Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Planeta Natao Hiainana

Planeta Natao Hiainana

Nahoana no azo iainana eto an-tany? Zavatra maromaro, izay heverin’ny olona sasany fa nisy ho azy, no mahatonga izany. Tato ho ato vao fantatra tsara ny sasany aminy. Ohatra hoe:

  • Ny toeran’ny tany ao amin’ny Vahindanitra Mivolondronono (Voie lactée) sy ao amin’ny rafi-masoandro, ny lalana ihodinany manodidina ny masoandro, ny fitongilanany, ny hafainganan’ny fihodinany, ary ny herin’ny volana eo aminy

  • Ny sahan’andriambin’ny tany sy ny atmosfera, izay samy miaro ny tany

  • Ireo tsingerina voajanahary, izay manadio ny rivotra sy ny rano, ary mahatonga azy ireo ho ampy foana

Hojerentsika tsirairay ireo. Eo am-pamakiana izany, dia saintsaino hoe: ‘Nisy ho azy ve ny tany sy ireo zavatra eo aminy, sa noforonina ary misy antony namoronana azy?’

Tsara toerana ny tany

Tena mety tsara ny toerana misy ny tany. Raha tsy izany dia tsy ho nisy zavamananaina teto.

Rehefa manoratra any andafy ny olona mazàna, dia hita eo amin’ny adiresiny ny anaran’ny fireneny, ny tanànany, ary ny lalana misy ny tranony. Raha omena adiresy ny tany, dia ny Vahindanitra Mivolondronono no “firenena” misy azy, ny rafi-masoandro (ny masoandro sy ireo planeta manodidina azy) no “tanànany”, ary ny lalana izorany manodidina ny masoandro no “lalana” misy azy. Tena tsara toerana ny tany, ary efa voaporofon’ny manam-pahaizana izany noho ny fandrosoan’ny astronomia sy ny fizika.

Faritra tena mety tsara ao amin’ny Vahindanitra Mivolondronono no ahitana ny “tanànantsika”, izany hoe ny rafi-masoandro. Tsy any anatiny loatra isika, nefa koa tsy any amin’ny sisiny loatra. Milaza ny mpahay siansa fa io ihany no “faritra azo iainana.” Ampy tsara ny zavatra simika mahavelona ao amin’izy io. Tsy ahitana firy an’izany any amin’ny sisin’ilay vahindanitra. Mampidi-doza koa raha any anatiny loatra satria be zavatra mahafaty, toy ny taratra manimba. “Ao amin’ny faritra tsara indrindra no misy antsika”, hoy ny gazety Amerikanina Siantifika.1 a

“Lalana”: Tena tsara toerana koa ny “lalana” izoran’ny tany manodidina ny masoandro. Tokotokony ho 150 tapitrisa kilaometatra miala ny masoandro izy io. Azo onenana tsara eo satria tsy mafana be. Mitovitovy amin’ny faribolana koa ilay lalana, ka tsy dia miova ny halaviran’ny tany amin’ny masoandro mandritra ny taona.

Tonga lafatra koa ny masoandro, satria mety tsara ny habeny, ary tsy miovaova sy antonony ny angovo alefany etỳ an-tany. Rariny izy io raha antsoina hoe “kintana tena miavaka.”2

“Mpiara-monina”: “Mpifanolo-bodirindrina” tsara ho an’ny tany ny volana. Ampahefatry ny savaivon’ny tany eo ho eo ny savaivony. Lehibe kokoa noho ny volana hafa ao amin’ny rafi-masoandro àry izy io. Tsy kisendrasendra mihitsy izany.

Ny volana, ohatra, no mahatonga ny ranomasina hisondrotra sy hisintona, ary tena ilaina eo amin’ny tontolo iainana izany. Izy io koa no mahatonga ny tany tsy hihilangilana rehefa mihodina amin’ny tenany. Mety ho nivadibadika ny tany raha tsy teo ny volana! Hitera-doza izany satria hampikorontana zavatra maro, toy ny toetrandro sy ny fisondrotan’ny ranomasina.

Fitongilanana sy fihodinana: Mitongilana 23,4 degre eo ho eo ny tany. Ny vokany? Antonony tsara ny hafanana, samy manana ny toetaniny ny faritra maro, ary misy ny fizaran-taona isan-karazany. Hoy ny boky iray: “Mety tsara ny fitongilanan’ny planetantsika.”3

Antonony tsara ny fihodinan’ny tany amin’ny tenany, ka “mety tsara” ny halavan’ny andro sy ny alina. Raha nihodina niadana kokoa ny tany, dia ho lava kokoa ny andro. Ho may ny ilany mifanatrika amin’ny masoandro, fa ny ilany kosa hangatsiaka loatra. Raha nihodina haingana kokoa indray ny tany, dia ho fohy kokoa ny andro. Hifofofofo be foana ny rivotra, ankoatra ny vokany ratsy hafa.

Ampinga miaro ny tany

Mampidi-doza any ambony tsy taka-maso any, satria feno taratra sy vaingan-javatra mahafaty. Tsy simba mihitsy anefa ny tany na dia mamakivaky an’io faritra io aza. Misy sahan’andriamby matanjaka mantsy miaro azy. Eo koa ny atmosfera. Toy ny ampinga hafakely ireo.

Sahan’andriamby miaro ny tany

Sahan’andriambin’ny tany: Misy vy miempo sy mahamay be any anatin’ny tany lalina any, ary mihodinkodina izy io. Mamoaka hery atao hoe sahan’andriamby izy io, ary miely hatrany ambony tsy taka-maso any ilay izy. Miaro antsika amin’ny taratra mahery vaika avy any ambony any sy amin’ireo zavatra mampidi-doza avy amin’ny masoandro io sahan’andriamby io. Anisan’izany ny rivotry ny masoandro sy ny angovo avoakany. Mamoaka angovo mitovy amin’ny herin’ny baomba hidrozenina an’arivony tapitrisa ny masoandro, ao anatin’ny minitra vitsy monja. Misy zavatra an’arivony tapitrisa taonina koa mipitika avy eny. Miteraka hazavana hafakely eny amin’ny lanitra ireo rehetra ireo any akaikin’ireo tendrontany. Raha sendra mankany ianao dia ho hitanao io hazavana io. Manaporofo izy io fa tena miaro antsika ny sahan’andriambin’ny tany.

Hazavana any amin’ny tendrontany

Atmosfera: Sosona gazy matevina manodidina ny tany izy io. Miaro antsika izy io satria sakanany tsy hivoaka any ivelany ny rivotra iainantsika. Misy karazana oksizenina atao hoe ôzônina koa ao amin’ny sosona ivelany indrindra aminy. Io no misakana ny 99 isan-jaton’ny taratra ultraviolet avoakan’ny masoandro, tsy ho tonga etỳ an-tany. Arovan’ny ôzônina amin’io taratra manimba io àry ny zavaboary. Anisan’izany ireo zavamiaina bitika any an-dranomasina mpamokatra oksizenina. Miovaova arakaraka ny habetsahan’ny taratra ultraviolet ny hatevin’ny ôzônina. Ampinga matanjaka tokoa izy io.

Miaro antsika amin’ireo vaingan-javatra avy any ambony tsy taka-maso ny atmosfera

An-tapitrisany ny vaingan-javatra madinika sy vaventy mitady hidona amin’ny tany, isan’andro. May anefa ny ankamaroany rehefa tafiditra ao amin’ny atmosfera, ka mivadika ho hazavana manjelanjelatra atao hoe tainkintana. Tsy sakanan’ireo ampinga miaro ny tany kosa ny taratra mahasoa, toy ny taratra manome hazavana sy hafanana. Anisan’ny mampiparitaka ny hafanana eran-tany mihitsy aza ny atmosfera, ary toy ny bodofotsy izy io amin’ny alina satria hazoniny tsy hivoaka haingana ny hafanana.

Tena mahavariana ny atmosfera sy ny sahan’andriambin’ny tany. Mbola betsaka anefa ny zavatra tsy fantatra momba azy ireo. Mahatalanjona koa ireo tsingerina mahatonga antsika ho velona.

Nisy ho azy teo fotsiny ve ireo ampinga roa miaro ny tany?

Tsingerina mahasoa

Ahoana raha tsy mahazo rivotra sy rano madio ny trano iray, mitoby ao anatiny ny fako, ary tsentsina ny fantson-drano maloto? Tsy ho azo iainana ao. Tsy mahazo rivotra sy rano madio avy any ivelany koa ny planetantsika sady tsy avoaka any ivelany ny loto. Mbola azo iainana sy mahasalama foana anefa eto. Nahoana? Noho ny tsingerin’ny rano, karbonina, oksizenina, ary azota. (Hazavaina sy aseho an-tsary eto.)

Ny tsingerin’ny rano: Tena ilaina ny rano mba hahavelona. Andro vitsivitsy monja ny olona dia maty raha tsy misotro rano. Mahazo rano madio foana anefa ny tany manontolo, noho ny tsingerin’ny rano. Mizara telo izy io: 1) Danihin’ny masoandro ny rano ka lasa etona, ary mankeny amin’ny habakabaka; 2) lasa rahona io etona io rehefa mangatsiaka, ary efa madio; 3) ny rahona no lasa orana, na havandra, na lanezy milatsaka etỳ an-tany. Ireo indray no mivadika ho etona avy eo. Raha atambatra ny rano voadio amin’izany fomba izany isan-taona, dia ho difotra ny tany ary efa ho iray metatra ny haavon’ny rano.4

Ny tsingerin’ny karbonina sy oksizenina: Mila mifoka oksizenina sy mamoaka gazy karbonika isika, mba ho velona. Olona sy biby an’arivony tapitrisa no manao izany. Nahoana anefa no tsy lany ny oksizenina eto an-tany, ary tsy be loatra ny gazy karbonika? Satria misy foana ny tsingerin’ny karbonina sy oksizenina. Toy izao ny fizotrany: 1) Rehefa tarafin’ny masoandro ny zavamaniry, dia sintoniny izay gazy karbonika avoakantsika ary ovany ho gliosida sy oksizenina. Tena mahavariana ilay izy. 2) Iny oksizenina iny indray avy eo no fohintsika. Tsy miteraka loto izany famokarana gliosida sy oksizenina izany, ary tsy re akory nefa mandaitra.

Ny tsingerin’ny azota: Tsy velona koa ny zavamananaina raha tsy mahazo proteinina sy molekiola hafa. A) Tena ilaina ny azota mba hahazoana an’ireny molekiola ireny. Soa ihany fa azota ny 78 isan-jaton’ny rivotry ny atmosfera. Avadiky ny tselatra sy ny bakteria ho fitambarana zavatra simika azon’ny zavamaniry trohina ny azota. B) Ny zavamaniry indray mamadika an’ireo zavatra simika misy azota ireo ho molekiola. Ny biby kosa mihinana an’ilay zavamaniry, ka mahazo azota. D) Rehefa maty ny zavamaniry sy ny biby, dia misy bakteria manasaratsaraka ny molekiola ao amin’ny vatany. Miverina ao amin’ny tany na eny amin’ny rivotra àry ilay azota.

Fanadiovana tonga lafatra

Miteraka loto mahafaty an-taoniny maro isan-taona ny fandrosoan’ny teknolojia. Tsy vitan’ny olona anefa ny manodina ny loto ho zavatra azo ampiasaina indray. Ny tany kosa mahavita manova ny lotony rehetra ho lasa zavatra mahasoa, ary tena mahavariana ilay izy.

Ahoana no nampisy an’ireo tsingerina ireo, araka ny hevitrao? Hoy i M. Corey, mpanoratra momba ny fivavahana sy ny siansa: “Tsy ho nirindra tsara toy izao mihitsy [ireo tsingerina ireo sy ny zavatra rehetra mifandray aminy], raha tsy nisy namorona fa nisy ho azy tsikelikely teo fotsiny.”5 Miombon-kevitra aminy ve ianao?

a Isa manondro an’ireo boky na gazety nakana hevitra, any amin’ny pejy 30.