Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 1

Ilay Tsiambaratelo Nolazaina Tamintsika

Ilay Tsiambaratelo Nolazaina Tamintsika

Zavatra tsy azo tenitenenina amin’olona no atao hoe tsiambaratelo. Efa nisy nilaza tsiambaratelo taminao ve?... * Resahin’ny Baiboly fa misy tsiambaratelo iray atao hoe “zava-miafina masina.” Masina ilay izy satria avy amin’Andriamanitra. Zava-miafina koa izy io satria tsy fantatry ny olona sy ny anjely. Tianao ho fantatra ve hoe inona io tsiambaratelo io?...

Fantatrao ve hoe inona no tian’ireo anjely ireo ho fantatra?

Namorona ny lehilahy sy vehivavy voalohany Andriamanitra, tany aloha be tany. Adama sy Eva no anaran’izy ireo. Napetrany tao amin’ny zaridainan’i Edena izy ireo. Toerana nahafinaritra be izany. Nila nankatò an’Andriamanitra izy ireo. Amin’izay izy sy ny taranany mba ho afaka hiaina mandrakizay sy hanova ny tany manontolo ho paradisa hoatran’io zaridaina io. Inona anefa no nataon’i Adama sy Eva?...

Mbola tsy paradisa ny tany, satria tsy nankatò i Adama sy Eva. Nilaza anefa Andriamanitra fa mbola hataony tsara tarehy ny tany, ary hiaina mandrakizay sy ho sambatra ny olona. Ahoana no hanaovany an’izany? Tsy nisy nahalala an’izany nandritra ny fotoana ela be. Tsiambaratelo ilay izy.

Niresaka momba azy io i Jesosy tamin’izy teto an-tany. Nilaza izy hoe momba ny Fanjakan’Andriamanitra io tsiambaratelo io. Nasainy nivavaka ny olona mba ho tonga io Fanjakana io. Izy io no hanova ny tany ho paradisa tsara tarehy.

Faly ve ianao nahafantatra an’io tsiambaratelo io?... Tadidio fa mila mankatò an’i Jehovah ianao raha te hiaina ao amin’ny Paradisa. Miresaka olona maro nankatò an’i Jehovah ny Baiboly. Te hianatra momba azy ireo ve ianao?... Andeha isika hijery ny sasany amin’izy ireo sy izay azo ianarana avy aminy.

^ feh. 3 Misy teboka telo toa an’io aorian’ny fanontaniana sasany ato amin’ity bokikely ity. Tokony hiato kely ianao rehefa mahita izany ary hamela ny zanakao hamaly.