Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 7

Efa Natahotra sy Hoatran’ny Tsy Nisy Namana ve Ianao?

Efa Natahotra sy Hoatran’ny Tsy Nisy Namana ve Ianao?

Jereo ange io ankizilahy eo amin’ny sary io e! Hoatran’ny hoe tsy mana-namana sy matahotra izy e? Efa hoatr’izany ve ianao?... Hoatr’izany isika rehetra indraindray. Milaza ny Baiboly fa nisy mpanompon’i Jehovah efa natahotra sy hoatran’ny tsy nisy namana. Iray amin’izany i Elia. Andeha isika hiresaka momba azy.

Nitady hamono an’i Elia i Jezebela

Nipetraka tany Israely i Elia, ela be talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. I Ahaba no mpanjakan’ny Israely tamin’izany. Nivavaka tamin’ny andriamani-diso atao hoe Bala i Ahaba sy Jezebela vadiny, fa tsy nivavaka tamin’i Jehovah. Nivavaka tamin’i Bala koa ny Israelita maro. Ratsy fanahy i Jezebela, ka nitady hamono ny olona rehetra nanompo an’i Jehovah, anisan’izany i Elia! Inona no nataon’i Elia?...

Nitsoaka tany an-tany efitra i Elia, ary niafina tao anaty lava-bato. Nahoana izy no niafina?... Ie, natahotra izy. Tsy tokony ho natahotra anefa izy. Nahoana? Satria fantany fa afaka nanampy azy i Jehovah. Namaly ny vavaka nataon’i Elia izy, indray mandeha, ka nandefa afo avy tany an-danitra. Nasehony tamin’izany fa mahery izy. Afaka nanampy an’i Elia koa àry izy tamin’io.

Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Elia?

Rehefa tao anaty lava-bato i Elia, dia nanontany azy i Jehovah hoe: ‘Fa inona no ataonao atỳ?’ Namaly i Elia hoe: ‘Izaho irery sisa no manompo anao. Tsisy namana aho ary matahotra sao hisy hamono.’ Nihevitra i Elia hoe efa nisy namono daholo ny mpanompon’i Jehovah hafa. Nilaza taminy anefa i Jehovah hoe: ‘Tsy marina izany. Mbola misy 7 000 manompo ahy any. Mahereza fa mbola misy asa hampanaoviko anao.’ Faly ve i Elia naheno an’izany?...

Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Elia?... Tsy tokony hatahotra ianao na hieritreritra hoe tsy misy namana. Manana namana tia an’i Jehovah sy tia anao ianao. Tena mahery koa i Jehovah, ary hanampy anao foana izy. Faly ve ianao mahafantatra an’izany?...