Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHADIMY AMBIN’NY FOLO

Fanomezam-boninahitra Ireo Ray Aman-drenintsika efa Zokiolona

Fanomezam-boninahitra Ireo Ray Aman-drenintsika efa Zokiolona

1. Trosa inona avy no ananan’ny ray aman-drenintsika amintsika, ka noho izany dia inona no tokony ho tsapantsika sy hataontsika aminy?

“MANEKE ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy”, hoy ny torohevitr’ilay lehilahy hendry tamin’ny fahagola. (Ohabolana 23:22). ‘Tsy hanao izany mihitsy aho!’, hoy angamba ianao. Tsy manamavo ny renintsika — na ny raintsika — ny ankamaroantsika, fa mahatsiaro fitiavana lalina azy ireo kosa. Manaiky isika fa ananan’izy ireo trosa be dia be. Voalohany aloha, dia nanome antsika ny fiainana ny ray aman-drenintsika. Na dia i Jehovah aza no Loharanon’ny aina, raha tsy teo ny ray aman-drenintsika, dia tsy hisy tsotra izao isika. Tsy misy na inona na inona azontsika omena ny ray aman-drenintsika, ka ho sarobidy toy ny aina. Avy eo, dia eritrereto fotsiny ny fahafoizan-tena, ny fikarakarana omban-tebiteby, ny fandaniana ary ny fanehoam-piheverana amim-pitiavana tafiditra ao amin’ny fanampiana zanaka iray, raha mbola zazakely izy ka hatramin’ny fahatongavany ho olon-dehibe. Noho izany, dia araka ny antonona toy inona moa ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra manao hoe: “[Manomeza voninahitra, NW ] ny ray sy ny reninao (...) mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany”! — Efesiana 6:2, 3.

FANEKENA IREO ZAVATRA ILAINY ARA-PIHETSEHAM-PO

2. Ahoana no ahafahan’ny zanaka efa olon-dehibe ‘mamaly soa’ ny ray aman-dreniny?

2 Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristiana: “Aoka [ny zanaka na zafy] hianatra aloha haneho [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ] amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra.” (1 Timoty 5:4). Ny zanaka efa olon-dehibe dia ‘mamaly soa’ toy izany, amin’ny fanehoana fankasitrahana noho ireo taona feno fitiavana sy fiezahana ary fikarakarana nolanin’ny ray aman-dreniny sy ny raibe sy renibeny taminy. Ny fomba iray ahafahan’ny zanaka manao izany dia amin’ny fanekena fa, toy ny olon-kafa rehetra, ireo olona be taona dia mila fitiavana sy fanomezan-toky — ary matetika no mila izany mafy izy ireo. Toa antsika rehetra, izy ireo dia mila mahatsapa fa heverina ho sarobidy ny tenany. Mila mahatsapa izy ireo fa mendrika ny hiainany ny fiainany.

3. Ahoana no ahafahantsika manome voninahitra ny ray aman-drenintsika sy ny raibe sy renibentsika?

3 Koa afaka manome voninahitra ny ray aman-drenintsika sy ny raibe sy renibentsika àry isika, amin’ny fampahafantarana aminy fa tia azy ireo isika. (1 Korintiana 16:14). Raha tsy miara-mipetraka amintsika ny ray aman-drenintsika, dia tokony hotadidintsika fa zava-dehibe ho azy ireo ny fandrenesana vaovao avy amintsika. Ny taratasy falifaly iray, ny antso an-telefaonina iray, na ny fitsidihana dia afaka manampy be dia be ny fifalian’izy ireo. Hoy ny nosoratan’i Miyo, mipetraka any Japon, fony izy 82 taona: “Hoy ny zanako vavy [manambady mpanompo mpitety faritany] amiko: ‘Neny a, andao “hiara-manao dia” aminay.’ Andefasany ny fandaharan’ny lalana harahiny sy ny nomerao telefaoniny ho an’ny herinandro tsirairay aho. Afaka manokatra ny sarintaniko aho ka manao hoe: ‘Eto izao no misy an-dry zareo!’ Misaotra an’i Jehovah foana aho noho ny fitahiana manana zanaka toy azy.”

FANAMPIANA EO AMIN’IZAY ILAINY ARA-NOFO

4. Ahoana no nampirisihan’ny lovantsofina ara-pivavahan’ny Jiosy ho mafy fo tamin’ny ray aman-drenin’ny tena efa zokiolona?

4 Mety hahafaoka ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’ny ray aman-drenin’ny tena eo amin’ny ara-nofo koa ve ny fanomezam-boninahitra azy ireo? Eny. Matetika no izany no izy. Tamin’ny andron’i Jesosy, ireo mpitondra fivavahana jiosy dia nanohana ilay lovantsofina hoe, raha nanambara ny olona iray fa “fanatitra ho an’Andriamanitra” ny volany na ny fananany, dia afaka tamin’ny andraikitra hampiasa azy io mba hikarakarana ny ray aman-dreniny, izy. (Matio 15:3-6, NW ). Hamafisam-po re izany! Raha ny tena izy, ireny mpitondra fivavahana ireny dia nampirisika ny olona tsy hanome voninahitra ny ray aman-dreniny, fa hanao tsinontsinona azy ireo kosa, rehefa tsy nety nanome tamim-pitiavan-tena izay nilain’izy ireo izy. Na oviana na oviana isika dia tsy haniry hanao izany! — Deoteronomia 27:16.

5. Na dia eo aza ireo fandaharana ataon’ny governemantan’ny tany sasany, nahoana indraindray no mahafaoka ny fanomezana fanampiana ara-bola ny fanomezam-boninahitra ny ray aman-drenin’ny tena?

5 Any amin’ny tany maro amin’izao andro izao, dia misy fandaharam-panampiana ara-tsosialy tohanan’ny governemanta izay manome ny sasany amin’ireo zavatra ara-nofo ilain’ny zokiolona, toy ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fialofana. Fanampin’izany, ireo zokiolona mihitsy dia mety ho efa afaka nanao fandaharana ho amin’ny fahanterany. Raha lany na tsy ampy anefa ireny fandaharana ireny, ny zanaka dia hanome voninahitra ny ray aman-dreniny amin’ny fanaovana izay azony atao mba hanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’ny ray aman-dreniny. Raha ny marina, ny fikarakarana ny ray aman-dreny be taona dia porofon’ny fifikirana amin’Andriamanitra, izany hoe ny fifikiran’ny tena amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana.

FITIAVANA SY FAHAFOIZAN-TENA

6. Fandaharana inona avy momba ny toerana hipetrahana no nataon’ny sasany mba hanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’ny ray aman-dreniny?

6 Zanaka efa olon-dehibe maro no nanana fihetsika feno fitiavana sy fahafoizan-tena teo anoloan’ny zavatra nilain’ny ray aman-dreniny osa. Ny sasany nandray ny ray aman-dreniny tao an-tranony, na nifindra monina mba ho akaikin’izy ireo. Ny hafa nifindra monina mba hiara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny. Matetika ny fandaharana toy izany dia hita ho fitahiana ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo zanany.

7. Nahoana no tsara ny tsy hanaovan-javatra haingana loatra rehefa mandray fanapahan-kevitra mikasika ny ray aman-drenin’ny tena efa zokiolona?

7 Indraindray anefa ny fifindra-monina toy izany dia tsy miteraka vokatra tsara. Nahoana? Angamba satria noraisina haingana loatra, na niorina tamin’ny fihetseham-po ranofotsiny, ilay fanapahan-kevitra. “Ny mahira-tsaina mandinika ny diany”, hoy ny ampitandreman’ny Baiboly amim-pahendrena. (Ohabolana 14:15). Ohatra, aoka hatao hoe sarotra amin’ny reninao efa zokiolona ny mipetraka irery ary mieritreritra ianao hoe mety handray soa izy raha mifindra monina mba hiara-mipetraka aminao. Eo am-pandinihana amim-pahiratan-tsaina ny dianao, dia ho azonao atao ny handinika izao manaraka izao: Inona avy ireo zavatra tena ilainy? Moa ve misy asa fanampiana tsy miankina amin’ny fanjakana na tohanan’ny fanjakana, izay manolotra vahaolona hafa azo ekena? Moa ve izy maniry ny hifindra? Raha eny, ahoana no ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainany? Ho voatery handao ireo namany ve izy? Ahoana no mety ho fiantraikan’izany eo aminy, eo amin’ny ara-pihetseham-po? Efa niresaka momba ireo zavatra ireo taminy ve ianao? Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fifindra-monina toy izany eo aminao, eo amin’ny vadinao, eo amin’ny zanakao? Raha mila fikarakarana ny reninao, iza no hanao izany? Azo zaraina ve ny andraikitra? Efa niresaka momba ilay raharaha tamin’ireo rehetra voakasik’ilay izy mivantana ve ianao?

8. Iza no mety ho azonao akana hevitra rehefa manapa-kevitra momba ny fomba hanampiana ny ray aman-dreninao efa zokiolona?

