Manao Asa Soa
Inona no mampiseho hoe i Jehovah no tia manome indrindra?
Inona no mety hahatonga ny fanomezana ataontsika tsy ho tian’Andriamanitra?
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Ge 4:3-7; 1Jn 3:11, 12—Ny antony nahatonga ny fanomezan’i Kaina tsy hankasitrahan’Andriamanitra
As 5:1-11—Nosazin’Andriamanitra i Ananiasy sy Safira satria nandainga rehefa nanao fanomezana, sady ratsy ny antony nahatonga azy ireo hanao an’ilay izy
Inona no hahatonga ny fanomezana ataontsika ho tian’Andriamanitra?
Mt 6:3, 4; Ro 12:8; 2Ko 9:7; He 13:16
Jereo ny As 20:35
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Lk 21:1-4—Nidera an’ilay vehivavy mpitondratena i Jesosy, satria izay rehetra nananany no nomeny, na dia tena kely aza ilay izy
Ahoana no nandaminana ny fanomezana tamin’ny taonjato voalohany?
As 11:29, 30; Ro 15:25-27; 1Ko 16:1-3; 2Ko 9:5, 7
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
As 4:34, 35—Tia nanome ny fiangonana kristianina, ary nozarain’ny apostoly tamin’ireo nila fanampiana izany avy eo
2Ko 8:1, 4, 6, 14—Nalamina ny fandefasana fanampiana tamin’ireo nila an’izany
Inona ny andraikitra lehibe ananan’ny Kristianina amin’ny fianakaviany sy ny mpiara-manompo?
Ro 12:13; 1Ti 5:4, 8; Jk 2:15, 16; 1Jn 3:17, 18
Jereo koa ny Mt 25:34-36, 40; 3Jn 5-8
Inona ny adidintsika amin’ny mahantra araka ny lazain’ny Baiboly?
De 15:7, 8; Sl 41:1; Oh 19:17; Jk 1:27
Jereo koa ny Oh 28:27; Lk 14:12-14; Jk 2:1-4
Ahoana no ahafantarantsika hoe ny manampy ny olona hahafantatra an’Andriamanitra no fomba tsara indrindra hanampiana an-dry zareo?
Mt 5:3, 6; Jn 6:26, 27; 1Ko 9:23
Jereo koa ny Oh 2:1-5; 3:13; Mpto 7:12; Mt 11:4, 5; 24:14
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Lk 10:39-42—Nampian’i Jesosy i Marta hahatakatra hoe ny zavatra manampy antsika ho akaiky an’Andriamanitra no tokony hatao voalohany