Afaka ny ho sambatra mandrakizay ve isika?
Ahoana no havalinao?
Eny
Tsia
Angamba
INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?
“Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—SALAMO 37:29.
INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?
Ho sambatra sy hiadana ianao sy ny fianakavianao ary ny namanao.—JEREMIA 29:11.
Tsy vetivety fotsiny ianao no hankafy ny fiainana, fa mandrakizay mihitsy.—SALAMO 22:26.
TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?
Eny! Miresaka porofo manamarina an’izany ny lesona telo ato amin’ity bokikely ity. Ireto ny lohateniny: