zavatra? Sa kosa izy vonona foana hanoro hevitra sy hanampy ary hampahery anao? Raha izany, tena afaka milaza ve ianao fa miangatra ry zareo? Samy hafa ny zavatra ilainao sy ny mpiray tam-po aminao. Tsy voatery hitovy foana àry ny fomba itondran’ny ray aman-dreninareo anareo. Efa 18 taona i Hanta vao nahatakatra an’izany. Hoy izy: “Izao vao mazava amiko hoe naninona no tsy nitovy ny fomba nitondrana anay. Hay noho izahay mianadahy tsy nitovy toetra. Tsy haiko hoe naninona izany no tsy azoko taloha.”

[Efajoro/Sary, pejy 189]

Fanampiana Hisaintsaina

Miresaha Amin’ny Ray Aman-dreninao!

Voaresaka tao amin’ireo toko roa teo aloha hoe inona no azonao atao raha bedy ianao, ary inona no hanampy anao hankatò ny fitsipika ao an-trano. Ahoana anefa raha hitanao hoe masiaka loatra ny ray aman-dreninao? Miresaha aminy. Ahoana no hanombohanao an’ilay resaka?

Aza miresaka aminy raha tsy efa tony tsara ianao, ary tsy be atao izy.

Lazao izay tena mampalahelo anao, nefa aza entim-po. Mahaiza manaja azy ireo.

Afaka milaza toy izao, ohatra, ianao, raha hitanao fa bedy foana: “Efa mba miezaka ny ho hendry aho, nefa mila tsy ho vitako ilay izy satria bedy foana aho. Mety ve raha mba miresaka isika?”

Mahita fomba hafa ve ianao? Soraty eto izany.

․․․․․

SOSO-KEVITRA: Ampiasao ny Toko 21. Azonao atao, ohatra, ny manontany azy ireo sao mba afaka miara-midinika an’io toko io ianareo.

Afaka milaza toy izao indray ianao, raha hitanao fa voafehifehy loatra: “Mba tiako ho hitanareo hoe azo atokisana aho, amin’izay aho mba tsy ho voafehifehy loatra. Inona no hitanareo hoe mbola tokony hiezahako?”

Mahita fomba hafa ve ianao? Soraty eto izany.

․․․․․

SOSO-KEVITRA: Vakio ilay boky teo aloha, Toko 3. Soraty daholo izay zavatra tianao hanontaniana ny ray aman-dreninao, ao amin’ilay toko.

[Sary, pejy 184, 185]

Toy ny hoe mandoa trosa any amin’ny banky ianao, raha mankatò ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreninao. Hatoky anao kokoa izy, raha mankatò azy foana ianao, ka hekeny izay hangatahinao