8 Koa satria mahakasika ny zanaka rehetra ao amin’ny fianakaviana ny andraikitra ny amin’ilay fikarakarana, dia mety ho fahendrena ny hanaovana fivoriam-pianakaviana, mba hahazoan’ny rehetra handray anjara amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Mety hanampy koa ny firesahana amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana, na amin’ny namana izay efa niatrika tarehin-javatra mitovy amin’ny anao. “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina”, hoy ny ampitandreman’ny Baiboly, “fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.” — Ohabolana 15:22.

MAHAIZA MIOMBOM-PIHETSEHAM-PO AMIN’NY HAFA ARY MAHAZOA NY FIHEVINY

9, 10. a) Na dia eo aza ny fandrosoan’ny taonan’ireo zokiolona, fanehoam-piheverana inona no tokony homena azy? b) Na inona na inona dingana ataon’ny zanaka efa olon-dehibe mba hanampiana ny ray aman-dreniny, inona no tokony homeny azy ireo foana?

9 Ny fanomezam-boninahitra ny ray aman-drenintsika efa zokiolona dia mitaky fahaiza-miombom-pihetseham-po aminy sy fahazoana ny fiheviny. Rehefa mitaky ny fahanterana, dia mety ho hitan’ireo be taona ho mihasarotra ny mandeha sy ny mihinana ary ny mitadidy zavatra. Mety hila fanampiana izy ireo. Matetika no manjary fatra-piaro azy ny zanany ary mitady hanome tari-dalana. Ireo zokiolona anefa dia olon-dehibe izay nanangona fahendrena sy fanandraman-javatra nandritra ny androm-piainany, dia androm-piainana nikarakarany ny tenany sy nandraisany ny fanapahan-keviny manokana. Ny toetra maha-izy azy sy ny fahatsapany haja dia mety hifantoka amin’ny anjara asan’ny ray aman-dreny sady olon-dehibe notanany. Ny ray aman-dreny izay mahatsapa fa tsy maintsy mamindra ny fifehezana ny fiainany amin’ireo zanany ny tenany, dia mety hanjary ho ketraka na tezitra. Ny sasany tsy faly noho izay mety hoheveriny ho fiezahana hanesotra aminy ny fahaleovan-tenany, ka manohitra izany.

10 Tsy misy vahaolana mora ho an’ireo zava-manahirana ireo, nefa fanehoana hatsaram-panahy ny famelana ny ray aman-drenin’ny tena efa zokiolona, hikarakara tena sy hanao ny fanapahan-keviny manokana, araka izay azony atao. Fahendrena ny tsy handraisana fanapahan-kevitra momba izay tsara indrindra ho an’ireo ray aman-dreninao, tsy misy firesahana aminy aloha. Mety ho be no tsy ananany intsony. Avelao izy hihazona izay mbola ananany. Mety ho hitanao fa arakaraka ny tsy hitadiavanao hifehy ny fiainan’ny ray aman-dreninao no hihatsaran’ny fifandraisanao aminy. Ho sambatra kokoa izy ireo, ary ho toy izany koa ianao. Na dia ilaina aza ny hanizingizinana ny amin’ny zavatra sasany izay hitondra soa ho azy, ny fanomezanao voninahitra ny ray aman-dreninao dia mitaky ny hanomezanao azy ny fahamendrehana sy ny fanajana mendrika ho azy. Hoy ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy”. — Levitikosy 19:32.

FIHAZONANA NY FIHETSIKA TSARA

11-13. Raha tsy tsara ny fifandraisan’ny zanaka efa olon-dehibe tamin’ny ray aman-dreniny tamin’ny lasa, ahoana no mbola ahafahany miatrika ilay zava-tsarotra ny amin’ny fikarakarana azy ireo amin’ny fahanterany?

11 Indraindray ny zava-manahirana iray atrehin’ireo zanaka efa olon-dehibe raha ny amin’ny fanomezam-boninahitra ny ray aman-dreniny be taona dia noho ny fifandraisana nananany tamin’ny ray aman-dreniny tany aloha. Angamba olona mafy fo sy tsy nanam-pitiavana ny rainao, ary ny reninao nanjakazaka sy nasiaka. Mety ho mbola mahatsiaro ho kivy, tezitra na tafintohina ianao, satria tsy nirinao ho ray aman-dreny toy izany izy ireo. Afaka mandresy ireo fihetseham-po ireo ve ianao? *

12 Hoy ny tantarain’i Basse, izay nihalehibe tany Failandy: “Manamboninahitra SS tany Alemaina Nazia ny raikeliko taloha. Mora nisafoaka izy, ary tamin’ny fotoana toy izany dia nampidi-doza. Namono ny reniko imbetsaka teo imasoko izy. Indray mandeha, fony izy tezitra tamiko, dia nampihodinkodina ny fehikibony izy ka namely ny tarehiko tamin’ny fampoehan’ilay izy. Namely ahy mafy aoka izany ilay izy, hany ka tafadaboka teo ambony fandriana aho.”

13 Kanefa, nisy lafiny hafa tamin’ny toetrany. Hoy ny teny nanampin’i Basse: “Tetsy an-danin’izany izy dia niasa mafy be ka tsy nitsitsy aina mba hikarakarana ny fianakaviany teo amin’ny ara-nofo. Tsy nampiseho fitiavan-dray tamiko mihitsy izy, nefa fantatro fa nitondra holatra ara-pihetseham-po izy. Noroahin-dreniny izy, fony izy mbola kely. Nampiasa ny totohondriny izy teo am-pihalehibeazana ary nankany an’ady fony izy zatovo lahy. Azoko ihany ny naha-toy izany azy ary tsy nanome tsiny azy aho. Rehefa nihalehibe kokoa aho, dia naniry hanampy azy be dia be araka izay azoko natao hatramin’ny nahafatesany. Tsy mora ilay izy, nefa nanao izay azoko natao aho. Niezaka ho zanakalahy tsara hatramin’ny farany aho, ary mino aho fa nanaiky ahy ho toy izany izy.”

14. Andinin-teny inona no mihatra amin’ny tarehin-javatra rehetra, anisan’izany ireo izay mipoitra eo am-pikarakarana ny ray aman-drenin’ny tena efa zokiolona?

14 Amin’ireo tarehin-javatra misy ny fianakaviana, toy ny amin’ny raharaha hafa, dia mihatra izao torohevitry ny Baiboly izao: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana (...). Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” — Kolosiana 3:12, 13.

MILA FIKARAKARANA KOA IREO MPIKARAKARA

15. Nahoana no mampahory indraindray ny fikarakarana ny ray aman-drenin’ny tena?

15 Asa mafy ny fikarakarana ray (na reny) osa, ka mahafaoka raharaha maro sy andraikitra be dia be ary fiaretan-tory ela be. Ny tapany sarotra indrindra anefa matetika dia ara-pihetseham-po. Mampahory ny mijery ny ray aman-dreninao mamoy ny fahasalamany sy ny fitadidiany ary ny fahaleovan-tenany. Hoy ny tantarain’i Sandy, avy any Porto Rico: “Fototry ny fianakavianay ny reniko. Tena nampijaly ny nahita azy nanaintaina, teo am-pikarakarana azy. Nanomboka nandringa izy aloha; avy eo izy dia nila tehina, avy eo dia fitaovana manampy handeha, avy eo dia seza mikorisa. Taorian’izany dia nihanikororosy hatrany ny fahasalamany mandra-podiny mandry. Voan’ny kanseran’ny taolana izy ary nila fikarakarana tsy an-kijanona — na andro na alina. Nampandro azy izahay sy namahana azy ary namaky teny ho azy. Tena mafy be ilay izy — indrindra fa ara-pihetseham-po. Rehefa takatro fa ho faty ny reniko, dia nitomany aho satria tia azy aoka izany.”

16, 17. Torohevitra inona no mety hanampy ny mpikarakara iray mba hihazona fomba fijery voalanjalanja?

16 Raha ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izany ny tenanao, inona no azonao atao mba hahazakana ilay izy? Ny fihainoana an’i Jehovah amin’ny famakiana ny Baiboly sy ny firesahana aminy amin’ny alalan’ny vavaka, dia hanampy anao be dia be. (Filipiana 4:6, 7). Eo amin’ny lafiny azo tsapain-tanana, dia ataovy azo antoka ny hihinana sakafo voalanjalanja ary miezaha hahazo torimaso ampy. Amin’ny fanaovanao izany, ianao dia ho tsara toerana kokoa, ara-pihetseham-po sy ara-batana, mba hikarakarana ilay olo-malalanao. Angamba ianao afaka mandamina fiatoana tsindraindray amin’ny fahazarana isan’andro. Na dia tsy afaka maka fialan-tsasatra aza ianao, dia mbola fahendrena ihany ny mandamina fotoana hakana aina. Mba hahazoanao fitsaharana kely, dia mety ho afaka handamina ny hisian’ny olon-kafa hiara-mijanona amin’ilay rainao (na reninao) marary ianao.

17 Tsy mahagaga ny hanantenan’ireo mpikarakara efa olon-dehibe zavatra tsy araka ny antonona amin’ny tenany. Aza mahatsiaro ho meloka noho izay tsy vitanao anefa. Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety hila ny hanankina ilay olo-malalanao amin’ny trano fitaizana ny be antitra ianao. Raha mpikarakara ianao, dia mamera zavatra araka ny antonona ho an’ny tenanao. Tsy maintsy mampifandanja, tsy izay ilain’ny ray aman-dreninao ihany ianao, fa izay ilain’ny zanakao sy ny vadinao ary ny tenanao koa.

HERY MIHOATRA NOHO NY MAHAZATRA

18, 19. Teny mampanantena fanohanana inona no nataon’i Jehovah, ary fanandraman-javatra inona no mampiseho fa mitana io teniny io izy?

18 Amin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly, i Jehovah dia manome amim-pitiavana tari-dalana izay afaka manampy be dia be ny olona iray eo am-pikarakarany ny ray aman-dreniny mihantitra, nefa tsy izany ihany no fanampiana omeny. “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy”, hoy ny nosoratan’ilay mpanao salamo nahazo tsindrimandry. “Hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy [Izy].” — Salamo 145:18, 19.

19 I Myrna, any Philippines, dia nanjary nahafantatra izany rehefa nikarakara ny reniny, izay tapaka lalan-dra ka lasa nalemy. “Tsy misy na inona na inona mahaketraka kokoa noho ny mahita ilay olo-malalanao mijaly sy tsy afaka milaza aminao izay maharary azy”, hoy ny nosoratan’i Myrna. “Toy ny fahitana azy nilentika an-drano tsikelikely ilay izy, ary tsy nisy na inona na inona azoko natao. Imbetsaka aho no nandohalika sy niresaka tamin’i Jehovah momba ny havizanako. Nitaraina mafy sahala amin’i Davida, izay nitalaho tamin’i Jehovah mba hametraka ny ranomasony tao an-tavoahangy sy hitadidy azy, aho. [Salamo 56:8]. Ary araka ny nampanantenain’i Jehovah, dia nanome ahy ny hery nilaiko izy. ‘Niseho ho mpanohana ahy i Jehovah.’ ” — Salamo 18:18.

20. Fampanantenana ara-baiboly inona avy no manampy an’ireo mpikarakara hijery lafy tsaran-javatra hatrany, na dia maty aza ilay olona nokarakarainy?

20 Voalaza fa ny fikarakarana ny ray aman-drenin’ny tena mihantitra dia “tantara tsy tsara fiafara”. Na dia eo aza ireo ezaka tsara indrindra mba hikarakarana an’ireo be taona, dia mety ho faty izy ireo, toy ny renin’i Myrna. Ireo izay mitoky amin’i Jehovah anefa dia mahafantatra fa tsy ny faran’ilay tantara akory ny fahafatesana. Hoy ny apostoly Paoly: “Manantena amin’Andriamanitra aho (...) fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ].” (Asan’ny Apostoly 24:15). Ireo izay namoy ray aman-dreny efa zokiolona tamin’ny fahafatesana dia mahazo fampiononana avy amin’ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty, miaraka amin’ny fampanantenana ny amin’ny tontolo vaovao iray maharavoravo hataon’Andriamanitra, izay ‘tsy hisian’ny fahafatesana intsony’. — Apokalypsy 21:4.

21. Vokatra tsara inona avy no azo avy amin’ny fanomezam-boninahitra ny ray aman-drenin’ny tena efa zokiolona?

21 Manana fanajana lalina ny ray aman-dreniny ny mpanompon’Andriamanitra, na dia mety ho efa antitra aza ireo. (Ohabolana 23:22-24). Manome voninahitra azy ireo izy. Amin’ny fanaovana izany izy dia mahatsapa izay lazain’ilay ohabolana ara-tsindrimandry hoe: “Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.” (Ohabolana 23:25). Ary ambonin’ny zavatra rehetra, ireo izay manome voninahitra ny ray aman-dreniny efa zokiolona dia mampifaly sy manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra koa.

^ feh. 11 Tsy miresaka momba ny tarehin-javatra misy ray aman-dreny meloka ho nanararaotra tafahoatra ny fahefany sy ny fitokiana aminy, izay mety hoheverina ho toy ny fanaovana heloka bevava, izahay eto.