Fonony Aoriana
NY FIANAKAVIANA no zava-naorina tranainy indrindra eo anivon’ny olombelona, nefa mahita zava-manahirana izy io ankehitriny. Ny isa tsy mitsaha-mitombon’ny zatovo mampiasa zava-mahadomelina sy maloto fitondran-tena, ny fisaraham-panambadiana sy ny herisetra an-tokantrano mamely ny fiaraha-monina maoderina, ny fitomboana izaitsizy eo amin’ny isan’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny, ary ny zava-manahirana lehibe hafa dia mahatonga ny sasany hanontany tena raha mbola hisy foana ny fianakaviana.
Mbola ho afaka hanana fianakaviana miorina tsara sy hahitany fiahiana sy fiarovana ary fampaherezana ve ny mpianakavy? Eny no valiny, raha toa ka mahafantatra ny tena tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana ireo mpianakavy. Tsy miafina akory io tsiambaratelo io. Efa nampiasaina ary hita fa nahomby izy io, tao anatin’ny taonjato maro dia maro. Inona moa izany tsiambaratelo izany? Manome ny valiny ity boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana ity. Manome ohatra tena misy eo amin’ny fiainana andavanandro koa izy ity, ny amin’ny fomba anampian’io ‘tsiambaratelo’ io mba handaminana toe-javatra sarotra eo anivon’ny fianakaviana. Iza no olona tsy mila izany fanazavana izany ankehitriny?